Hijery ny anatiny

Fampianaran’ny Baiboly

Ny Baiboly no manome ny torohevitra tsara indrindra hamahana an’ireo olana lehibe eo amin’ny fiainana. Voaporofo nandritra ny taonjato maro fa tena sarobidy izy io. Ho hitanao ato amin’ity fizarana ity hoe nahoana ianao no afaka mitoky amin’ny Baiboly, ahoana no azonao ampiasana tsara azy, ary nahoana no tena azo ampiharina ny toroheviny.—2 Timoty 3:16, 17.

 

Mahaliana

BOKY & BOKIKELY

Inona no Tena Mahasambatra ny Fianakaviana?

Misy mihevitra fa ny vola no tena mahasambatra ny fianakaviana. Marina ve izany?

BOKY & BOKIKELY

Inona no Tena Mahasambatra ny Fianakaviana?

Misy mihevitra fa ny vola no tena mahasambatra ny fianakaviana. Marina ve izany?

Ahoana no Hanampian’ny Baiboly Anao?

Fiadanan-tsaina sy Fahasambarana

Betsaka ny olona nanaraka an’izay lazain’ny Baiboly ka nahavita niatrika olana, tsy rera-tsaina be, tsy kivy, ary lasa mahatsapa hoe misy dikany ny fiainany.

Finoana An’Andriamanitra

Hilamin-tsaina ianao dieny izao raha manana finoana, ary ho azonao antoka ny hoavy.

Tokantrano sy Fitaizana

Betsaka izao ny olana atrehin’ny fianakaviana. Manatsara ny fifandraisan’ny mpianakavy sy mampifankatia azy ireo ny torohevitry ny Baiboly.

Ho An’ny Tanora

Jereo ny fomba hanampian’ny Baiboly ny tanora amin’ny olana mpahazo azy ireo.

Ho An’ny Ankizy

Raha te hampianatra ny zanakao ho tsara toetra ianao dia ampiasao ireo fitaovana mahafinaritra ato, izay miorina amin’ny Baiboly.

Inona no Lazain’ny Baiboly?

Fitaovana Fianarana Baiboly

Fidio izay fomba fianarana Baiboly tianao dia ho faly sy ho afa-po ianao.

Hianatra Baiboly amin’ny Vavolombelon’i Jehovah

Nahoana Ianao no Tokony Hianatra Baiboly?—Video Manontolo

Olona an-tapitrisany eran-tany no mahita ny valin’ny fanontaniany, ao amin’ny Baiboly. Tianao koa ve ny hahita ny valin’ny fanontanianao?

Ahoana no Atao Rehefa Mianatra Baiboly?

Fantatra eran-tany hoe manasa ny olona hianatra Baiboly maimaim-poana ny Vavolombelon’i Jehovah. Aseho ato ny fanaovana an’ilay izy.

Hangataka Hotsidihin’ny Vavolombelon’i Jehovah

Miresaha hevitra momba ny Baiboly miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, na andramo ilay fianarana Baiboly maimaim-poana.