Vaovao Tsara Natao ho Anao!

Inona ilay vaovao tsara avy amin’Andriamanitra natao ho anao? Nahoana no azo inoana izany? Mamaly ny fanontaniana ara-baiboly fametraky ny olona ity bokikely ity.

Ny Mampiavaka An’ity Bokikely Ity:

Natao hanampiana anao hianatra ny Tenin’Andriamanitra izy io. Ho hitanao ao ny fomba fitadiavana toko sy andininy ao amin’ny Baiboly.

LESONA 1

Inona Ilay Vaovao Tsara avy Amin’Andriamanitra?

Ho fantatrao ao hoe inona ilay vaovao avy amin’Andriamanitra, nahoana izany no mila torina haingana, ary inona no tokony hataonao.

LESONA 2

Iza moa Andriamanitra?

Hoatran’ny ahoana Andriamanitra ary iza no anarany?

LESONA 3

Tena avy Amin’Andriamanitra ve ny Vaovao Tsara ao Amin’ny Baiboly?

Ahoana no ahafantaranao fa tena marina izay lazain’ny Baiboly?

LESONA 4

Iza moa i Jesosy Kristy?

Ho hitanao ato hoe iza no namorona an’i Jesosy, inona no antony nahafatesany, ary inona no ataony izao.

LESONA 5

Inona no Fikasan’Andriamanitra Rehefa Namorona ny Tany?

Mamaly an’ireto ny Baiboly: Inona no antony namoronan’Andriamanitra ny tany? Rahoviana no tsy hisy intsony ny fijaliana? Hanao ahoana ny tany sy ny olona hiaina eto, amin’ny hoavy?

LESONA 6

Mbola ho Hitantsika ve Ireo Havantsika Nodimandry?

Inona no mitranga amintsika rehefa maty isika? Mbola hahita an’ireo havantsika efa maty ve isika?

LESONA 7

Inona moa ny Fanjakan’Andriamanitra?

Inona no hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra ary iza no Mpanjakan’izy io?

LESONA 8

Nahoana no Avelan’Andriamanitra Hisy ny Fijaliana?

Nanomboka oviana no nisy faharatsiana teto an-tany? Nahoana Andriamanitra no mbola miandry? Mbola hifarana ihany ve ny fijaliana?

LESONA 9

Tianao ho Sambatra ve ny Fianakavianao?

Tian’i Jehovah ho sambatra ny fianakaviana. Jereo ato ny torohevitry ny Baiboly ho an’ny mpivady, ray aman-dreny, ary zanaka.

LESONA 10

Ahoana no Ahafantaranao hoe Iza no Fivavahana Marina?

Iray ihany ve ny fivavahana marina? Jereo ato ireo zavatra dimy amantarana ny fivavahana marina.

LESONA 11

Nahoana no Mahasoa ny Lalàn’Andriamanitra?

Nohazavain’i Jesosy hoe nahoana isika no mila tari-dalana, ary inona no toro lalana lehibe indrindra.

LESONA 12

Tianao ve ny ho Akaiky An’Andriamanitra?

Jereo ato hoe henoin’Andriamanitra ve ny vavaka rehetra, ahoana no atao rehefa mivavaka, ary inona koa no azontsika atao mba ho akaiky an’Andriamanitra.

LESONA 13

Inona no Vaovao Tsara ho An’ireo Olona Tia Fivavahana?

Azo inoana ve fa hiaraka hanompo an’ilay tena Andriamanitra ao anatin’ny fivavahana iray ihany ny olon-drehetra indray andro any?

LESONA 14

Nahoana no Voalamina Tsara ny Vahoakan’Andriamanitra?

Lazain’ny Baiboly ny antony andaminana ny tena Kristianina sy ny fomba andaminana azy ireo.

LESONA 15

Nahoana Ianao no Tokony Hianatra Baiboly Foana?

Vonona hizara izay nianaranao ve ianao? Inona no soa ho azonao raha miezaka mianatra Baiboly foana ianao?