2 Timoty 3:1-17
3 Ary aoka ho fantatrao izao: Amin’ny andro farany,+ dia hisy fotoan-tsarotra tsy mora setraina.+
2 Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho matin-kambo, hanambony tena, ho mpanevateva, tsy hankatò ray aman-dreny,+ tsy hisaotra, tsy ho mena-mivadika,+
3 tsy ho tia ny mpianakaviny,+ tsy ho azo ifanarahana,+ ho mpanendrikendrika,+ tsy hahafehy tena, ho masiaka be,+ tsy ho tia ny tsara,+
4 ho mpamadika,+ ho be di-doha, ho mpieboebo,+ ho tia fahafinaretana fa tsy ho tia an’Andriamanitra,+
5 jerena toa mpivavaka+ be nefa tsy misy heriny eo amin’ny fiainany ny maha mpivavaka azy.+ Ialao+ ny olona toy ireny.
6 Avy amin’ireny mantsy no ipoiran’ny lehilahy mitsofoka mangingina any an-tokantrano,+ ary alainy ho babo ny vehivavy osa ara-panahy sy vesaran’ota ary tarihin’ny faniriana maro samihafa.+
7 Mianatra mandrakariva ireny vehivavy ireny, nefa tsy mety mahalala marina tsara ny fahamarinana mihitsy.+
8 Tahaka ny nanoheran’i Jana sy Jambra+ an’i Mosesy no anoheran’ireny tsy misy farany ny fahamarinana.+ Olona tena maloto saina+ ireny, ary tsy ankasitrahana raha ny amin’ny finoana.+
9 Fa tsy hisy fandrosoana intsony ho vitan’izy ireny, satria hiharihary amin’ny rehetra ny hadalany, tahaka ny hadalan’izy roa lahy+ koa.
10 Fa ianao kosa efa nanaraka akaiky ny fampianarako, ny fomba fiainako,+ ny tanjona ananako, ny finoako, ny fahari-poko, ny fitiavako, ny fiaretako,
11 ny fanenjehana ahy, ny fijaliako, ny zavatra nanjo ahy tany Antiokia+ sy tany Ikonioma+ ary tany Lystra,+ mbamin’ny karazam-panenjehana nozakaiko. Ny Tompo anefa nanafaka ahy+ tamin’izany rehetra izany.
12 Izay rehetra te hiaina ao anatin’ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra sady tafaray amin’i Kristy Jesosy dia henjehina+ ihany koa.
13 Fa vao mainka hiharatsy kokoa ny ratsy fanahy sy ny mpisandoka, ka sady mamitaka izy ireo no voafitaka.+
14 Fa ianao kosa, mahareta amin’ny zavatra nianaranao sy nandresen-dahatra anao ka inoanao.+ Fantatrao mantsy hoe iza avy no nampianatra anao an’ireny.+
15 Ary mbola zazakely+ ianao dia efa nahalala ny Soratra Masina, izay nampahahendry anao ho amin’ny famonjena,+ amin’ny alalan’ny finoana an’i Kristy Jesosy.+
16 Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra,+ ary mahasoa mba hampianarana,+ hananarana,+ hanitsiana izay diso,+ hanafaizana+ araka ny fahamarinana,
17 mba hahatonga ny olon’Andriamanitra ho tena mahay+ sy ho ampy fitaovana tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.+