Hijery ny anatiny

MIFALIA FOANA!

Fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah 2020

Asaina ianao hijery ny fivoriamben’ny vondrom-paritra telo andro ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Alefa ao amin’ny jw.org ny fandaharan’ny fivoriambe amin’ity taona ity satria miparitaka be ny coronavirus (COVID-19). Hivoaka tsikelikely mandritra ny volana Jolay sy Aogositra ilay fandaharana.

HISONGADINA AO IRETO:

  • Fandaharana Zoma: Ho hitanao ao hoe misy zavatra azon’ny lehilahy, vehivavy, ray aman-dreny, ary ankizy atao mba hahafinaritra azy ny miaraka amin’ny fianakaviany, dia mba ho faly izy mianakavy. Hohazavaina ao koa hoe tian’Andriamanitra ho faly isika matoa izy namorona ny zavaboary. Nataony afaka mankafy azy ireny koa isika.

  • Fandaharana Asabotsy: Fa maninona ny Vavolombelon’i Jehovah no mitory maneran-tany an’ilay vaovao mahafaly ao amin’ny Baiboly? Hisy lahateny sy fanadinadinana ary video hanazava hoe nahoana izahay no mitory sy mampianatra Baiboly.

  • Fandaharana Alahady: Mampanantena ny Baiboly hoe ny fitahian’Andriamanitra no “mampanan-karena ary tsy ampiany fahoriana izany.” (Ohabolana 10:22) Jereo ilay lahateny ara-baiboly hoe “Afaka ny Hanan-karena Ianao Sady Tsy Hijaly” dia ho hitanao hoe nahoana no azo antoka izany fampanantenana izany.

  • Tantara Ara-baiboly: Tantarain’ny Baiboly hoe be herim-po sy nazoto niasa i Nehemia. Inona no ianarantsika avy amin’izay nataony? Jereo ao amin’ilay fandaharana asabotsy sy alahady ilay tantara misy fizarana roa hoe “Ny Fifaliana avy Amin’i Jehovah no Fiarovana Mafy ho Anareo.”Nehemia 8:10.

TSY ANDOAVAM-BOLA

TSY MILA MAMORONA KAONTY

Jereo ny fandaharam-potoana sy ny video momba ny fivoriambenay.

Hijery Fivoriamben’ny Vondrom-paritra