Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Fonja Misaotra indrindra tamin’ilay lahatsoratra hoe: “Azo Ovana ve ny Voafonja?” (8 May 2001) Nigadra nandritra ny 14 taona aho. Nahita Vavolombelon’i Jehovah aho ary nanomboka nianatra Baiboly. Mbola nianatra ihany aho rehefa nafahana, ary natao batisa fotoana fohy taorian’izay. Azo ovana ny voafonja, raha manaraka ny toro lalana ao amin’ny Baiboly izy. Afaka ny ho velom-pankasitrahana toa ahy koa ireo voafonja, satria miasa mafy sady mahafoy fotoana hanampiana azy ireo ny Vavolombelona.

R. S., Etazonia

Navela hanao fandaharam-pampianarana tena tsara ao amin’ny fonja misy ahy ny Vavolombelon’i Jehovah. Natao batisa ny voafonja iray, ary maro no mianatra Baiboly. Mahafinaritra tokoa ny manompo an’i Jehovah na aiza na aiza misy ny tena!

J.A.M., Etazonia

Sarotra amiko indraindray ny miresaka amin’ny olona momba ny Baiboly eto Japon. Nampahery ahy anefa ireo rahalahy ireo, satria niantehitra tamin’i Jehovah izy ka nampianatra Baiboly ny voafonja. Faly aho satria mampahafantatra anay ny asa mafy ataon’ireo rahalahy ireo ianareo. Andro farany izao, ka tsy maintsy manamafy bebe kokoa ny fifandraisantsika amin’i Jehovah isika tsirairay.

K. D., Japon

Efa valo taona izao no naha tato am-ponja ahy, ary hitako fa tsy tratran’ny fonja ny zava-kendreny. Ny fampianarana Baiboly ataonareo no mahomby. Tena velom-pankasitrahana ny Vavolombelon’i Jehovah aho, amin’ny maha voafonja ahy. Anehoan’izy ireo fitiavana mantsy izahay, na dia nanao fahadisoana aza, nefa miezaka manitsy ny dia mba ho olom-banona.

R. J., Etazonia

Nieritreritra aho hoe iza no mety ho liana tamin’io gazety io, fony aho nahazo azy. Ny alin’iny ihany, dia nisy niantso tamin’ny telefaonina aho, ka nilazana fa nisy nanafika ny reniko ary lasany ny fiarany. Niresaka momba ny asan-jiolahy sy ny fonja izahay mpiara-miasa, ka tsaroako ilay gazety nampirimiko. Tsara izany raha lahatsoratra! Nomeko tamin’io gazety io ny mpiara-miasa tamiko sy ny reniko ny ampitso. Tena mifanaraka tsara amin’ny zava-kendren’ny Mifohaza! ireo lahatsoratra ireo, satria “mandalin-javatra izy, ka manondro ny tena hevitra fonosin’ireo fisehoan-javatra farany.”

R. S., Etazonia

Voafonja toa ahy no niresaka tamiko voalohany momba ny Vavolombelon’i Jehovah. Tena velom-pankasitrahana aho namaky ny zavatra nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Be herim-po izy ireo, sahy miditra any amin’ireny fonja ireny, mba hanampiana olona toa ahy hahita an’i Jehovah, dieny mbola tsy diso aoriana loatra. Mendri-piderana ny Vavolombelona noho ny fitiavana asehony.

M. N., Etazonia

Mahasoa anay mpiasan’ny fonja ireo lahatsoratra ireo, satria asehony fa afaka manova ny fo sy ny sain’ny voafonja ny Baiboly. Hitan’ny voafonja avy amin’ireny lahatsoratra ireny fa ny hanampy azy hanao ny sitrapon’i Jehovah no andraikitsika. Mazava tsara, araka ny ohatra ao amin’ny pejy fahafolo, ny antony tsy hidirantsika amin’ny raharaha ara-pitsaran’ireo voafonja. Tokony hampianatra azy ireo ny Baiboly sy hiezaka hanohina ny fony kosa isika.

A. I., Romania