Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Olana Amin’ny Namana Nanampy ahy ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe... Nahoana no Nanao Izay Nampalahelo Ahy ny Namako?” (8 Martsa 2000) Tena nanao izay nampalahelo ahy mafy ny namako akaiky indrindra, izay enin-taona sy tapany. Nampiasainay sy io namako io ireo soso-kevitra tao amin’ilay lahatsoratra, ka noresahinay tamim-pahatoniana sy tamim-pihavanana ilay raharaha. Vokatr’izany, dia mifankatia kokoa noho ny hatramin’izay izahay izao.

M. L., Etazonia

Mpitory Kilemaina Tena nampihetsi-po ahy ilay lahatsoratra hoe “Sambatra na dia Kilemaina Aza” (8 Martsa 2000) Tanora aho, ary indraindray dia toa tsy hay resena ireo zava-manahirana ahy. Tena mampahery ny tantaran’i Konstantin Morozov. Ankafiziko ireo teniny hoe: “Maniry hanohy hanompo [an’i Jehovah] aho raha mbola manohy mitepo koa ny foko”.

L. C., Italia

Manan-janaka telo aho ary tsy maintsy mampianatra azy ireo zavatra ara-panahy, satria tsy mitovy finoana amiko ny vadiko. Tsy maintsy miasa koa aho sady mikarakara ny tokantrano, ary indraindray dia toa tsy manan-kery tavela intsony. Mahatalanjona ny toe-tsaina mijery lafy tsaran-javatra ananan’i Konstantin! Misaotra anareo namoaka ny tantarany.

O. K., Rosia