Daniela 2:1-49

2  Tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Nebokadnezara, dia nanonofy+ izy ka nitebiteby,+ ary tsy nahita tory.  Koa nampanantsoin’ny mpanjaka ny mpisorona+ mampiasa herin’ny maizina sy ny mpila hevitra amin’ny maty sy ny mpilalao ody ary ny Kaldeanina, mba hilaza aminy ilay nofiny.+ Dia tonga izy ireo, ka nijoro teo anatrehan’ny mpanjaka.  Ary hoy ny mpanjaka tamin’izy ireo: “Nanonofy aho, ka mitebiteby te hahalala an’ilay nofy.”  Dia niteny tamin’ny mpanjaka tamin’ny teny aramianina+ ny Kaldeanina, hoe: “Ho ela velona anie ianao, ry mpanjaka ô!+ Ambarao amin’ny mpanomponao ilay nofy, dia holazainay ny heviny.”+  Ary hoy ny mpanjaka tamin’ny Kaldeanina: “Izao no didy avoakako: Hotapahina hatao tsy hisy rantsambatana intsony+ ianareo ary hatao kabinem-bahoaka ny tranonareo,+ raha tsy ampahafantarinareo ahy ilay nofy sy ny heviny.  Fa raha lazainareo kosa ilay nofy sy ny heviny, dia hahazo fanomezana sy valisoa ary voninahitra lehibe avy amiko ianareo.+ Koa lazao amiko ilay nofy sy ny heviny.”  Dia hoy indray izy ireo: “Aoka hambaran’ny mpanjaka amin’ny mpanompony ilay nofy, dia holazainay ny heviny.”  Ary hoy ny mpanjaka: “Hitako mihitsy izao fa mitady hangataka andro fotsiny ianareo, satria fantatrareo fa efa namoaka didy aho.  Koa izany didim-pitsarana+ tsy azo ivalozana izany no hampiharina aminareo, raha tsy ampahafantarinareo ahy ilay nofy. Fa lainga sy zavatra tsy marina no efa nifanarahanareo holazaina eto anatrehako,+ mandra-piovan’ny toe-javatra. Koa lazao amiko ilay nofy, dia ho fantatro raha mahay milaza ny heviny ianareo.” 10  Ary hoy ny Kaldeanina teo anatrehan’ny mpanjaka: “Tsy misy olona eto ambonin’ny tany mahalaza ilay nofin’ny mpanjaka, fa mbola tsy nisy mpanjaka lehibe na governora nitaky zavatra toy izany tamin’ny mpisorona mampiasa herin’ny maizina, na tamin’ny mpila hevitra amin’ny maty, na tamin’ny Kaldeanina. 11  Sarotra izany zavatra takin’ny mpanjaka izany, ary tsy misy mahalaza izany amin’ny mpanjaka, afa-tsy ireo andriamanitra+ izay tsy miara-monina amin’ny olombelona.”+ 12  Dia romotry ny hatezerana ny mpanjaka,+ ka nandidy ny handringanana ny olon-kendry rehetran’i Babylona.+ 13  Koa navoaka ny didy, ary nadiva hovonoina ireo olon-kendry. Dia notadiavina i Daniela sy ireo namany mba hovonoina. 14  Tamin’izay, dia niresaka tamin’i Arioka i Daniela, ka naneho fahamalinana sy fahendrena.+ Lehiben’ny mpiaro ny mpanjaka io Arioka io, izay efa nivoaka mba hamono ny olon-kendrin’i Babylona. 15  Ary hoy i Daniela tamin’i Arioka, tandapa mpiaro ny mpanjaka: “Inona no mahatonga ny mpanjaka hamoaka didy henjana be toy izany?” Dia nolazain’i Arioka tamin’i Daniela ny zava-nitranga.+ 16  Koa nankao amin’ny mpanjaka i Daniela ka nangataka taminy mba hanome azy fotoana fanampiny, dia holazainy amin’ny mpanjaka ny hevitry ny nofy.+ 17  Dia nody tany an-tranony i Daniela, ary nolazainy tamin’i Hanania sy Misaela ary Azaria namany ny zava-nitranga, 18  mba hangatahan’izy ireo famindram-po+ amin’ilay Andriamanitry ny lanitra+ momba izany zava-miafina izany.+ Amin’izay dia tsy ho voaringana miaraka amin’ny sisa amin’ny olon-kendrin’i Babylona i Daniela sy ny namany.+ 19  Ary naharihary tamin’i Daniela ilay zava-miafina, rehefa nahazo fahitana izy tamin’ny alina.+ Koa nisaotra+ an’ilay Andriamanitry ny lanitra izy, 20  nanao hoe: “Hisaorana+ mandrakizay mandrakizay anie ny anaran’Andriamanitra, satria azy ny fahendrena sy ny hery!+ 21  Manova fotoana sy vanim-potoana izy,+ manaisotra mpanjaka sy mametraka mpanjaka,+ manome fahendrena ho an’ny hendry, ary manome fahalalana ho an’ny manana fahaiza-manavaka.+ 22  Mampiharihary zava-dalina sy zava-miafina izy,+ mahalala an’izay ao anaty haizina,+ ary ao aminy no itoeran’ny hazavana.+ 23  Ianao, ry Andriamanitry ny razako, no deraiko sy ankalazaiko,+ satria nomenao fahendrena+ sy hery aho. Ary nampahafantarinao ahy ny zavatra nangatahinay taminao, satria nampahafantarinao anay ilay nofin’ny mpanjaka.”+ 24  Noho izany, dia nankao amin’i Arioka,+ izay notendren’ny mpanjaka handringana ny olon-kendrin’i Babylona,+ i Daniela. Eny, nankao aminy i Daniela, ka nanao taminy hoe: “Aza misy aringana ny olon-kendrin’i Babylona. Ento ho eo anatrehan’ny mpanjaka+ aho mba hilazako ny hevitry ny nofy amin’ny mpanjaka.” 25  Dia nentin’i Arioka haingana teo anatrehan’ny mpanjaka i Daniela, ka hoy izy taminy: “Nahita lehilahy afaka mampahafantatra amin’ny mpanjaka ny hevitry ny nofy aho. Anisan’ny olona avy any Joda natao sesitany+ izy.” 26  Ary hoy ny mpanjaka tamin’i Daniela, ilay nantsoina hoe Beltesazara:+ “Hainao ve ny milaza amiko ny nofiko sy ny heviny?”+ 27  Dia hoy ny navalin’i Daniela teo anatrehan’ny mpanjaka: “Ilay zava-miafina nanontanian’ny mpanjaka dia tsy misy olona mahalaza azy, na ny olon-kendry, na ny mpila hevitra amin’ny maty, na ny mpisorona mampiasa herin’ny maizina na ny mpanandro.+ 28  Misy Andriamanitra anefa any an-danitra, izay Mpampiharihary zava-miafina.+ Izy no mampahafantatra amin’i Nebokadnezara Mpanjaka ny zavatra hitranga any am-parany.+ Izao ilay nofinao sy ireo fahitana hitanao tamin’ianao tao am-pandriana: 29  “Ry mpanjaka ô, tamin’ianao tao am-pandriana+ dia lasa eritreritra momba izay hitranga any aoriana ianao. Ary Ilay Mpampiharihary zava-miafina no mampahafantatra anao izay hitranga.+ 30  Fa raha ny amiko kosa, dia tsy noho izaho manana fahendrena mihoatra noho ny velona rehetra akory no nampiharihariana tamiko izany zava-miafina izany,+ fa mba hampahafantarana kosa amin’ny mpanjaka ny hevitr’ilay nofy, ary mba hahalalanao ny eritreritry ny fonao.+ 31  “Nijery ianao, ry mpanjaka ô, ka nahita sarivongana ngezabe. Nijoro teo anoloanao ilay sarivongana, izay tena lehibe sy namirapiratra tsy nisy toy izany, ary nampahatahotra ny fahitana azy. 32  Volamena tena tsara ny lohany,+ volafotsy ny tratrany sy ny sandriny,+ varahina ny kibony sy ny feny,+ 33  vy ny ranjony,+ ary ny tongony kosa nisy ampahany vy sady nisy ampahany tanimanga novolavolaina.+ 34  Ary raha mbola nijery an’ilay sary ianao, dia nisy vato nendahana, nefa tsy nendahan-tanana.+ Ary namely an’ilay sary teo amin’ny tongony vy sy tanimanga ilay vato, ka nahatorotoro azy.+ 35  Tamin’izay, dia torotoro daholo ny vy, ny tanimanga, ny varahina, ny volafotsy ary ny volamena, ka nanjary toy ny akofa teny am-pamoloana fahavaratra.+ Dia nopaohin’ny rivotra ireny, ka nanjavona tsy hita.+ Fa lasa tendrombohitra lehibe kosa ilay vato namely an’ilay sary, ka feno azy ny tany manontolo.+ 36  “Izany ilay nofy, ary holazainay eto anatrehan’ny mpanjaka ny heviny.+ 37  Ianao, ry mpanjaka ô, ianao no mpanjakan’ny mpanjaka, ary nomen’ilay Andriamanitry ny lanitra anao ny fanjakana+ sy ny hery sy ny tanjaka ary ny voninahitra, 38  ary nomeny eo an-tananao+ koa ny bibidia sy ny voro-manidina, na aiza na aiza onenan’ny zanak’olombelona, sady nataony mpanjakan’izy rehetra ianao. Araka izany, dia ianao ilay loha volamena.+ 39  “Ary hisy fanjakana+ ambany kokoa noho ianao hitsangana handimby anao.+ Ary hisy fanjakana hafa koa hitsangana, dia fanjakana fahatelo, izay varahina. Hitondra ny tany manontolo izy io.+ 40  “Ny fanjakana fahefatra+ kosa hatanjaka toy ny vy.+ Fa manorotoro sy manamontsana ny zava-drehetra ny vy, ka hanorotoro sy hamotipotika an’ireo rehetra ireo koa io fanjakana io, toy ny vy mamotipotika ny zava-drehetra.+ 41  “Toy izao no nahitanao ny tongotr’ilay sary sy ny rantsantongony: Nisy ampahany taminy tanimanga novolavolain’ny mpanefy tanimanga, ary nisy ampahany vy.+ Koa ho voazarazara ilay fanjakana,+ nefa ao aminy ihany ny hamafin’ny vy, satria vy nifangaro tanimanga mbola lena no hitanao.+ 42  Nisy ampahany vy ny rantsantongony, sady nisy ampahany tanimanga novolavolaina. Koa hisy ampahany amin’ilay fanjakana àry hatanjaka, fa hisy ampahany kosa halemy. 43  Araka ny hitanao, dia tanimanga mbola lena no nifangaro tamin’ny vy. Koa hisy ampahany amin’ilay fanjakana àry hifangaro amin’ny taranak’olombelona, nefa tsy hitambatra izy ireo, eny, tsy hitambatra amin’ny iray ny iray, toy ny tsy hifangaroan’ny vy amin’ny tanimanga. 44  “Amin’ny andron’ireo mpanjaka+ ireo, dia hanorina fanjakana+ tsy ho rava mandrakizay+ ilay Andriamanitry ny lanitra,+ ary tsy ho lasan’olon-kafa izany fanjakana izany.+ Hotorotoroin’izy io sy hofoanany ireo fanjakana rehetra ireo,+ fa izy kosa haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra.+ 45  Hitanao mantsy fa nisy vato nendahana tamin’ny tendrombohitra, nefa tsy nendahan-tanana,+ ka nanorotoro ny vy, sy ny varahina, sy ny tanimanga novolavolaina, sy ny volafotsy ary ny volamena.+ Ilay Andriamanitra Be Voninahitra+ no nampahafantatra tamin’ny mpanjaka ny zavatra hitranga any aoriana.+ Azo antoka ilay nofy, ary azo itokisana ny heviny.”+ 46  Dia niankohoka i Nebokadnezara Mpanjaka, ka nanome voninahitra an’i Daniela, ary nandidy ny hanolorana fanomezana ho azy sy handoroana emboka manitra ho azy.+ 47  Ary hoy ny mpanjaka tamin’i Daniela: “Tena Andriamanitry ny andriamanitra+ tokoa ny Andriamanitrareo, sady Tompon’ireo mpanjaka+ ary Mpampiharihary zava-miafina, satria vitanao ny nampiharihary ilay zava-miafina.”+ 48  Koa nomen’ny mpanjaka toerana ambony+ i Daniela, sady notolorany fanomezana lehibe maro, ary notendreny ho filohan’ny faritanin’i Babylona+ sy ho mpiadidy hifehy ny olon-kendry rehetran’i Babylona. 49  Ary nanao fangatahana tamin’ny mpanjaka i Daniela, ka notendren’ny mpanjaka hitantan-draharaha teo amin’ny faritanin’i Babylona i Sadraka sy Mesaka ary Abednego.+ Fa i Daniela kosa tao an-dapan’ny+ mpanjaka.

Fanamarihana