Ny Yurumí Mahagaga

Ny Yurumí Mahagaga

Ny Yurumí Mahagaga

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY ARZANTINA

MIEZAKA mafy hanohitra ny mpanafika azy ireo mponina, ao amin’ny fonenan’izy ireo ao ambanin’ny tany. Mba mihazakazaka mamonjy ilay faritra misy loza ny miaramila mirongo fiadiana, na dia tsy hahavita inona aza. Mirodana tampoka ny ampahany amin’ny manda fiarovana, ka mponina maro no tototr’ireo potipoti-javatra. Miditra amin’izay ilay mpanafika, ao anatin’ny hazavana mahajambena.

Fanafihana tanàna iray tamin’ny andron’ny Romanina ve izany? Sa filma misy adiady? Tsy izany velively! Izany no mitranga amin’ny bibikely rehefa manafika ny yurumí. Ho an’ilay yurumí mpihinam-bitsika kosa, dia mba niampy iray fotsiny ny tranom-bitsika noravany tamin’io andro io.

Rehefa mifanena amin’ny yurumí

Misy karazany maro ny mpihinam-bitsika, fa ilay karazany lehibe indrindra no hodinihintsika. Antsoina hoe bera mpihinam-bitsika izy io amin’ny fiteny sasany, angamba noho ny fandehany mavesatra be, sy noho izy mitsangana amin’ny tongony roa rehefa miaro tena. Gejainy mafy amin’ny sandriny matanjaka koa ny fahavalony, toy ny ataon’ny bera.

Antsoina hoe yurumí io mpihinam-bitsika io any amin’ny faritra avaratratsinanan’i Arzantina sy ny firenena manodidina. Izany dia teny guarani midika hoe “kely vava.” Mety tsara ilay anarana satria tena kely ny vavany rehefa misokatra, na dia lavabe aza ny valanoranony. Io vavany lava matsokotsoko io no manaitra voalohany rehefa mijery azy. Lava sy voloina be koa ny rambon’ny yurumí, ary atsangany izy io indraindray. Matevina ny volony, ary voloina be ny rambony, ka ohatra ny hoe mavesatra be izy. Manaitra fotsiny ny endriky ny yurumí, fa mitovy habe amin’ny alika berger alemà ihany ny vatany. Mety hilanja hatramin’ny 25 kilao ny yurumí lehibe iray, ary mahatratra 1,8 metatra mahery ny halavany avy eo amin’ny vavany ka hatreo amin’ny rambony.

Miaina irery ny yurumí, ary matetika no mirenireny any amin’ny lobolobo be honahona any Amerika Atsimo. Ala tropikaly matevina sy zavamaniry mandrobona angamba no tonga ao an-tsainao rehefa mieritreritra an’io faritra io. Misy tany maina midadasika be koa anefa any, izay ahitana palmie sy kirihitra misy tsilo. Tian’ny vitsikazo ny tany any amin’io faritra io satria feno poti-javamaniry. Eo no anorenan’izy ireo ny tranobeny, vita amin’ny tany sy rora, ary tena mafy izany fanorenana izany. Mety hahatratra hatramin’ny 1,8 metatra ireny tranony ireny.

Eo amin’ireo bibikely maro be ireo no ahitantsika ny yurumí, izay mpihinana azy ireo. Nomena ilay anarana siantifika hoe Myrmecophaga tridactyla àry izy, noho ny sakafo fihinany (mpihinana vitsika), ary koa satria misy hoho mifaingoka ny telo amin’ireo rantsany efatra aloha. Izao no lazain’ny boky iray: “Sady hizahany sakafo no hiarovany tena ny hohony: Rehefa misy mandrahona azy, dia ampiasain’ilay mpihinam-bitsika toy ny antsy kely maranitra izy ireo. Mitsangana amin’ny tongony aoriana izy, sady mailaka aoka izany mampiasa ireo hohony, ka mety haratra mafy ny fahavalony, ary mandositra na dia ny jagoara aza.”

Ahoana ny fomba fihinan’ny yurumí?

Tsy misy nify ny yurumí. Tsy manelingelina azy anefa izany, satria misy fomba tena miavaka ahazoany ny sakafony. Voalohany aloha, dia mahay manimbolo be izy, ary avo 40 heny noho ny an’ny olombelona izany, ka mora aminy ny mahita toerana misy sakafo. Ampiasainy avy eo ny tanany, izay misy hoho mirefy folo santimetatra eo ho eo, mba handavahana tany, hitadiavany bibikely na olitra na atody. Rehefa vita izany, dia atsofony ao amin’ny tranon’ireo bibikely ny lelany lava mahia, mirefy 45 santimetatra.

Betsaka sady madity ny roran’ny yurumí, ka mando lava toy ny misy dity ny lelany. Miraikitra amin’ny lelany ny vitsika, ka sintoniny hankany am-bavany. Tsy ampy anefa ny mitelina fotsiny an’ireny biby ireny. Ilaina koa ny mandevon-kanina. Mahaliana fa matanjaka be ny hozatra ao amin’ny vavonin’ny yurumí, ka manapotipotika ireo bibikely.

Hanao ahoana ny hoavin’ny yurumí?

Vitsy foana ny yurumís hatramin’izay, na dia ahitana azy aza any amin’ny faritra midadasika any Amerika Afovoany sy Atsimo. Tsy biby maro anaka angamba izy ireo. Iray monja ny zanaky ny yurumí, ary bevohoka mandritra ny 190 andro izy. Baben’ilay reniny foana ny zanany vao teraka mandra-pahatongany ho herintaona. Hoy ny mpandinika zavaboary iray eto Arzantina, momba izany: ‘Hitako ny yurumí vavy iray nitondra ny zanany vao teraka andro vitsivitsy. Tena kely ilay biby eo andamosin’ny reniny, ka zara raha hita. Gaga aho fa voafina tanteraka ilay yurumí kely eo amin’ny toerana manokana misy azy. Mifanindry mantsy ny tsipika mainty amin’ny lamosiny sy ilay eo amin’ny lamosin’ny reniny. Izany no tsy ahitan’ny vorona mpiremby azy.’

Tena manana anjara asa lehibe eo amin’ny tontolo iainana misy azy ny yurumí. Mihinana vitsika an’alina ny yurumí iray isan’andro. Mety ho nitombo be loatra ve ny vitsika raha tsy teo ny yurumí mpihinana azy ireo? Na marina izany na tsia, dia miova io fifandanjan’ny hamaroan’ny biby io ankehitriny. Nahoana?

Mampalahelo fa mihamaty tsikelikely ny yurumí noho ny ataon’ny olombelona. Misy mihaza azy ireny mba ho fialam-boly, ny sasany mamono azy satria heveriny ho fambara loza izy ireny. Ny hafa kosa misambotra azy ireny mba hamidy amin’ny olona mpanangona karazam-biby tsy fahita firy, ka any anaty tranom-biby, na any amin’ny tranombakoka, no iafaran’izy ireny. Ho lasa anisan’ireo karazam-biby lany tamingana koa ve ny yurumí? Tsy mbola fantatra izany. Efa misy ezaka atao izao, mba hiarovana io karazam-biby sarobidy io.

[Sary, pejy 15]

Mitady vitsika, izay sakafo tiany indrindra

[Sary, pejy 15]

“Yurumí” kely baben’ny reniny

[Sary, pejy 14, 15]

Mahagaga ny lelan’ny “yurumí”, mirefy 45 santimetatra

[Sary nahazoan-dalana]

Kenneth W. Fink/Bruce Coleman Inc.