Topy Maso Eran-tany
Topy Maso Eran-tany
“Vatomamy” ho An’ny Vorona
‘Mampiasa fomba mbola tsy fantatra hatramin’izay ny zavamaniry brezilianina iray [Combretum lanceolatum] mba hamindrana haingana ny vovoboniny’, hoy ny gazety alemà GEO. Tsy ampisotroiny mamimbony izay tonga eo aminy fa omeny “vatomamy.” Manamboatra zavatra mamy boribory malemilemy ny vonin’io hazo madinika io amin’ny alina. Mihamafy ireo zavatra ireo avy eo ary mahatratra enina milimetatra eo ho eo ny savaivony. Gliokaozy sy friktaozy no mahatonga azy ho mamy. Lazain’ny mpikaroka fa mitovitovy tsiro amin’ny vatomamy malemilemy izy io. Hazavain’ilay gazety hoe “efa vonona eo ambonin’ilay voninkazo, toy ny ao anaty vilia, ireo vatomamy manjelanjelatra sady tantera-pahazavana ireo, raha vao misokatra izy, amin’ny maraina.” Mahasarika “karazam-borona 28 avy amin’ny fianakaviana valo samihafa”, fara fahakeliny, izy ireo. Mihabetsaka haingana ireo zavamaniry ireo, satria misy vovobony manaraka ny vorona rehefa mitety azy ireo izy mba hitady sakafo.
Sambatra ny Ankizy Italianina
“Ny ankizy italianina no sambatra indrindra atỳ Eoropa”, hoy ny La Repubblica, gazety mpiseho isan’andro any Roma, momba ny fanadihadiana nataon’ny Foibe Italianina Momba ny Fikarohana sy Fandinihana ny Fahazazana sy ny Fahatanorana. Hitan’ny mpikaroka fa ny 96 isan-jaton’ny ankizy italianina no miara-mipetraka amin’ny ray sy reniny. Tsy mba toy izany ny firenena eoropeanina hafa, satria betsaka kokoa ny mpivady mifampisintaka sy misaraka any amin’izy ireny. Ny antsasany mahery amin’ny ankizy italianina koa no miara-mipetraka na mipetraka manodidina ny raibeny sy renibeny. Raibe sy renibe “8 ao anatin’ny 10”, noho izany, no mahita ny zafikeliny “mihoatra ny indray mandeha isan-kerinandro.” Manampy ny ankizy “hahatsiaro hoe tsy atao tsirambina” izany, ary mahatonga azy tsy ho irery loatra. Hoy ilay psikology atao hoe Alessandra Graziottin: “Mitovy amin’ny olon-dehibe ihany ny ankizy: Fahatsapana hoe tiana no mahasambatra azy fa tsy harena na akanjo lamaody.”
Fahafinaretana eny Ambony Fiaramanidina
Ireto misy soso-kevitra omen’ny gazetin’i Mexico El Universal, mba hahatonga ny fandehanana fiaramanidina hahafinaritra kokoa: 1) Mety ho maina be ny rivotra ao anaty fiaramanidina, ka misotroa rano na ranom-boankazo betsaka. 2) Mety hampangidihidy ny maso ny rivotra maina, ka tena solomaso anaovana, fa aza manao an’ireny karazana fiarovana atsofoka ao anaty maso ireny. 3) Manaova fanazaran-tena tsotra eo ambony seza mba hanalefaka ny hozatrao sy hampikoriana tsara ny ra ao amin’ny tongotrao. 4) Mandehana tsindraindray eny amin’ny lalantsara. 5) Manaova kiraro mora esorina, ary asio zavatra ipetrahany ny tongotrao, kitapo, ohatra. 6) Manaova akanjo tsy sentetika mba tsy ho mora hiforiporitra sady mba hahafahan’ny hoditrao hiaina tsara. 7) Fero ny toaka sotroinao na aza misotro mihitsy, satria mahery kokoa ny alkaola eny amin’ny toerana avo. 8) Aza atodika any amin’ny tendanao na ny lamosinao ny fitaovana fampangatsiahana rivotra. 9) Ataovy izay hatoriana, ka mampiasà tampi-maso, raha azo atao. 10) Mitsakoa zavatra rehefa hiainga na hidina ny fiaramanidina, satria mety harenindrenina ny sofina. Azo omena zavatra hononoiny ny zazakely.
Ampihantaina ny Ankizy any Alemaina
Miova izao ny fomba fitaizan’ny ray aman-dreny, satria “fomba vaovao ny mamela [ny ankizy] hanao izay tiany hatao”, hoy i Udo Beckmann, mpitari-draharaha ao amina fikambanan’ny mpampianatra any Alemaina. Niresaka izy, araka ny gazety Südwest Presse, hoe mihabetsaka hatrany ny ankizy tena ampihantaina ka tsy mety miezaka intsony any am-pianarana. “Nolazainy fa fahita ny ray aman-dreny mihevitra hoe ‘mandreraka be loatra’ ny zanany ny entimody, ary ‘tsy rariny’ raha asaina mianatra izy ireo mba ho afa-panadinana.” Nilaza koa ilay gazety hoe tsy hanampy ny zanany “hahay handray andraikitra eo amin’ny fiainana” ny ray aman-dreny raha mamela azy ireo foana hanao izay tiany hatao mba tsy hisian’ny ady. Lasa “olon-dehibe tia tena” ny ankizy ampihantaina, hoy i Beckmann. Te hahazo ny zava-drehetra izy ireo nefa tsy te hiasa mba hahazoana izany.
Nahoana ny Vorona no Manao Endrika V Rehefa Miara-manidina?
“Manao endrika V” ny vorona, toy ny gisa sy ny pelikana, hoy ny manam-pahaizana, “rehefa miara-mifindra lavitra, satria afaka manohitra kokoa ny rivotra sady mitsitsy hery izy ireo amin’izany”, araka ny gazety The Daily Telegraph any Londres, rehefa niresaka momba ny tatitra avy ao amin’ny gazety Nature izy. Nanao fanandramana tamin’ny pelikana valo niara-nanidina nanao endrika V ny mpahay siansa avy amin’ny Foibe Momba ny Fikarohana Ara-tsiansa any Villiers en Bois, Frantsa. Nisainy ny fitepon’ny fon’izy ireo ka nampitahainy tamin’ny “isan’ny kopak’elatra sy ny fomba fanidiny.” Hitan’izy ireo fa mihena ny isan’ny fitepon’ny fon’ireo vorona miara-manidina ireo, sady mahalana kokoa vao mikopaka elatra izy ireo, raha ampitahaina amin’ny vorona manidina irery, na dia mitovy ihany aza ny hafainganam-pandehany. “Manainga ny elatry ny vorona miara-manidina aminy ny rivotra ateraky ny kopak’elatry ny vorona tsirairay”, hoy ny Nature. Manampy ny pelikana fotsy lehibe hitsitsy hatramin’ny 20 isan-jaton’ny hery mety ho laniny hanidinana samirery izany.
Famakiana Baiboly any Frantsa
Nolazain’ny gazety katolika La Croix fa ny 42 isan-jaton’ny frantsay nadinadinina no manana Baiboly, nefa ny 2 isan-jato monja no nilaza fa mamaky azy io saika isan’andro. Milaza ny 72 isan-jato fa “mbola tsy namaky Baiboly mihitsy.” Ny 54 isan-jato no niteny fa “boky efa nilaozan’ny toetr’andro” ny Baiboly. Manazava ilay gazety hoe “amin’ny fianarana no heverin’ny frantsay fa tena ilana ny Baiboly”, ka natao hakana fanazavana momba “ny niandohan’ny Jodaisma sy ny Kristianisma” izy io. Hoy ny La Croix: “Baiboly 250 000 sy Testamenta Vaovao 30 000 no lafo isan-taona eto Frantsa.”
Sekoly Momba ny Fanandroana Nekena Tamin’ny Fomba Ofisialy
Nilaza ny gazety The New York Times fa “neken’ny fikambanana ara-panjakana iray tamin’ny fomba ofisialy ny sekoly fianarana manoratra tonon’andro sy manolotra torohevitra momba ny hoavy . . ., ary io angamba no voalohany nekena toy izany”, any Etazonia. Nilaza ny tompon’ilay sekoly fa “nety ny filaharan’ny kintana” tamin’ilay volana nanekena an’ilay sekoly tamin’ny fomba ofisialy. Antsoina hoe Sekolin’ny Fanandroana ilay sekoly. Misy “kilasy tarihina manam-pahaizana, ianarana momba ny andriamanibavin’ireo planeta kely” ao amin’izy io, ary misy kilasy “momba ny fomba fanoratana tonon’andro an-gazety.” Maro amin’ireo nahazo diplaoma no “miasa samirery, ary misy kosa ampiasain’ny hopitaly mpitsabo saina sy vatana, na toerana fandroana na sambo fitondra mitsangantsangana.” Nilaza ny Times fa “nekena tamin’ny fomba ofisialy ilay sekoly . . . rehefa avy nanaporofo fa tena mahay ny mpampianatra ao aminy ary afaka mahita asa izay nahavita fianarana.” Nilaza anefa ny filohan’ny Filan-kevitra Momba ny Fanekena ho Ara-dalàna ny Fianarana Ambony fa “tsy hanaporofoana ny maha marina ny fanandroana akory ny nanekena ilay sekoly fa hampisehoana fotsiny hoe nanatanteraka ny fampanantenany tamin’ny mpianany ilay sekoly.”
Fanadiovana ny Tendrombohitra Everest
Tena madio sy tsara tarehy erỳ ny fahitana ny sarin’ny Tendrombohitra Everest, ilay avo indrindra eto an-tany (8 850 metatra). Nilaza anefa ny gazety Down to Earth any New Dehli fa lasa toerana fanariam-pako ny Tendrombohitra Everest. Zavatra tsy ilaina intsony an-taonina no narian’ireo olona an-jato nianika an’i Everest tao anatin’ireo am-polo taona vitsivitsy farany. Anisan’izany ny “tavoahangin’oksizenina, tohatra efa ratsy, hazo, ary boaty plastika.” Lazain’ilay gazety fa “i South Col no toerana filasiana maloto indrindra, satria eo no toerana farany iaingan’ny ankamaroan’ireo te ho eny amin’ny fara tampon’ilay tendrombohitra.” Hoy i Bhumi Lama, tompon’andraikitra ao amin’ny Fikambanan’ny Mpianika Tendrombohitr’i Népal: “Mieritreritra izahay hoe homenay 13,50 dolara isaky ny fako iray kilao voangony ny foko [sherpas].” Hazavain’ilay gazety hoe “matetika no mpitari-dalana sy mpamatsy ny olona mianika an’i Everest [ny Sherpas].”
Tsy Nandaitra Ilay Ody
Nitatitra ny Sampan-draharahan’ny Filazam-baovao Reuters fa “maty ny lehilahy iray tany Ghana satria nasainy nitifitra azy ny mpiray tanàna taminy mba hanandramana ody bala.” Nangataka tamin’ny mpimasy iray ny olona maromaro avy any avaratrandrefan’i Ghana mba hanao ody bala ho azy ireo. Hoy ilay vaovao mahakasika an’ilay lehilahy maty: “Nohosorany zavamaniry nafangarongaro ny vatany isan’andro, nandritra ny tapa-bolana. Nanolo-tena hotifirina [izy] avy eo hijerena raha tena nandaitra ilay ody.” Vao notifirina indray mandeha fotsiny izy, dia maty. Tezitra ny olona ka nisambotra ilay mpimasy ary nikapoka azy mafy, satria tsy nandaitra ny odiny. Mankany amin’ny mpimasy ny mponina any amin’ny farany avaratr’i Ghana, matetika, mba haka fiarovana amin’ny foko fahavalo.