Hijery ny anatiny

24 JANOARY 2020
ROSIA

Asain’ny Fitsarana Rosianina Mandoa Onitra ny Rahalahy Markin sy Trofimov. Tsy Migadra Izy Ireo

Asain’ny Fitsarana Rosianina Mandoa Onitra ny Rahalahy Markin sy Trofimov. Tsy Migadra Izy Ireo

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Polyarny any Murmansk, tamin’ny Zoma 24 Janoary 2020, i Roman sy Viktor. Nasainy nandoa onitra 300 000 roubles (18 460 400 ariary eo ho eo) ny Rahalahy Roman, dia ny Rahalahy Viktor indray nasainy nandoa onitra 350 000 roubles (21 538 400 ariary eo ho eo). Malahelo isika hoe nomelohina ireo rahalahintsika ireo. Faly anefa isika fa tsy voatery higadra ry zareo.