Bemirain-doko Voajanahary Tao Montréal

Bemirain-doko Voajanahary Tao Montréal

Bemirain-doko Voajanahary Tao Montréal

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY KANADA

NAMPIANTRANO ny Voly Bemirain-doko Iraisam-pirenen’i Montréal 2000 (MIM 2000) i Montréal, tanàna mahafinaritra, eto Kanada, nanomboka ny 19 Jona ka hatramin’ny 9 Oktobra 2000. Fampirantiana iraisam-pirenena voalohany nampisehoana sarin-javatra mivohitra vita tamin’ny voninkazo io. Nampitondraina ny loha hevitra hoe “Bemirain-doko ny Planetantsika” izy io, ary nisy mpanakanto avy tamin’ny firenena 14 nasaina mba hamolavola sy handavorary fampirantiana sarin-javatra mivohitra vita tamin’ny voninkazo, zato teo ho eo.

Nandravaka ireo zaridainam-panjakana efa an-jatony taona maro izao ireo bemiraim-boninkazo natao hanome sarin-javatra tsotra fotsiny. Tato anatin’ireo 50 taona lasa kosa anefa, dia namorona sarin-javatra mivohitra ireo mpamboly voninkazo tany Chine sy Eoropa ary tany an-toeran-kafa, ka rafitra vy no norakofan’izy ireo zavamaniry nofantenana tamim-pitandremana. Novelomin’ireo mpikarakara ny MIM 2000 indray ilay teny hoe “voly bemirain-doko”—nampiasaina mba hilazalazana an’ireo zaridaina rakotra voninkazo tany Frantsa, teo am-boalohany—ary nampihariny tamin’ireo sarin-javatra tsotra sy mivohitra vita tamin’ny voninkazo. Zavamaniry telo tapitrisa teo ho eo, tamin’ny fitambarany, no nampiasaina tamin’ny MIM 2000, ary nofantenana manokana izy ireny. Nilaina ny fahaizana manokan’ny mpamboly voninkazo 68 mba hanondraka sy hampaniry tsara ireo voly bemirain-doko voajanahary ireo.

Ireo bemirain-doko sinoa no nampitolagaga tsy nisy toy izany, satria fifangaroana tanimanga sy zezi-tsoavaly ary mololo no narandran’ireo namorona ilay izy ka natsofotsofony tamin’ny rafitra vy natao sarin-javatra mivohitra. Zavamaniry bitika sy madini-paka izay tsy mila tany firy koa no nampiasain’izy ireo.

Nanantena ny handresy ny tsirairay tamin’ireo mpanakanto nifaninana tamin’ny MIM 2000. Afa-po kosa ny ankamaroan’ireo mpitsidika rehefa nitolagaga nijery ny endrika vaovao sy ny hakanton’ny bemirain-doko tsirairay. “Izany ka tena zavakanto”, hoy i Lynn Duranceau, talen’ilay fifaninanana iraisam-pirenena. “Toy ny tranombakoka kely ilay izy. Mirehareha tanteraka ny amin’ny vokatra azo izahay.”

[Sary, pejy 24, 25]

Ambony: Sarina orsa mivohitra, avy any Chine

Afovoany: Lapa fahiny, avy any Tailandy, miaraka amin’ny lolo, avy any Chine

Ambany: Ganaganadia, avy any Québec, eto Kanada

[Sary, pejy 25]

Ambony: Sary hoso-dokon’i Vincent van Gogh mivohitra vita tamin’ny voninkazo, avy eto Kanada; vorombola, avy any Frantsa