Hijery ny anatiny

ETAZONIA

Topy Maso An’i Etazonia

Topy Maso An’i Etazonia

Tany Etazonia no nanomboka ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah. Niara-nianatra Baiboly i Charles Russell sy ny namany, teo anelanelan’ny 1870 sy 1880. Tao anatin’ny taona vitsivitsy dia efa namoaka boky sy gazety izy ireo, nanangana fikambanana iray, izay nantsoina hoe Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania tatỳ aoriana, ary nametraka ny foibeny voalohany tao Allegheny, any Pennsylvanie.

Tsy misy manakantsakana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Etazonia. Nanenjika be azy ireo anefa ny manam-pahefana sasany, taoriana kelin’ny taona 1900, satria naheno tsaho, ary nanenjika azy ireo koa ny mpitondra fivavahana. Teo anelanelan’ny 1930 sy 1950 ny Vavolombelon’i Jehovah no tena voarohirohy tamin’ny raharaha ara-pitsarana maro. Nosamborin’ny polisy izy ireo satria nitory momba ny Baiboly. Noroahin’ny sekoly nanerana an’i Etazonia ny ankizy Vavolombelona satria tsy nety nanangan-tsaina. An’arivony ny tovolahy Vavolombelon’i Jehovah nomelohin’ny fitsarana sy nogadraina satria tsy nety nanao miaramila. Nanome rariny ny Vavolombelon’i Jehovah foana anefa ny Fitsarana Tampony Amerikanina, tamin’ireny raharaha ireny.

Efa in-50 izay ny Vavolombelon’i Jehovah no nandresy tany amin’ny Fitsarana Tampony. Imbetsaka koa izy ireo no nandresy tany amin’ny fitsarana maro manerana an’i Etazonia, rehefa nisy raharaha momba ny zon’ny marary, zo hikarakara zanaka, ady momba ny fananan-tany, fanavakavahana amin’ny resaka asa, ary ny fifindra-monina. Nisy vokany teo amin’ny lalàm-panorenana tany Etazonia ireny fandresena ireny, sady niaro ny fahalalahana ara-pivavahana, ny fahalalahana haneho hevitra sy hampiely vaovao ary hivory. Nisy vokany tsara teo amin’ny fitsarana ambony maneran-tany koa izy ireny.