Tena Be Herim-po i Mosesy sy Arona
Tena be herim-po i Mosesy sy Arona rehefa niresaka tamin’i Farao. I Farao mantsy no manam-pahefana ambony indrindra teto an-tany tamin’izany. Nahoana izy mirahalahy no nahavita niresaka taminy? Hoy ny Baiboly momba an’i Mosesy: “Finoana, fa tsy tahotra ny fahatezeran’ny mpanjaka, no nandaozany an’i Ejipta, satria tsy azo nohozongozonina mihitsy izy, toy ny mahita an’Ilay tsy hita.” (He 11:27) Tena nino an’i Jehovah i Mosesy sy Arona sady niantehitra taminy.
Mila herim-po isika rehefa miresaka ny finoantsika amin’ny olona manana fahefana. Rahoviana izany no mety hitranga?