Ny Fiainako sy ny Zavakanto

Ny Fiainako sy ny Zavakanto

Ny Fiainako sy ny Zavakanto

NOTANTARAIN’I SHIZUKO KAWABATA

“Ny Vavolombelon’i Jehovah, Ilay Vahoaka Mahafinaritra Mitory ny Vaovao Tsara Maneran-tany”, no lohatenin’ny sary iray nataoko, naseho tao amin’ny fampirantiana zavakanto tany Versailles, any Frantsa, tamin’ny 1999.

NIZARA taratasy mivalona 12 tapitrisa ny Vavolombelon’i Jehovah tany Frantsa, herinandro latsaka talohan’io. Niresaka momba ny tsy rariny ataon’ny fanjakana amin’izy ireo ilay taratasy mivalona. Nomena mari-pankasitrahana manokana aho satria nidera ny Vavolombelona ny sary nataoko. Hoy ilay olona nanolotra ilay izy avy eo: “Sahy ianao, ary sahy koa aho. Izany no antony hanomezako anao ny loka manokana.”

Miezaka maneho ny fihetseham-pony ao amin’ny sary ataony ny mpanakanto. Izany no iezahako atao. Ny aingam-panahiko no asehoko amin’ny hoso-doko, ka marevaka erỳ ny sary ataoko, taratry ny fifaliako sy ny fahasambarako. Hitako hatry ny fahakeliko fa tsara ny mampiaraka ny fahaiza-mamoron-javatra sy ny hoso-doko.

Ny nahatonga ahy hanao hoso-doko

Zanak’olona nanankarena aho, teraka tamin’ny 1920, tany Morioka, eto Japon. Nisy nampianatra tao an-trano izaho sy ny zokiko vavy. Dihy japoney, fomba fanamboarana voninkazo, fombafomba fandrosoana dite, fitendrena valiha japoney, piano, nihira, sy ny sisa, izany no nampianarina anay. Halako daholo anefa izany. Nitsoaka aho matetika, ary niafina rehefa tonga ny mpampianatra. Voatery nitady ahy ary nisintona ahy hiverina ny mpanampy.

Henjana ny lesona, ka izay no tsy tiako. Olona tsy fantatro akory no nibaiko ahy ny amin’ny fomba fandihy, fanamboarana voninkazo, sy fandrosoana dite. Tsaroako ho teritery ny fiainako, tsy mba afaka nieritreritra izay tiako, sy nanao zava-kendrena ho ahy manokana. Rehefa nanao hoso-doko anefa aho, dia tsy nisy nanara-maso izay nataoko na nilaza tamiko izay tokony hatao. Izany no fahalalahana notadiaviko.

Afaka namorona aho rehefa nanao hoso-doko, satria tsy nisy nampianatra, ary tsy nisy nanakiana ahy. Nihasahy nanombo-javatra aho. Fony aho 12 taona, dia nanomboka naka ny karavato lasoan’i Dada, ary nanao hoso-doko nivantana teo amin’ireny. Tatỳ aoriana kely, dia nanjaitra akanjo izahay tany am-pianarana. Gaga ny mpampianatra nahita fa nohetezako ny antsasaky ny akanjoko teo anoloana, ka nosoloako lamba fotsy. Samy tsy nisy niteny anefa na izy na i Dada.

Ny faniriako sy ny zava-misy

Mbola tany amin’ny sekoly fanabeazana fototra aho dia efa nilaza fa te ho mpanakanto rehefa lehibe. Tsy niova ny tanjoko, ka naniry hianatra zavakanto tany amin’ny oniversite aho, saingy tsy navelan’ny ray aman-dreniko. Nolazainy fa heverina ho tsy mendrika halaina ho vady ny olona nahazo diplaoma amin’ny zavakanto eto Japon. Nanaraka fianarana momba ny fahaiza-mikarakara tokantrano àry aho.

Tiako ny tononkalo sy boky amin’ny teny vahiny, ary namaky maro tamin’ireny aho. Nolazaina anefa tamin’izany, fa nanimba izy ireny. Nampidi-doza na dia ny fananana azy ireny fotsiny aza. Dimy taona no nianarako teny frantsay tany an-tsekoly, ary frantsay ilay mpampianatra. Niova anefa ny toe-javatra teto Japon, ka na ireo tia fiteny vahiny fotsiny aza dia efa nampiahiahy. Tsy nahazo naneho hevitra mihitsy izahay.

Raha mbola nafotaka ny Ady Lehibe II, tamin’ny taona 1943, dia nifidy ahy ho vadiny ny lehilahy iray, rehefa avy nijery sarina tovovavy 40 azo alaina ho vady. Kevoka erỳ aho nandre izany! Fantatro tatỳ aoriana fa nana-namana iray ny reniny ary nandalondalo teny amin’ny manodidina anay ry zareo, mba hitsikilo ahy. Nandefa fangatahana ahy ho vady ny fianakaviany avy eo, ary nampirisihina aho hanaiky izany. Indray mandeha ihany ilay lehilahy no hitako, talohan’ny mariazinay.

Taorian’izany, dia nandrahona ny ainay isan’andro ny ady ana habakabaka, ary farany dia kilan’ny afo niaraka tamin’ilay tanàna ny tranonay. Nitsoaka tany an-tendrombohitra ny sisa tsy maty, nefa na tany aza, dia mbola renay ihany ny anjombona, ary mbola tazanay ireo fiaramanidina mpiady. Nampihorohoro ilay izy. Nijaly ny olona. Tena nampahory koa ireo folo taona taorian’ny ady.

Ankoatra an’izy telo mirahavavy zanakay, dia niara-nipetraka taminay koa ny rafozam-baviko sy ny enina tamin’ny zaodahiko sy zaobaviko. Nanana mpanampy izahay, nefa tsy maintsy niasa tany an-tsaha ny rehetra, raha tsy izany dia tsy nisakafo. Nalahelo be aho tamin’izany, ary tsy te hihomehy mihitsy. Tsy sahiko anefa ny naneho ny fihetseham-poko, sao hahatonga ny olona hieritreritra zavatra hafa. Hitako niandalana anefa, fa azoko naseho tamin’ny hoso-doko izany.

Nekena ho mpanakanto

Na ny olona manan-talenta amin’ny zavakanto aza, dia mila miezaka mafy vao mahavita zavatra mahafa-po. Nividy boky betsaka momba ny zavakanto aho, ary mpanakanto japoney kalazalahy maro no nampianatra ahy. Tsy nampirisika ahy hanova ilay fomba fiangaliko hatry ny fony kely mihitsy ry zareo.

Nanomboka tsikaritr’ireo mpanao tsikera zavakanto ny asako. Nahafinaritra ahy fotsiny ny nanao hoso-doko, fa tsy hoe ta hampidera azy ireny aho akory. Nieritreritra anefa aho tatỳ aoriana, hoe ahoana no mba fijerin’ny olona ireo sariko. Nanao fampirantiana voalohany àry aho tamin’ny 1955, tao Ginza, Tokyo. “Filofosana Mangina, Teny Anakampo, Ny Diariko”, izany no lohateniny, ary nampiseho an-tsary ny fiainana andavanandro ilay izy. Vita tsara ilay fampirantiana.

Nihaona tamin’ny Vavolombelona

Nifindra tany Tokyo izahay mianakavy, tamin’ny 1958, satria nirinay mivady ny hampiditra ireo zanakay tao amin’ny sekoly tsara, mba hahazoany ny fanabeazana tsara indrindra nisy. Nifantoka tamin’ny hoso-doko ny fiainako. Nanjary zatra nandany adiny dimy isan’andro aho nanaovana hoso-doko. Niara-nandany ny alina tamin’ny mpanakanto namako aho, ary niaraka tamin’ny namany koa ny vadiko. Tsy hainay mihitsy ny nanabe ny zanakay.

Tsy nipetraka an-trano firy ny vadiko noho ny asany, ka nanjary izaho no nisahana ny fikarakarana ny ankizy. Tsy ninoako hoe ho vitako ny hanabe azy ireo. Nianatra tany amin’ny sekoly katolika aho fony kely, ka nanontany tena aho sao mba hanampy ireo zanako ny fianarana any amin’ny sekoly toy izany. Nisy fiangonana loteranina teo ampitan’ny tranonay, tany Omori, any Tokyo, ary nilazako ny zanako fa ao izahay no hiangona. Tsy nankao mihitsy anefa izahay.

Nisy Vavolombelon’i Jehovah nitsidika anay anefa ny ampitson’iny, tamin’ny 1959. Novoriko haingana ny zanako, ary nipetraka nihaino izahay. Nohazavainy avy tao amin’ny Baiboly, fa tena antomotra ny hanafoanan’Andriamanitra ny faharatsiana etỳ an-tany. Nanafatra Baiboly efatra sy boky ara-baiboly aho, ary nanaiky ny hahatongavany hampianatra anay isan-kerinandro. Nanontaniako azy ny saram-pianarana isam-bolana. Gaga aho hoe, hay, tsy karamaina ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa mampianatra. Izany ka hafa tanteraka noho izay mpampianatra rehetra fantatro hatramin’izay!

Nanaiky mora foana ny fahamarinana ara-baiboly ireo zanako vavy, ary lasa nisy antokon’olona nianatra tsy tapaka isan-kerinandro aza tao an-tranonay. Nanjary tsy nahazo aina anefa aho, rehefa nandeha kelikely ny fianarana. Nanorisory ahy ny nianatra, ka te hiafina aho, na te hitsoaka indraindray, rehefa tonga ny fotoana hianarako.

Izao ny olana tamiko: Fantatro fa marina daholo izay voalazan’ny Baiboly, ary tokony hanao zavatra mifanaraka amin’ny tari-dalana omeny aho. Tapa-kevitra ho lasa mpanakanto matihanina koa anefa aho tamin’izay, ka noheveriko fa tsy mety raha misy zavatra manelingelina ny saiko, mba hahafahako hamoron-javatra. Niharatsy ny hoso-doko nataoko vokatr’izany fisafotofotoana izany. Tsy nisy mpitia ny sariko tany amin’ireo fampirantiana.

Ny diako tany Paris

Noheveriko fa hanatsara ny talentako ny fandehanako tany Paris. Nankany àry aho, tamin’ny 1960. Nisy fampirantiana lehibe nampahafantarana ny zavakanto japoney mantsy tany tamin’izay. Izaho irery no vehivavy mpanakanto japoney, nanatrika tao. Nahafinaritra ahy ny fahasamihafan’ny fomba fiaina, ny fitafy, ny fisainana, ny loko, ny zava-drehetra tany Paris mihitsy e! Naharitra efatra andro ilay fampirantiana, ary gaga aho nahita manam-pahefana frantsay nanatrika tao. Gaga koa aho nahita ireo vehivavy variana tamin’ny akanjo lava japoney nanaovako. Tapa-kevitra ny hijanona naharitraritra aho.

Tsy haiko ny naka vola nalefa avy atỳ Japon, ka nanomboka namidiko ny akanjoko mba hahazoako vola. Izany no nahafahako nianatra tany amin’ny trano fampirantiana zavakanto, nandritra ny telo volana. Tsaroako matetika ny tenin’ny mpanakanto iray, nanana sary nihantona teo akaikin’ny ahy, tany amin’ilay fampirantiana. Hoy izy: “Ny famirapiratry ny masoandro no ataoko hoso-doko. Mazava ho azy fa maizina sy mainty ny anao, satria manan-kery aminao ireo manam-pahaizana tatsinanana.”

Nitsidika ahy ny mpivady iray avy tao amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Paris. Nanaiky hiaraka tamin’izy ireo hamonjy fivoriana kristianina aho tamin’ny farany, taorian’ny fitsidihana maromaro. Nahazendana ahy izay hitako tany. Nisy vehivavy iray, nisatroka be sofina mena tsara tarehy. Ny iray hafa niakanjo maitso mangirana. Hita tamin’ny fiakanjony fa nahay nihaingo sy nifidy ny tsara ry zareo. Niova tanteraka ny fijeriko ny Vavolombelona nanomboka teo.

Nampiaiky ahy koa ny fandaharana. Hitako fa mitovy daholo ny fomba fanaovany zavatra sy ny fampianarany maneran-tany. Takatro fa hafa mihitsy io antokon’olona io sy ny zavatra ataony. Tohina lalina ny foko, ary tsapako fa vahoaka notarihin’Andriamanitra no niarahako.

Nanapa-kevitra

Niverina teto Japon aho taorian’izay, ary nanomboka tena nianatra ny Baiboly. Hitako fa hahazoana fahalalahana be kokoa, tsy araka ny noeritreretiko, ny toro lalan’ny Mpamorona. Tamim-pitiavana no nanomezany antsika tsirairay, toetra sy talenta manokana ary fahafahana hampitombo azy ireny. Nanjary takatro fa raha lasa Vavolombelon’i Jehovah ny olona iray, dia tsy midika akory izany hoe tsy maintsy avelany tanteraka ny fitiavany zavakanto.

Nandroso tsara ny fianarako ny Baiboly, niaraka tamin’ireo zanako vavy. Nanamarika ny fanoloran-tenany ho an’i Jehovah tamin’ny batisa anaty rano ny zanako vavy iray, tamin’ny 1961, ary tamin’ny 1962 ny iray. Mbola mpanompon’Andriamanitra mahatoky foana izy mirahavavy hatramin’izao. Izaho anefa mbola nisalasala teo. Tamin’ny 1965, dia nampirisika ahy toy izao i Lloyd Barry, mpiandraikitra ny asa fitorian’ny Vavolombelon i Jehovah teto Japon tamin’izay: “Eritrereto fotsiny hoe, hanao ahoana ny hakanton’ny hoso-doko hataon’ny olona lavorary ao amin’ny Paradisa!” Natao batisa aho ny taona nanaraka.

Vokany teo amin’ny sary nataoko

Rehefa mitodika ny lasa aho, dia hitako fa niova ny fiainako sy ny toetrako, ary nanova ny fanaovako hoso-doko izany. Matroka sy maloka ny sary nataoko taloha, nahitana taratra fa nijaly, ory, ary namoy fo aho. Nianarako tao amin’ny Baiboly anefa avy eo ny maha izy ny Mpamorona antsika, ireo toetrany mahatalanjona, ny fahasambarana midera azy, ary ny tena fitsipika tokony harahina. Niova ny toe-poko, ka niova koa ireo sary nataoko.

Mandany fotoana be dia be hizarana amin’ny olona ny hafatra ao amin’ny Baiboly aho izao. Manao izany tsy tapaka aho. Faly be aho, sady afa-po miresaka ny toetran’Andriamanitra, sy ny fikasany mahatalanjona hanova ny tany ho paradisa, rehefa hanapaka i Jesosy Kristy Zanany. Mankahery ahy io asa io, ka voatosika aho hanao hoso-doko mba hanehoana ny fihetseham-poko. Manjary mamiratra kokoa ny sary ataoko satria mbola mitombo hatrany ny fahasambarako efa hatramin’ny taona maro.

Ny hoso-doko ataoko sy ny Baiboly

Maharay fangatahana avy amin’ny tany maro aho, mba hampiranty ny hoso-doko ataoko. Nisy avy any Sydney, Vienne, Londres, ary New York. Ny Eoropeanina anefa no tena tia ny sariko. Nanontany toy izao ny manam-pahaizana avy ao amin’ny Akademian’i Louvre Momba ny Zavakanto, any Paris: “Inona loatra re ny herin’ny Baiboly sy ny Kristianisma tamin’ny Japoney iray, ka mahatonga ny hoso-dokony haneho fifaliana tsy nisy mihitsy teo amin’ny zavakanto ara-pivavahana hatramin’izay?”

Nilaza ny fihetseham-pony tamin’ny alalan’ny mozika i Davida, mpanao salamo ao amin’ny Baiboly. Nampiasainy io fahaizany io mba hampianarana momba ny zava-mahatalanjon’Andriamanitra. Izany koa no tanjoko. Te hidera an’i Jehovah aho. Iriko mafy ho tsapan’ny olona, avy amin’ireo sariko, ny fifaliana azo noho ny fahalalana an’i Jehovah sy ny toetrany mahatalanjona. Hoy ny mpanao tsikera zavakanto iray, momba ireo lohatenin-tsariko: “Hain’ilay mpanakanto ny tsy nilaza mihitsy ny heviny manokana, fa ny Baiboly no avelany hiteny.” Faly aho fa tsapan’ny olona ny herin’ny Baiboly ao amin’ireo sariko.

Tamin’ny 1995, dia nanome ahy ny mari-pankasitrahana laharana voalohany, amin’ireo mpanakanto sangany indrindra eran-tany, ny Filan-kevitra Iraisam-pirenena Momba ny Zavakanto. Any Tokyo ny foiben’izy io, ary nitatitra toy izao momba ny hoso-doko nataoko izy: “Maka teny avy ao amin’ny Baiboly ilay mpanakanto mba ho lohateny ... Mampiseho an-tsary ny Baiboly ny sary rehetra ataony. Tena izany anefa ny fiainan’ny mpanakanto iray miara-mandeha amin’Andriamanitra.”

Nanao io fanamarihana io ry zareo, satria mampiseho Baiboly misokatra mihitsy matetika ny hoso-doko ataoko. Tato ho ato dia nasiako pejy sasany ao amin’ny Baiboly mihitsy amin’ireo sary ataoko. Amin’izay, ny mason’ny mpijery dia voasarik’ilay lohateny notsongaina, sy ireo tenin’ny Baiboly ary ny fomba hampisehoako azy ao amin’ireo hoso-doko.

Naseho tany Bangkok, any Tailandy, ny sasany tamin’ireo sariko, tamin’ny 1999. Izao no lohatenin’ny iray: “Tena Mahatalanjona ny Nanaovan’i Jehovah Andriamanitra ny Tany, ka Nanomezany Izany ho Fonenan’ny Olona”, ary ny iray kosa hoe: “Vavaka Nataon’i Davida Mpanjaka: ‘Jehovah ô, Aoka Hiray Fo Aminao Ity Vahoaka Ity.’ ” Nasaina tany an-dapan’ny mpanjakan’i Tailandy izaho sy ny mpanakanto vitsivitsy hafa. Te hiara-midinika tamiko momba ny sariko ilay mpanjaka, ary nametrahany fanontaniana maro aho. Afaka niresaka naharitra izahay, ka nohazavaiko taminy koa ny finoako miorina amin’ny Baiboly, ary nomeko sary iray izy avy eo.

Anisan’ny komity mpitsara ny asan’ireo mpanakanto hafa koa aho, nandritra ireo 35 taona lasa. Ny sary milaza fihetseham-po no tiako. Tsara ny sary amiko rehefa mahatonga ahy ho faly sy sambatra. Tena tiako ireo sary ao amin’ny boky sy gazetin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny hampiseho ny hafatra ao amin’ny Baiboly no kendrena amin’izy ireny, ary tratra izany.

Fitahiana teo amin’ny fanompoana

Ny fanaovako hoso-doko dia nanome ahy fahafahana hafakely, mba hitory momba an’i Jehovah Andriamanitra sy ny fikasany lehibe ho an’ny tany. Afaka nanao izany aho rehefa nadinadinina tamin’ireo lahatsoratra an-gazety sy tamin’ny fandaharana ao amin’ny televiziona. Na aiza na aiza mantsy alehako, ary na iza na iza iresahako, dia lazaiko fa ny finoana, sy ny fifaliana ary ny fahasambarana avy amin’ny fanompoana an’i Jehovah Andriamanitra no nahavitako ireny sary ireny.

Fantatro fa tsy ho vitako izao hoso-doko ataoko izao raha niala tamin’ny finoako an’i Jehovah aho. Vavolombelon’i Jehovah aho, ary faly sy sambatra aho noho ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Izany no hahaizako manao hoso-doko.

[Sary, pejy 21]

Fony aho tany Paris

[Sary, pejy 22]

Izaho sy ny zanako mirahavavy amin’izao andro izao