Hijery ny anatiny

Manova An’ireo Voafonja ny Baiboly

Manova An’ireo Voafonja ny Baiboly

Mitsidika fonja 68 ny Vavolombelon’i Jehovah any Espaina ary voafonja 600 no ampianarin’izy ireo Baiboly.

Anisan’ireo Vavolombelona mitsidika ny fonja i Miguel. Efa nigadra 12 taona izy, tamin’izy mbola tsy Vavolombelona. Miverina any isan-kerinandro izy izao. Fa maninona? Mba hanampy an’ireo voafonja hafa hanova ny fiainany toy ny natao taminy koa.

Voafonja maro no efa nampianarin’i Miguel Baiboly, tato anatin’ny valo taona. Hoy izy: “Mahafinaritra ahy ny manampy olona ao amin’ny fonja nigadrako. Tena faly aho rehefa mahita an-dry zareo tsy te hanao heloka bevava intsony.”

Vao efa-taona i Miguel dia efa maty ny dadany satria nodonin’ny aotomobilina nentin’olona mamo. Tsy maintsy niasa mafy àry ny mamany mba hamelomana azy mianakavy kely.

Nanomboka nanapatapaka fianarana i Miguel sy ny zokiny lahy ary lasa namaky trano sy nangalatra tao anaty fiaran’olona. Lasa jiolahy kely i Miguel tamin’izy 12 taona. Nivarotra zava-mahadomelina izy tamin’izy 15 taona, ka nahazo vola be. Vao mainka izy nangalatra satria nidoroka zava-mahadomelina lafo vidy. Nigadra imbetsaka i Miguel nanomboka tamin’izy 16 taona, ary vetivety dia lasa jiolahy raindahiny. Hoy izy: “Tena nieritreritra aho hoe raha tsy maty tany am-ponja dia matin’ny rongony. Hoatran’ireny lalitra voafandrika tao anaty tranon-kala ireny aho.”

Mbola tany am-ponja i Miguel tamin’ny 1994, ary nasain’ny namany handefa taratasy ho azy ny Vavolombelona iray. Tao no nahalalan’i Miguel hoe mikasa hamerina ny tany ho paradisa Andriamanitra. Nilaza koa ilay Vavolombelona fa raha miova izy dia hahita ny fahatanterahan’izany. Hoy i Miguel: “Tena nanohina ny foko ilay zavatra novakiko. Niova ny fahitako ny fiainana nanomboka teo, ka nianatra Baiboly aho na dia fantatro aza fa tsy ho mora izany.”

Tsy mora tamin’i Miguel tokoa izany satria efa nandevozin’ny zava-mahadomelina izy, ary nomen’ny mpiara-migadra taminy an’izany isan’andro. Nivavaka foana izy mba ho afaka amin’ilay izy ary vitany ihany izany.

Nanomboka nitantara ny zavatra inoany tamin’ny voafonja hafa i Miguel, telo volana taorian’izay. Nafahana izy ny taona nanaraka, ary natao batisa ka lasa Vavolombelon’i Jehovah. Nikasa ny hanambady koa izy saingy voaheloka higadra folo taona indray, iray volana talohan’ny mariaziny. Mbola nisy raharaha be dia be tsy voalamina momba azy mantsy. Nafahana anefa izy telo taona sy tapany taorian’izay satria tsara fitondran-tena. Vita ihany ny mariaziny ary tsy nanao heloka bevava intsony izy.