Hijery ny anatiny

Fifanekena Momba ny Fampiasana Cookies sy Teknolojia Mitovy Aminy

Fifanekena Momba ny Fampiasana Cookies sy Teknolojia Mitovy Aminy

Toy ny amin’ny ankamaroan’ny tranonkala, dia mampiasa cookies, web beacons, na teknolojia mitovitovy aminy ny tranonkalanay. Mety hisy fanazavana vitsivitsy voatahiry àry ao anaty telefaonina, tablette, na ordinatera ampiasainao rehefa mitsidika ny tranonkalanay ianao. Malalaka be ny dikan’ny hoe “cookies” ato amin’ity Fifanekena ity ary tafiditra amin’izany koa ny teknolojia mitovy aminy, ohatra hoe ny localStorage. Ilain’ity tranonkala ity mba hampandeha azy ny cookies. Manampy anay hahafantatra an’izay ataon’ny olona ao amin’ny tranonkalanay koa izy ireny mba hahafahanay manatsara azy. Tsy hoe mitady hahafantatra ny olona tsirairay mitsidika ny tranonkalanay anefa izahay. Afaka mifidy ny hanome ny mombamomba azy kosa ilay olona rehefa mameno fangatahana na zavatra hafa ato amin’ity tranonkala ity.

Cookies. Isan-karazany ny cookies ary samihafa ny fomba fiasany. Manatsara ny fampiasanao tranonkala izy ireny. Mampiasa cookies, ohatra, izahay mba hamantaranay raha efa nitsidika an’ity tranonkala ity ianao na mba hahalalanay izay safidy ataonao rehefa mampiasa azy ity ianao. Tehirizinay ao amin’ny cookies koa ny fiteny nofidinao ka iny fiteny iny no mipoitra rehefa hanokatra an’ilay tranonkala indray ianao. Tsy mampiasa cookies mba hanaovana dokam-barotra izahay.

Azo sokajina telo ny karazana cookies ampiasainay ato amin’ity tranonkala ity:

  1. Cookies tena ilaina: Tena ilaina izy ireo mba hahafahanao manao zavatra sasany ato amin’ity tranonkala ity, ohatra hoe miditra ao amin’ny kaontinao na misy zavatra mila fenoina. Tsy ho afaka ny hanao fanomezana, ohatra, ianao raha tsy misy an’ireo cookies ireo. Ny sasany amin’ireo cookies ireo koa no ahafahanay mamaly ny fangatahana ataonao ato amin’ity tranonkala ity. Tsy hanaovanay dokam-barotra na hitadidianay izay nojerenao tao amin’ny Internet ny fanazavana momba anao angonin’ireo cookies ireo.

  2. Cookies miasa amin’izay ilana azy: Ampiasaina ireo cookies ireo mba hahafahan’ity tranonkala ity hitadidy izay nofidinao (ohatra hoe ny solon’anaranao, ny fiteny nofidinao, na ny faritra misy anao), ary mba ho mora kokoa aminao ny mampiasa an’ity tranonkala ity.

  3. Cookies mijery antontan’isa: Ireo cookies ireo no manampy anay hahafantatra ny fomba ampiasan’ny olona an’ity tranonkala ity, ohatra hoe impiry ilay tranonkala no nisy nitsidika na adiny firy eo ho eo ny olona no mitsidika azy. Rehefa fantatray izany, dia ampiasainay mba hanatsarana ny fomba fiasan’ity tranonkala ity, fa tsy ampiasainay amin-javatra hafa.

Ny tranonkalanay ihany no mametraka mivantana ny cookies sasany ao amin’ny fitaovanao. Ny cookies hafa kosa apetraky ny tranonkala hafa. Ireo cookies apetrakay ihany anefa no ampiasainay, afa-tsy ny cookies mifandray amin’ny Google reCAPTCHA. Mampiasa ny Google reCAPTCHA izahay mba hanavahana hoe olona sa ordinatera no miditra ao amin’ilay tranonkala, amin’izay voasakana tsy hiditra ho azy ny spam. Jereo ny fifanekena momba ny tsiambaratelon’ny Google ao amin’ny https://www.google.com/intl/en/policies/privacy/.

Web beacons. Mety hisy rakitra elektronika kely atao hoe web beacons ny pejy ato amin’ny tranonkalanay. Izy ireny no mitadidy ny zavatra ataonao, ohatra hoe rehefa mitsidika pejy iray ianao. Ampiasainay ny web beacons mba hahafantaranay hoe ahoana no ampiasan’olona an’ity tranonkala ity, sy ny fomba fiasan’izy ity.

Adiresy IP. Kaody amantarana ny ordinateranao ao amin’ny Internet no atao hoe adiresy IP. Ny adiresy IP-nao sy ny programa fijerenao Internet no hamantaranay hoe inona avy ny fanaonao rehefa ato amin’ity tranonkala ity, sy hoe inona avy ny olana hitanao tato, ary ahoana no azonay anatsarana an’ilay tranonkala mba hanomezana fahafaham-po anao. Ilay adiresy IP ihany anefa no fantatra fa tsy ny olona mampiasa azy, raha tsy hoe manome ny mombamomba azy ilay olona.

Ny safidinao. Rehefa mitsidika an’ity tranonkala ity ianao, dia lasa any amin’ilay programa ijerenao Internet ny cookies-nay ary tehirizin’ilay ordinateranao. Manaiky hampiasa cookies sy teknolojia mitovy aminy ianao matoa mampiasa ny tranonkalanay. Raha tianao hofafana izy ireny, dia azonao amboarina ny firafitr’ilay programa ijerenao Internet. Tadidio anefa fa tsy tena handeha tsara ny zavatra sasany ao amin’ilay tranonkala rehefa tsy misy cookies. Miova arakaraka ny programa ampiasainao ny fomba hamafana cookies. Jereo ny Fanampiana ao amin’ilay programa mba hahitana ny fanaovana an’izany.

Mifidiana tranonkala iray eto ambany mba hahitana santionany amin’ny fampiasanay cookies:

Jereo koa ny Fiasan’ny Cookies sy ny Teknolojia Mitovy Aminy any Amin’ny Tranonkalanay Samihafa.