Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Vehivavy Vonoin’ny Vadiny Tsy hitako izay ilazana ny fankasitrahako ilay andian-dahatsoratra hoe “Ampio ny Vehivavy Vonoin’ny Vadiny.” (8 Desambra 2001) Mamono ahy ny vadiko. Nihevitra foana aho hoe tsy misy mahatsapa ny fijaliako sy fahoriako, na dia efa niezaka aza aho nilaza izay nanjo ahy tamin’ny manam-pahefana. Nihevitra koa aho fa tsy hisy hahatsapa ny alahelom-poko izay tsy nahitako fiononana mihitsy. Tena ny fihetseham-poko no resahin’ireo lahatsoratra ireo.

N. L., Italia

Nirotsaka ny ranomasoko raha vao hitako ny fonon’ilay gazety, nosokafako avy tao anaty valopy. Navaloko haingana indray anefa ilay izy, satria nieritreritra aho fa hamisavisa ny fiainako tamin’ny lasa izy io, dia ny lasako izay tiako hatao toy ny tsy nisy. Nivavaka aho mba hanana hery hamakiana azy io indray. Tena faly aho fa afaka nanao izany! Nanampy ahy io andian-dahatsoratra io hahatakatra fa tsy izaho irery no mijaly toy izany. Azoko erỳ ny aiko raha vao namaky fotsiny hoe ‘tena fahotana lehibe eo imason’Andriamanitra ny famonoana vady.’ Misaotra anareo nanoratra lahatsoratra toy ireny, izay sady mampahery be no miresaka ny tena zava-misy eo amin’ny fiainana.

D.M., Etazonia

Mitovy amin’ny manjo an’ireo vehivavy resahin’ireo lahatsoratra mihitsy ny manjo ahy. Mieritreritra aho fa noho ny vadiko misotro toaka sy ny toe-piainana nitaizana azy no nahatonga izany. Manampy hahatakarana ny anton’ireo zava-mitranga izany. Ny nampionona ahy anefa dia ny fahafantarako fa tsy azo hamarinina velively ny herisetra. Tena tiako mihitsy raha mamaky Baiboly ny vadiko mba hahafantarany ny fitiavan’i Jehovah.

S. I., Japon

Nanohina ny foko tokoa iny andian-dahatsoratra iny, satria mamono ahy ny vadiko. Toy ny hoe ny tantarako mihitsy no resahin’i Roxana. Tena mampahery ny mahafantatra fa misy olona mahatsapa izay manjo ny vehivavy vonoin’ny vadiny. Novakiko tao amin’ireo lahatsoratra ireo fa tsy izaho no tokony homen-tsiny noho ny fihetsiky ny vadiko. Nanampy ahy koa ireo lahatsoratra ireo mba hahafantatra fa sarobidy eo imason’Andriamanitra aho, na dia mihevitra aza ny vadiko fa tsy azo itokisana sy tsy ilaina aho. Misaotra anareo mamoaka lahatsoratra tena mahasoa toy ireny. Tsara lavitra noho ny harena izy ireny!

B. L., Philippines

Vitanareo ny nanazava an-tsoratra ny fahoriana sy ny fahakiviana rehetra tsy haiko nohazavaina. Tsapako avy tamin’io andian-dahatsoratra io fa takatr’i Jehovah ny fahorian-tsaiko sy ny alahelom-poko noho izany olana izany. Mba manorata foana lahatsoratra toy ireny, satria ilaina hampahafantarina sy hohazavaina amin’ny olona ny olana toy ireny. Azoko antoka fa betsaka ny olona hahazo fampiononana toa ahy, avy amin’ireo lahatsoratra ireo.

K. E., Aostralia

Mora tezitra be ny raiko, ka mora tezitra amin’ny vadiko aho. Mamono azy aho indraindray. Tsy indraindray, fa matetika mihitsy e! Matanjaka noho izaho izy, satria izy lehilahy ary izaho vehivavy, ka noheveriko hoe tsy tena maharary azy ilay izy. Tsy nampoiziko anefa izay novakiko tao amin’ilay lahatsoratra, hoe tena fahotana lehibe eo imason’Andriamanitra ny famonoana vady. Mpanompon’i Jehovah be fandeferana ny vadiko. Mifona aminy amin’ny foko manontolo aho. Velom-pankasitrahana an’i Jehovah aho noho iny fananarana iny.

T. I., Japon

Nampitomany ahy iny gazety iny. Toy ny hoe ny tantarako mihitsy no novakiko tao. Vao haingana anefa ny vadiko no nametraka fanontaniana momba ny Baiboly. Efa mivory tsindraindray any amin’ny Efitrano Fanjakana izy izao, ary mianatra Baiboly. Afaka miteny toa an’i Lourdes ao amin’ny pejy faha-11 aho, hoe: “Toa manonofy aho indraindray!”

E. R., Etazonia