Hijery ny anatiny

Fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah

Fantaro ny fivorianay. Jereo izay toeram-pivoriana akaiky anao.

Filazana Mifandray Amin’ny Coronavirus (COVID-19): Tsy misy fivoriana any amin’ny Efitrano Fanjakana ary vitsivitsy ihany no miara-mivory, any amin’ny toerana maro. Mifandraisa amin’ny Vavolombelon’i Jehovah raha te hahalala ny tsipiriany ianao. Ho azonao jerena na alaina ato amin’ity tranonkala ity ilay lahateny manokana ara-baiboly hoe “Iza no Mpitarika Azonao Atokisana?” raha tsy afaka manatrika mivantana ianao.

Mitadiava Toerana Akaiky Anao (opens new window)

Inona no Atao any Amin’ny Fivorianay?

Manao fivoriana ara-pivavahana indroa isan-kerinandro ny Vavolombelon’i Jehovah. (Hebreo 10:24, 25) Mandinika an’izay ampianarin’ny Baiboly sy ny fomba ampiharana an’izany eo amin’ny fiainanay izahay, amin’ireny fivoriana ireny ary azon’ny rehetra atrehina izany.

Afaka mandray anjara ny mpanatrika amin’ny ankamaroan’ny fandaharana, toy ireny any am-pianarana ireny. Atomboka sy faranana amin’ny hira sy vavaka ireo fivoriana.

Afaka manatrika ny fivorianay ianao na tsy Vavolombelon’i Jehovah aza. Ny olon-drehetra no asainay ary tsy misy vidim-pidirana na fanantazan-drakitra.