16 AOGOSITRA 2023 | VAOVAO FARANY: 20 JANOARY 2025
ROSIA
VAOVAO FARANY—VOAHELOKA IREO ANABAVY | “Iray Isika Rehetra”
Nomelohin’ny Fitsarana eo Anivon’ny Distrikan’i Khabarovski ny Ranabavy Lyubov Kocherova sy Lyubov Ovchinnikova, tamin’ny 20 Janoary 2025. Nahazo sazy mihantona dimy taona sy tapany ry zareo. Mbola tsy migadra aloha ry zareo izao.
Tsy neken’ny fitsarana any Khabarovsk ny didim-pitsarana momba ny Ranabavy Lyubov Kocherova sy Lyubov Ovchinnikova, tamin’ny 5 Desambra 2023. Haverina hotsaraina izy roa vavy vokatr’izany, dia ny Fitsarana eo Anivon’ny Distrikan’i Khabarovski, ao amin’ny Faritanin’i Khabarovsk, no hanao an’izany.
Nomelohin’ny Fitsarana eo Anivon’ny Distrikan’i Khabarovski, ao amin’ny Faritanin’i Khabarovsk, ny Ranabavy Lyubov Kocherova sy Lyubov Ovchinnikova, tamin’ny 1 Aogositra 2023. Samy nahazo sazy mihantona enin-taona avy izy ireo. Tsy voatery migadra aloha izy ireo izao.
Ilay voampanga
Tsy mivadika ireo rahalahintsika na dia miaritra fanenjehana aza. Hitantsika avy amin’ny zava-mitranga amin’izy ireny anefa hoe tia antsika i Jehovah ka “manatanjaka” antsika rehetra.—1 Tantara 29:12.
Zava-nitranga
2019-2020
Noraisin’ny manam-pahefana feo izay resaka nataon’ireo anabavintsika ireo
3 Martsa 2022
Nosavana ny tranon’i Lyubov Kocherova. Nalaina ny telefaoniny sy ny ordinaterany
26 Mey 2022
Nampangaina ho mpanao heloka bevava i Lyubov Kocherova
28 Mey 2022
Natao famotorana i Lyubov Kocherova
7 Novambra 2022
Nampangaina ho mpanao heloka bevava i Lyubov Ovchinnikova. Natambatra ny famotopotorana momba azy roa vavy
21 Janoary 2023
Nosavana indray ny tranon’i Lyubov Kocherova
25 Aprily 2023
Nanomboka ny fitsarana

