Mifampiresaka Tsara ve Ianareo Mivady?
Mifampiresaka Tsara ve Ianareo Mivady?
“TARATASIM-PITIAVAN’NY Olona 60 Taona.” Nampanao fifaninanana mitondra io loha hevitra io ny banky iray tany Japon, taona vitsivitsy lasa izay. Nasaina nanoratra “ny vetsovetsom-pony” tamin’ny vadiny ireo mpandray anjara, izay teo anelanelan’ny 50 sy 70 taona. Izao no nosoratan’ny lehilahy iray ho an’ny vadiny: “Mety hihomehy ianao, nefa tsy maintsy holazaiko ilay izy, sao dia hanenina aho. Izao no tiako hambara ho ren-tany ren-danitra: Misaotra anao nanaiky ho vadiko.”
Tsy ampirisihina loatra haneho ny fihetseham-pony ny olona any amin’ny firenena maro, anisan’izany ny any Azia. Nihoatra ny 15 000 anefa no nandray anjara tamin’ilay fifaninanana fanoratana taratasim-pitiavana. Tena be mpitia ilay izy, ka mbola nisy hafa indray natao tatỳ aoriana. Nisy boky navoaka mihitsy aza momba ireo taratasy ireo. Hita amin’izany fa maro no maniry mafy hamboraka ny ao am-pony amin’ny vady malalany. Misy kosa anefa tsy te hanao izany. Nahoana? Angamba sarotra aminy ny maneho ny heviny. Mila miezaka sy mahay mampita hevitra mantsy ny olona iray, mba hahazoan’ny vadiny na ny olon-kafa ny fihetseham-pony.
Niresaka momba ireo mpivady efa antitra any Japon i Hitoshi Kato, izay nanoratra boky momba ny fisotroan-dronono. Nomarihiny fa amin’ny ankabeazan’ireo antitra misara-panambadiana, dia ny vehivavy no tena mangataka hisaraka, ary ny lonilony efa naharitra aman-taonany no mahatonga izany. Nambaran’Atoa Kato koa “anefa fa antony hafa mampisaraka ny mpivady ny tsy fifampiresahana rehefa misy olana.”
Mety ho gaga ireo lehilahy, satria rehefa hisotro ronono indray izy vao mangataka hisaraka aminy ny vadiny. Mety ho tsy nifamboraka izay tena tao am-pony mantsy izy ireo
nandritra ny taona maro. Niezaka ihany angamba izy mivady, saingy tsy nahay nifampiresaka tsara. Tsy lasa nifankatia kokoa izy ireo, vokatr’izany, fa vao mainka nifanditra lava.Ahoana àry no ahafahan’ny mpivady mandamina amim-pahalemem-panahy ny tsy fifanarahany, sy hilaza ny fihetseham-pony amin’ny fomba mahafinaritra? Tsy ho hitanao ao amin’ireo boky nivoaka vao haingana ny torohevitra tsara indrindra momba ny fanambadiana. Boky tranainy kosa no mirakitra izany, ary nankasitrahan’ny olona efa hatramin’ny taonjato maro izy io. Tsy inona izany fa ny Baiboly.