Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Zavatra Tsara Kokoa azo Asolo ny Ra

Zavatra Tsara Kokoa azo Asolo ny Ra

Zavatra Tsara Kokoa azo Asolo ny Ra

Mihevitra angamba ianao hoe: ‘Mety hampidi-doza ny fampidiran-dra, moa ve anefa misy zavatra tsara kokoa azo asolo azy?’ Fanontaniana mitombina tokoa izany, ary mariho ny teny hoe “tsara kokoa”.

Ny olona rehetra, anisan’izany ny Vavolombelon’i Jehovah, dia mitady ny fitsaboana mandaitra tsara kokoa. Nanamarika fitsipika roa fototra ny Dr. Grant E. Stephen: “Ny fikarakarana ara-pitsaboana tsara kokoa dia ny fahazoan’ny fotopototr’izany fikarakarana izany manao izay hahatratrarana ireo zava-kendrena ara-pitsaboana sy tsy ara-pitsaboana ara-dalàna”. (The Journal of American Medical Association, 1 Jolay 1988) Tokony hahafaoka ny tsy fandikana ny fitsipi-pitondrantena na ny fieritreretan’ilay marary voataiza araka ny Baiboly ny ‘zava-kendrena tsy ara-pitsaboana’. — Asan’ny apostoly 15:28, 29.

Moa ve misy fomba ara-dalàna sy mandaitra hahafahana hikarakara ireo zava-manahirana lehibe ara-pitsaboana amim-pahakingana, kanefa tsy hisy fampiasana ra? Soa ihany fa misy.

Na dia milaza aza ny ankamaroan’ireo mpandidy fa tsy manome ra ny marary izy ireo raha tsy tena ilaina mihitsy izany, taorian’ny nipoiran’ny areti-mifindra SIDA, dia nahenan’izy ireo haingana ny fampiasana azy. Nambaran’ny lahatsoratra milaza ny hevitry ny talen’ny gazety Mayo Clinic Proceedings (Septambra 1988) fa “ny iray amin’ireo soa vitsy nentin’ilay areti-mifindra” dia ny “nitondrany tetik’asa samihafa avy amin’ny marary sy ny mpitsabo, mba hisorohana ny fampidiran-dra”. Nanazava toy izao ny mpitantan-draharaha ao amin’ny foibe fanomezan-dra iray: “Izay tena niova dia ny hamafin’ilay hafatra, ny fandraisan’ireo mpitsabo mora foana ilay hafatra (satria nitombo ny fahatsapana ny loza mety hoentiny), ary ny fitakiana ny hiheverana an’ireo zavatra azo asolo azy”. — Transfusion Medecine Reviews, Oktobra 1989.

Mariho fa misy fomba fitsaboana mahasolo ny fampidiran-dra! Nanjary mora takatra izany, rehefa jerena ny antony anaovana fampidiran-dra.

Mitatitra ny ôksizenina ilaina mba hahasalama tsara sy hahavelona ny hemôglôbinina ao amin’ny liomena. Noho izany, raha very ra betsaka ny olona iray, araka ny fanjohian-kevitra, dia toa mety ny hanoloana izany. Tokony hanana hemôglôbinina sahabo ho 14 na 15 grama isaky ny ra 100 mililitatra (1dl) ny olona iray. (Fomba hafa iray famarana ny harihiny ny hematôkrita, izay matetika eo amin’ny 45 isan-jato eo ho eo.) Ny “fitsipika” nekena dia ny hoe ampidirana ra ny marary iray alohan’ny handidiana azy, raha toa ny hemôglôbininy ka latsaky ny 10g/dl (na 30 isan-jato amin’ny hematôkrita). Nilaza ny gazetiboky soisa Vox Sanguinis (Martsa 1987) fa “takin’ny 65% amin’ny [anestezista] ny hananan’ny marary hemôglôbinina 10g/dl alohan’ny fandidiana azo isafidianana”.

Kanefa, tamin’ny kaonferansa iray momba ny fampidiran-dra natao tamin’ny 1988, ny Profesora Howard L. Zauder dia nanontany hoe: “Taiza moa no nahazoantsika an’io ‘isa majika’ io?” Nambarany mazava fa: “Ny fiandohan’ny fitakiana milaza fa tokony hanana hemôglôbinina (Hgb) 10 grama ny marary alohan’ny fanoranana ny marary iray, dia miafina ao anatin’ny lovantsofina sy rakotry ny haizina, ary tsy nahazoana porofo mivaingana tamin’ny fandinihana mivantana (observation clinique) na ny tamin’ny fanandramana”. Eritrereto ange, marary an’arivony maro no nampidirana ra noho ny fitakiana ‘maizimaizina sy tsy voaporofo’ akory!

Hanontany tena angamba ny olona sasany hoe: ‘Nahoana ny harihitry ny hemôglôbinina ara-dalàna ao amin’ny ra no 14, raha toa ka afaka mahazo izay ilaina ny tena amin’ny latsaka kokoa noho izany?’ Satria, amin’izany fomba izany, dia be dia be ny tahiry amin’ny fahafahana mitatitra ôksizenina ao amin’ny tena, ka mahatonga ho vonona hampiasa tena na hanao asa mafy. Asehon’ny fandinihana natao tamin’ireo marary tsy ampy ra aza fa “sarotra ny hahitana fihenan’ny fahazoany miasa amin’ny harihitry ny hemôglôbinina ambany dia ambany toy ny 7g/dl. Nahitana porofon’ny fihenana antonontonony teo amin’ny fiasany fotsiny ny fandinihana hafa”. — Contemporary Transfusion Practice, 1987.

Raha mahazaka fatrana hemôglôbinina ambany ny olon-dehibe, ahoana kosa ny amin’ny ankizy? Hoy ny Dr. James A. Stockman: “Afa-tsy amin’ny fisehoan-javatra maningana vitsy monja, dia nahitana fihenan’ny hemôglôbinina tamin’ny volana voalohany ka hatramin’ny volana fahatelo, teo amin’ireo zaza teraka tsy tonga volana (...) Tsy voafaritra tsara ny ilàna fampidiran-dra ao amin’ny faritry ny toeram-pitsaboana zaza. Raha ny marina, dia zazakely maro no toa mahazaka amin’ny fomba miavaka ny harihitry ny hemôglôbinina ambany, kanefa tsy nahitana zava-nanahirana niharihary tamin’ny fandinihana mivantana natao”. — Pediatric Clinics of North America, Febroary 1986.

Tsy midika akory ny fanazavana toy izany fa tsy misy na inona na inona tokony hatao rehefa misy fahaverezan-dra betsaka noho ny voina iray, na mandritra ny fandidiana. Midina ny tosi-dran’ny olona iray, ary mety tsy hahatsiaro tena izy (état de choc) raha toa ka mandeha haingana sady betsaka ny fahaverezan-dra. Ny zavatra ilaina voalohany indrindra dia ny hampitsaharana ny ra mandeha sy ny hamerenana amin’ny laoniny ny hadiry (volume) ao amin’ny rafi-pikorianan-drany. Hatao izany mba hiarovana amin’ny tsy fahatsiarovan-tena sy mba hitazonana ny fikorianan’ny liomena sy ireo taharo (composants) hafa tavela.

Azo tanterahina tsy misy fampiasana ra na ranon-dra (plasma) * ny fanoloana ny hadiry. Misy ranoka samihafa tsy misy ra mampitombo amin’ny fomba mandaitra ny hadirin-dra. Ny tsotra indrindra dia ny “solution saline”, izay sady tsy lafo no mifanaraka amin’ny rantsika. Misy koa ranoka manana toetra manokana, toy ny dextran, ny Hémacel, ary ny “solution de Ringer lactate”. Ny Hetastarch (HES) dia mpampitombo hadiry fantatra vao haingana kokoa, ary “azo ampiasaina amin’ny fomba azo antoka amin’ireo marary [may] izay mandà zavatra avy amin’ny ra”. (Journal of Burn Care & Rehabilitation, Janoary/Febroary 1989) Misy tombontsoa voafaritra tsara ny ranoka toy ireny. “Ny ranoka krystaloïda [toy ny solution saline tsotra sy ny solution de Ringer lactate], ny dextran sy ny HES, raha ampitahaina amin’ny hafa, dia tsy misy poizina sady tsy lafo, azo ampiasaina avy hatrany, azo tahirizina tsy misy fampangatsiahana, tsy mitaky fanaovana fitsapana raha mifanaraka (test de compatibilité) ary tsy atahorana hiteraka aretina mety hifindra amin’ny alalan’ny fampidiran-dra”. — Blood Transfusion Therapy — A Physicians Handbook, 1989.

Kanefa hanontany tena angamba ianao hoe: ‘Nahoana ireo ranoka solon-dra no mandaitra, nefa aho mila liomena mba hitatitra ôksizenina manerana ny tenako?’ Araka ny efa voalaza, ianao dia manana tahiry amin’ny fahafahana mitatitra ôksizenina. Manomboka miasa ny rafitra fanonerana voajanahary mahatalanjona raha toa ianao ka very ra. Manosika ra betsaka kokoa isaky ny mitepo ny fonao. Koa satria nosoloana amin’ny ranoka mifanentana ny ra very, dia mikoriana mora kokoa izao ny ra voatampoka, na dia ao amin’ireo lalan-dra madinika aza. Ôksizenina bebe kokoa no lasa any amin’ireo tambatsela vokatry ny fiovana simika. Mandaitra aoka izany ireny fahaizan’ny vatana mifanaraka amin’ny zava-mitranga ireny, ka na dia antsasaky ny liomenanao monja aza no tavela, ny fitaterana ôksizenina dia mety ho 75% eo ho eo amin’ny ara-dalàna. Ny marary iray eo am-pandriana dia tsy mampiasa afa-tsy ny 25 isan-jato monja amin’ny ôksizenina ao amin’ny rany. Ary mampihena ny fitadiavan’ny vatana ôksizenina ny ankamaroan’ireo fanafody fampiasa amin’ny fanoranana.

FANAMPIANA INONA NO AZON’NY DOKOTERA OMENA?

Ny mpitsabo mahay dia afaka manao zavatra ho an’ny olona very ra, izay manana liomena vitsy kely noho izany. Azon’ny dokotera omena ôksizenina marihitra be izy rehefa voaverina amin’ny laoniny ny hadirin-dra. Izany dia mahatonga ny ankamaroan’izy io ho azon’ny vatana ampiasaina ary nahazoana vokany niavaka matetika. Nampiasa izany ny dokotera britanika tamin’ny vehivavy iray izay very ra betsaka ka “nidina hatramin’ny 1,8g/dl ny hemôglôbininy. Voatsabo tamim-pahombiazana izy (. ..) [tamin’ny] fifohana ôksizenina marihitra be sy tamin’ny fandraisana ranoka zêlatinina [Hémacel] be dia be”. (Anaesthesia, Janoary 1987) Nilaza koa ilay tatitra fa ireo olona hafa very ra betsaka dia notsaboina tamim-pahombiazana tamin’ny alalan’ny “oxygénothérapie hyperbare” (fampiasana ny ôksizenina amin’ny fitsaboana, amin’ny fampifohana ôksizenina tsy mitampoka na haro gaza ampoka ôksizenina ny marary ao anaty efitra kely).

Afaka manampy ireo marariny hanamboatra liomena koa ny mpitsabo. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny fanomezana azy ireny fanafody amboarina ahitana vy (ampidirina ao amin’ny nofo na ao amin’ny mpamerindra), izay manampy ny vatana hanamboatra liomena avo telo na efatra heny haingana kokoa noho ny ara-dalàna. Tsy ela izay, dia nisy fomba fanampiana hafa nanjary azo ampiasaina. Ny voa dia mamokatra hôrmônina iray antsoina hoe “érythropoïétine” (EPO), izay manaitra ny tsokan’ny taolana mba hanamboatra liomena. Ankehitriny, dia azo ampiasaina ny EPO noforonin’olombelona (azo tamin’ny fanakambanana indray). Azon’ny dokotera omena an’ireo marary sasany tsy ampy ra izy io, ka amin’izany dia manampy azy amin’ny fiforonan’ny liomena haingana dia haingana.

Na dia mandritra ny fandidiana aza, ny mpandidy sy ny anestezista mahay ary manao tsara ny asany dia afaka manao zavatra, amin’ny fampiasana tetika ary fomba mitsitsy ra. Tsy tafahoatra mihitsy ny fanantitranterana ny amin’ireo teknika fandidiana voatandrina fatratra, toy ny “électrocautérisation” natao hampihena ny fahaverezan-dra. Indraindray, ny ra mikoriana avy amin’ny faritra didiana dia azo sintonina sy tantavanina ary averina indray ao amin’ny fitaovam-pikorianan-dra. *

Mety hahita soa avy amin’ny fanampohana ny ra mikoriana ireo marary tsaboina amin’ny fitaovana fo sy havokavoka namboarin’olombelona ampandehanina amin’ny ranoka tsy misy ra, satria vitsy kely kokoa ny liomenany very.

Ary misy fomba hafa mbola manampy koa. Ny fampangatsiahana ny marary mba hampihena ny ôksizenina ilainy mandritra ny fandidiana; ao koa ny fanoranana amin’ny fampidinana ny tosi-dra (anesthésie hypotensive); ny fitsaboana amin’ny fanatsarana ny fivainganan’ny ra; ny fanomezana Desmopressine (DDAVP) mba hanafohezana ny fotoana fandehanan’ny ra; ny fampiasana “antsy fandidiana” mandeha amin’ny laser. Ho hitanao fa hitombo ny lisitra, arakaraka ny hitadiavan’ireo mpitsabo sy ireo marary miahy ny amin’ny fahasalamany, hanilika ny fampidiran-dra. Manantena izahay fa tsy ho very ra be dia be mihitsy ianao. Nefa raha toa ka mitranga izany, dia tena azo inoana fa hisy dokotera havanana ho afaka hitsabo anao, tsy misy fampiasana fampidiran-dra, izay ahitana loza maro tokoa.

FANDIDIANA, ENY — KANEFA TSY MISY FAMPIASANA FAMPIDIRAN-DRA

Olona maro amin’izao andro izao no tsy manaiky handray ra. Noho ny antony ara-pahasalamana, dia angatahiny izay tadiavin’ny Vavolombelona voalohany indrindra, noho ny antony ara-pivavahana: fikarakarana ara-pitsaboana tsara mampiasa ny fomba fitsaboana rehetra amin’ny solon-dra. Araka ny efa nomarihintsika, dia mbola azo atao na dia ny fandidiana lehibe aza. Raha toa ka mbola misalasala ianao, dia mety hampisava izany ny porofo hafa sasany avy amin’ny lahatsoratra momba ny fitsaboana.

Ny lahatsoratra hoe “Solontonon-taolana efatra lehibe natao tamina Vavolombelon’i Jehovah” (Orthopaedic Review, Aogositra 1986) dia niresaka ny amin’ny marary iray tsy ampy ra izay “nanana fahasimbana efa lasa lavitra teo amin’ny lohalika sy ny maoja”. Nampiasaina taloha sy taorian’ny fandidiana natao miantoana ny dextran nasiana vy, ka nahomby. Ny British Journal of Anaesthesia (1982) dia niresaka ny amin’ny vehivavy Vavolombelona iray 52 taona, izay nanana harihitry ny hemôglôbinina nidina ambanin’ny 10. Tamin’ny fampiasana fanoranana nampidina tosi-dra mba hampihenana ny fahaverezan-dra, dia azo natao taminy ny solomaoja sy soroka manontolo. Nampiasa an’io tetik’asa io koa ireo mpandidy miara-miasa ao amin’ny oniversiten’i Arkansas (Etazonia) rehefa nametraka solomaoja eo amin’ny zato tamina Vavolombelona, ka sitrana avokoa ireo marary. Nanambara ny profesora mitantana an’ilay sampan-draharaha hoe: “Ampiharinay amin’ireo marary rehetra izay anaovana solomaoja manontolo ankehitriny izay nianaranay tamin’ireny marary ireny (Vavolombelona)”.

Mamela azy ireny hanaiky famindrana taova ny fieritreretan’ny Vavolombelona sasany, raha toa izany ka tanterahina tsy misy fampiasana ra. Ny filazana iray momba ny fanaovana famindrana voa 13, dia nanao izao fanatsoahan-kevitra izao: “Manipy hevitra ny vokatra ankapobeny, fa azo natao tamin’ny fomba azo antoka sy mandaitra tamin’ny ankamaroan’ireo Vavolombelon’i Jehovah, ny famindrana voa”. (Transplantation, Jona 1988) Tahaka izany koa, tsy vato nisakana mihitsy tamin’ny fanaovana famindrana fo nahomby, ny fandavana ra.

Mety hanontany tena ianao hoe: ‘Ahoana kosa ny amin’ny karazana fandidiana hafa tsy ampiasana ra? Medical Hotline (Aprily/May 1983) dia niresaka ny amin’ny “Vavolombelon’i Jehovah izay nanaovana fandidiana lehibe teo amin’ny taovam-pananahana sy ny fiterahana [tao amin’ny oniversiten’ny fanjakan’i Wayne, Etazonia], nefa tsy nampiasana ra”. Nitantara io filazam-baovao io fa: “Tsy nisy fahafatesana na fihomboan’aretina mihoatra noho izay hita tamin’ireo vehivavy nanaovana fandidiana mitovy amin’izany nampiasana fampidiran-dra”. Avy eo dia nanome ny heviny ilay filazam-baovao: “Ny vokatr’io fandinihana io dia mety hanamarina ny fananana fomba fijery vaovao amin’ny fampiasana ra ho an’ny vehivavy rehetra hanaovana fandidiana mifandray amin’ny fiterahana sy ny taovam-pananahana”.

Marary 30 nanda fampidiran-dra no nanaovana fandidiana ankapobeny tao amin’ny foibe ara-pitsaboan’ny oniversiten’i Göttingen (Alemaina). “Tsy nisy fihomboan’aretina nitranga, izay tsy ho nitranga koa tamin’ireo marary nanaiky fampidiran-dra (. . .) Tsy tokony hampatahotra loatra izany tsy fahafahana mampiasa fampidiran-dra izany, ka hanakana noho izany ny fanaovana fandidiana izay sady ilaina no voamarina ara-pandidiana”. — Risiko in der Chirurgie, 1987.

Na dia ny fandidiana atao amin’ny atidoha aza, dia notanterahina tsy nisy fampiasana ra, tamin’olon-dehibe sy ankizy maro, ohatra, tany amin’ny New York University Medical Center. Tamin’ny 1989, ny Dr. Joseph Ransohoff, lehiben’ny sampana fandidiana ny rafi-pitatitra (neurologie) dia nanoratra toy izao: “Miharihary fa tamin’ny ankamaroan’ny toe-javatra, ny tsy fampiasana zavatra misy ra, dia azo natao tsy nisy loza firy nahina tamin’ny marary nanana finoana ara-pivavahana manohitra ny fampiasana ireny zavatra ireny, indrindra raha atao haingana dia haingana ny fandidiana ary ao anatin’ny fe-potoana fandidiana fohy. Tsara homarihina ny hoe matetika dia hadinoko fa Vavolombelona ilay marary mandra-pivoakany, rehefa misaotra ahy izy, noho ny nanajako ny finoany ara-pivavahana”.

Farany, moa ve azo atao ny fandidiana sarotra amin’ny fo sy ny lalan-dra, tsy misy fampiasana ra, amin’olon-dehibe sy ankizy? Ny Dr. Denton A. Cooley dia mpisava lalana tamin’ny fanaovana izany. Araka ny azonao jerena ao amin’ny lahatsoratra ara-pitsaboana navoaka ao amin’ny fanampiny any amin’ny faran’ity bokikely ity (pejy faha-27 ka hatramin’ny 29), miorina amin’ny fanadihadiana natao vao haingana, ny fanatsoahan-kevitra nataon’ny Dr. Cooley dia hoe: “Ny mety hitrangan’ny loza amin’ny fandidiana atao amin’ny antokon’ny marary Vavolombelon’i Jehovah, dia tsy avo kokoa noho ny amin’ireo marary hafa”. Ankehitriny, izao no nosoratany taorian’ny nanaovany 1 106 tamin’ireny fandidiana ireny: “Tamin’ny toe-javatra tsirairay, ny fanekeko na ny fifanarahana nataoko tamin’ilay marary dia nohazoniko”, izany hoe, tsy misy fampiasana ra mihitsy.

Nomarihin’ireo mpandidy fa ny toe-tsaina tsara ananany dia foto-javatra hafa iray mampiavaka ny Vavolombelon’i Jehovah. “Mendrika hotahafina ny toe-tsain’ireny marary ireny”, hoy ny nosoratan’ny Dr. Cooley tamin’ny Oktobra 1989. “Tsy mba tahaka ny ankamaroan’ny marary izy ireo, fa tsy matahotra ny fihomboan’aretina na ny fahafatesana mihitsy aza. Manana finoana lalina sy maharitra an’ireo zavatra inoany sy ny Andriamaniny izy”.

Tsy midika akory izany fa mitaky ny zo ho faty izy ireo. Mikaroka amim-paharisihana fitsaboana tsara izy satria te ho salama. Mino mafy anefa izy ireo fa fahendrena ny fanarahana ny lalàn’Andriamanitra momba ny ra, ka misy heriny tsara eo amin’ny fandidiana tsy misy fampiasana ra izany fomba fijery izany.

Nanao izao fanamarihana izao ny profesora V. Sclosser ao amin’ny foibe fandidiana ao amin’ny oniversiten’i Fribourg (Alemaina): “Amin’io antokona marary io, ny mety hisehoan’ny fandehanan’ny ra mandritra ny fe-potoana manodidina ny fandidiana dia tsy betsaka kokoa; vitsy kokoa ny fihomboan’aretina, raha nisy aza. Misy vokany tsara eo amin’ny fizotran’ny fandidiana ny fomba fijery manokana ny aretina mampiavaka ny Vavolombelon’i Jehovah”. — Herz Kreislauf, Aogositra 1987.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 12 Tsy manaiky fampidirana ra manontolo, liomena, liofotsy, “plaquettes” (tenan-javatra mitsiratsiraka mampivongana ny ra, levona ao anatin’ny ranon-dra), na ranon-dra ny Vavolombelona. Raha ny amin’ireo taharo kitika, toy ny “immunoglobuline”, dia jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Septambra 1990, pejy faha-30, 31.

^ feh. 17 Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Jona 1989, pejy faha-30, 31 dia mandinika ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly mahakasika ireo fomba fitsitsiana ra sy ny fitaovam-pikorianan-dra ivelan’ny vatana.

[Efajoro, pejy 13]

“Tsy maintsy manatsoaka hevitra isika, fa amin’izao fotoana izao dia misy marary maro nandray taharon-dra izay tsy mahita soa avy amin’ny fampidiran-dra (tsy nilaina ny ra), ary anefa mbola mety hahita loza misy heviny amin’ny vokany tsy irina ihany. Tsy hisy mpitsabo hinia hanolotra ny marary ho amin’ny fitsaboana tsy manampy azy akory, fa mety hanimba kosa aza, izany anefa no tena mitranga rehefa atao ny fampidiran-dra tsy ilaina”. — “Transfusion-Transmitted Viral Diseases”, 1987.

[Efajoro, pejy 14]

“Araka ny filazan’ny mpanoratra sasany, dia azo ekena ny harihitry ny hemôglôbinina ambany dia ambany 2 ka hatramin’ny 2,5 g/dl (...). Ny olona iray salama dia mahazaka fahaverezan’ny 50 isan-jato amin’ny habetsahan’ny liomenany ary saika tsy mampiseho soritraretina akory raha toa ny fahaverezan-dra ka mitranga ao anatin’ny fe-potoana miitatra”. — “Techniques of Blood Transfusion”, 1982.

[Efajoro, pejy 15]

“Ny fiheverana tranainy momba ny fitaterana ôksizenina mankany amin’ireo tambatsela, ny fahasitranan’ny fery ary ny ‘ lanjany ara-tsakafo’ nomena ny ra dia nilaozana. Noporofoin’ny fanandramana azo tamin’ireo marary Vavolombelon’i Jehovah, fa zaka tsara ny tsy fahampian-dra betsaka”. — “The Annals of Thoracic Surgery”, Martsa 1989.

[Efajoro, pejy 16]

Ny ankizy kely koa ve? “Fomba fandidiana fo mivelatra valo amby efapolo no natao tamin’ankizy tamin’ny alalan’ny teknika tsy mampiasa ra ary tsy nisy fijerena ny hasarotry ny fandidiana”. Nilanja 4,5 kg monja ireo ankizy kely ireo. “Noho ny fahombiazana tsy niova hita tamin’ireo Vavolombelon’i Jehovah ary satria mety hampihombo mafy ny aretina ny fampidiran-dra, dia manao ny fandidiana fo amin’ankizy tsy misy fampidiran-dra izahay ankehitriny”. — “Circulation”, Septambra 1984.

[Sary, pejy 15]

Nanampy be dia be an’ireo marary nanaovana fandidiana fo, izay tsy nanaiky fampidiran-dra ny fitaovana fo sy havokavoka namboarin’olombelona