LESONA 6

Mbola ho Hitantsika ve Ireo Havantsika Nodimandry?

Mbola ho Hitantsika ve Ireo Havantsika Nodimandry?

1. Inona no vaovao tsara ho an’ireo namoy havana?

Nankany Betania, any akaikin’i Jerosalema, i Jesosy, satria maty i Lazarosy namany. Efa maty efatra andro i Lazarosy vao tonga izy. Nankany amin’ny fasana izy, niaraka tamin’i Marta sy Maria, anabavin’i Lazarosy. Vetivety dia nitangorona ny olona. Natsangan’i Jesosy tamin’ny maty i Lazarosy avy eo. Azonao an-tsaina ve ny hafalian’i Marta sy Maria tamin’izay?—Vakio ny Jaona 11:21-24, 38-44.

Efa fantatr’i Marta ilay vaovao tsara hoe mbola hatsangan’i Jehovah ny maty, ary hiaina eto an-tany indray.—Vakio ny Joba 14:14, 15.

2. Manao ahoana ny olona rehefa maty?

Hoy Andriamanitra tamin’i Adama: “Vovoka ianao ary hiverina ho vovoka indray ianao.”—GENESISY 3:19.

Vovoka no nanaovana ny olona. (Genesisy 2:7; 3:19) Rehefa maty ny vatana, dia tsy hoe mbola misy fanahy mandehandeha any ho any. Raha maty isika dia maty koa ny atidohantsika, ka tsy afaka mieritreritra intsony isika. Tsy nitantara na inona na inona momba an’izay nanjo azy tamin’izy maty àry i Lazarosy, satria tsy mahatsiaro tena ny maty.—Vakio ny Salamo 146:4; Mpitoriteny 9:5, 6, 10.

Marina ve fa mampijaly olona any amin’ny afobe Andriamanitra? Tsy marina izany satria ny maty aza tsy mahatsiaro tena. Manendrikendrika an’Andriamanitra ny olona mampianatra momba ny afobe. Na ny mieritreritra fotsiny aza hoe handoro olona ao anaty afo dia efa mahatsiravina Azy.—Vakio ny Jeremia 7:31.

Jereo ilay video hoe Manao Ahoana ny Olona Rehefa Maty?

3. Afaka miresaka amintsika ve ny maty?

Tsy afaka miteny na mandre intsony ny maty. (Salamo 115:17) Misy anjely ratsy anefa miresaka amin’ny olona, ka misandoka hoe olona efa maty. (2 Petera 2:4) I Jehovah mihitsy no mandrara antsika tsy hitady fomba hiresahana amin’ny maty.—Vakio ny Deoteronomia 18:10, 11.

4. Iza no hatsangana amin’ny maty?

Olona an-tapitrisany no hatsangana amin’ny maty, ka hiaina eto an-tany indray. Anisan’izany ireo nanao ratsy satria tsy nahalala an’i Jehovah.—Vakio ny Lioka 23:43; Asan’ny Apostoly 24:15.

Hampianarina ny marina momba an’Andriamanitra ireo olona hatsangana amin’ny maty, ary afaka mifidy ny hino an’i Jesosy sy hankatò azy. (Apokalypsy 20:11-13) Hiaina mandrakizay eto an-tany izy ireo raha manao ny tsara.—Vakio ny Jaona 5:28, 29.

5. Inona no toetran’i Jehovah hita avy amin’izany?

Tsara fanahy sy tena tia antsika i Jehovah, matoa nanome ny Zanany ho faty ho antsika. Tsy ho nisy mantsy ny fitsanganan’ny maty, raha tsy namoy ny ainy ho antsika i Jesosy. Rehefa hatsangana àry ny maty, iza no mba tianao ho hita indray?—Vakio ny Jaona 3:16; Romanina 6:23.