Hijery ny anatiny

Nahazo An’izay Nilainy ny Marenina any Québec

Nahazo An’izay Nilainy ny Marenina any Québec

Tenin’ny tanana antsoina hoe Langue des Signes Québécoise (LSQ) a no tena fampiasan’ny marenina any amin’ny tanàna miteny frantsay, any amin’ny faritra atsinanan’i Kanada. Vitsy kely ny video efa navoaka tamin’ny tenin’ny tanana LSQ, satria 6 000 fotsiny ny isan’ny marenina any. Te hanampy azy ireo hahazo an’izay lazain’ny Baiboly àry ny Vavolombelon’i Jehovah, ka miezaka mamoaka video betsaka kokoa amin’ny tenin’ny tanana LSQ. Tsara be ilay izy sady maimaim-poana.

Nahoana tokoa ny Vavolombelon’i Jehovah no miezaka be mamoaka video amin’ny tenin’ny tanana LSQ? Jereo ange ny tantaran’i Marcel e! Teraka tamin’ny 1941 izy, tany Québec, any Kanada. Vao roa taona izy dia tratran’ilay aretina atao hoe menenzita, dia lasa marenina. Hoy izy: “Niditra nianatra tany amin’ny sekoly ho an’ny marenina aho tamin’izaho sivy taona. Tany no nahaizako LSQ. Nisy boky azo nianarana tenin’ny tanana tsotsotra ihany tany, fa tsy mba nisy video tamin’ny tenin’ny tanana.”

Nahoana no tena ilaina ny video amin’ny tenin’ny tanana? Hoy i Marcel: ‘Tianay raha mba fiteny azonay tsara no iresahana aminay, satria sahirana be izahay raha vao tsy azonay ilay izy. Dia raha tsy misy video amin’ny tenin’ny tanana LSQ, dia tsy maintsy mamaky boky izahay. Ny boky anefa natao ho an’ny olona mandre, dia be dia be no tsy azonay ao amin’ilay izy.’

Tamin’ny 2005 ny Vavolombelon’i Jehovah no nanomboka namoaka video ho an’ny marenina mampiasa LSQ. Efa misy birao anaovana an’izany any Montréal, Québec, ary nitarina izy io vao haingana. Fito izao ny olona miasa manontolo andro ao, ary 12 mahery kosa no miasa tapa-potoana. Mizara ho ekipa telo izy ireo, ary mampiasa studio roa tena arifomba mba hamoahana video ho an’ny marenina.

Tena tian’ny marenina mampiasa LSQ ny video avoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Hoy i Stéphan Jacques, filoha lefitry ny fikambanan’ny marenina any Estrie b: “Tsara be ny video ataon-dry zareo. Mazava be ny fihetsika ataon’ilay olona ao anaty video sady hainy tsara ny manetsika ny tarehiny, ka tafavoaka tsara ny hevitra tiany holazaina. Mihaja be koa ny akanjony.”

Mampiasa an’ilay gazety hoe Ny Tilikambo Fiambenana ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany, rehefa mivory isan-kerinandro. Efa misy amin’ny tenin’ny tanana LSQ izao io gazety io, ary Vavolombelon’i Jehovah 220 no mampiasa azy any Québec. c Afaka mahazo azy io koa izay olona tonga mivory any amin-dry zareo. Efa misy fiangonana dimy sy antoko-mpitory roa amin’ny tenin’ny tanana LSQ mantsy izao any. Tsy izay ihany fa mamoaka video vaovao amin’ny tenin’ny tanana LSQ foana ny Vavolombelon’i Jehovah, ao amin’ny Internet. Isan-karazany ilay izy. Misy hira mampahery be, ohatra, ao.

Faly be i Marcel hoe mihabetsaka ny video amin’ny tenin’ny tanana LSQ. Ny video avoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah no tena tiany. Hoy izy: “Mahafinaritra be mihitsy ny mijery jw.org, fa be dia be ny video amin’ny tenin’ny tanana LSQ ao. Faly be aho fa amin’ny fiteniko daholo ilay izy!”

a Hafa mihitsy ny LSQ fa tsy hoe avy amin’ny Tenin’ny Tanana Amerikanina, na dia misy itovizany kely aza izy ireo, ary na dia be mpampiasa aza ny Tenin’ny Tanana Amerikanina.

b Fikambanana manampy ny marenina any Québec.

c Lasa nisy tamin’ny tenin’ny tanana LSQ ny gazety Tilikambo Fiambenana fianarana, nanomboka tamin’ny Janoary 2017.