Fampidirana ny Fizarana 9

Fampidirana ny Fizarana 9

Ahitana ny tantaran’ny ankizy sy mpaminany ary mpanjaka tena natoky an’i Jehovah ity fizarana ity. Natoky, ohatra, ny ankizivavy israelita anankiray tany Syria, fa hositranin’ny mpaminanin’i Jehovah i Namàna. Natoky koa i Elisa mpaminany fa hiaro azy amin’ny fahavalo i Jehovah. I Joiada Mpisoronabe kosa sahy niaro an’i Joasy kely mba tsy hovonoin’i Atalia bebeny ratsy fanahy. I Hezekia Mpanjaka indray natoky hoe hamonjy an’i Jerosalema i Jehovah, ka tsy nanaiky hampitahorin’ny Asyrianina izy. Nesorin’i Josia Mpanjaka tany Joda ny sampy rehetra, dia namboariny indray ny tempoly, ary notarihiny hivavaka amin’i Jehovah indray ny vahoaka.

ATO AMIN’ITY FIZARANA ITY

LESONA 51

Ilay Miaramila sy Ilay Ankizivavikely

Nilaza tamin’ny tompovaviny ilay ankizivavy hoe mahay manao fahagagana i Jehovah.

LESONA 52

Ny Tafik’i Jehovah

Nilaza i Elisa hoe ‘betsaka lavitra ny miaraka amintsika.’ Ahoana no nahitan’ilay mpiasany hoe marina izany?

LESONA 53

Tsy Natahotahotra i Joiada

Sahy nanohitra an’ilay mpanjakavavy ratsy fanahy ilay mpisorona tsy nivadika.

LESONA 54

Nandefitra Be Tamin’i Jona i Jehovah

Nahoana no natelin’ny trondro ngezabe ilay mpaminanin’Andriamanitra? Ahoana no nahatafavoaka azy tao? Inona no nampianarin’i Jehovah azy?

LESONA 55

Niaro An’i Hezekia ny Anjelin’i Jehovah

Nilaza ny fahavalon’i Joda hoe tsy harovan’i Jehovah ny vahoakany. Diso hevitra anefa ry zareo.

LESONA 56

Tia ny Lalàn’Andriamanitra i Josia

Lasa mpanjaka i Josia tamin’izy valo taona. Nampiany hanompo an’i Jehovah indray ny vahoaka.