Hijery ny anatiny

Video

Natao ho an’ny manam-pahaizana momba ny fitsaboana sy ny mpahay lalàna ny video fanadihadiana ato. Tsy Vavolombelon’i Jehovah ireo mpitsabo sy mpahay lalàna ary mpanabe aseho ao amin’ireo video ireo, ary fanta-daza maneran-tany.

 

Fitsaboana Solon’ny Fampidiran-dra: Tsotra, Azo Antoka, Tsara

Nahoana no mihabetsaka ny dokotera tia ny fitsaboana tsy ampiasana ra?

Fitsaboana Solon’ny Fampidiran-dra: Mahafa-po ny Marary Sady Manaja ny Zony

Inona avy ny tombony azo mifandray amin’ny lalàna sy ny zavatra hafa rehefa hajaina ny zon’ny marary?

Fanadinadinana ny Profesora Pia Di Benedetto

“Azo atao ny tsy mampiditra ra, na fandidiana lehibe aza no atao, raha mandinika tsara ny mpitsabo hoe inona avy ireo teknika azo ampiasaina.”

Fanadinadinana ny Profesora Claudio Ronco

“Mahalana be mihitsy izahay vao mampiditra ra amin’ny marary.”

Fanadinadinana ny Profesora Patrizio Mazza

“Tena azo atao tsara ny tsy mampiditra ra rehefa mitsabo olona voan’ny kanseran’ny ra, ohatra hoe voan’ny lymphome, na leucémie, na myélome (Lasa be dia be ny olona voan’ny myélome any amin’ny tany tandrefana).

Fanadinadinana ny Profesora Alfredo Guglielmi

“Ny Vavolombelon’i Jehovah no nahatonga anay hitandrina be amin’ny fomba ampiasana ny ra: Ampianay ilay marary mba ho vonona tsara, fantarinay tsara hoe iza no marary mety amin’ny karazana fitsaboana iray, ary ataonay vonona tsara ny ao amin’ny efitra fandidiana mba hahafahanay manao an’izay rehetra azo atao mba tsy hahavery ra be an’ilay olona. Raha tsy ampy ra ilay marary, dia tsaboina tsara aloha izy vao didiana.”

Naneho ny Heviny Momba ny Fitsaboana Tsy Misy Fampidiran-dra ny Dokotera Kanadianina Dimy

Jereo ny fanadinadinana natao vao haingana tamin’ny mpampianatra malaza momba ny fitsaboana. Resahin’izy dimy ny traikefan’izy ireo rehefa nitsabo marary izy ireo nefa tsy nampiditra ra.