13-19 Jolay

EKSODOSY 8-9

13-19 Jolay
  •  Hira 12 sy Vavaka

  •  Teny Fampidirana (1 min.)

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

  • Tsy Fantatr’i Farao hoe Nanatanteraka ny Fikasan’Andriamanitra Izy”: (10 min.)

    • Ek 8:15: Nanamafy ny fony i Farao ary tsy nety nihaino an’i Mosesy sy Arona (it “Mafy Loha” § 2)

    • Ek 8:18, 19: Niaiky ireo mpisorona nampiasa herin’ny maizina hoe tsy vitan’izy ireo ilay fahagagana nataon’i Jehovah. Mbola mafy loha ihany anefa i Farao

    • Ek 9:15-17: Tsy tonga dia novonoin’i Jehovah i Farao. Afaka nampiseho ny heriny àry i Jehovah ka lasa fantatry ny olona eran-tany ny anarany (it “Faharatsiana” § 4-6)

  • Andao Hikaroka Harena Miafina: (10 min.)

    • Ek 8:21: Inona ilay fihitra resahina eo amin’io andininy io? (it “Fihitra”)

    • Ek 8:25-27: Nahoana i Mosesy no nilaza hoe “zava-maharikoriko amin’ny Ejipsianina” ny sorona hataon’ny Israelita? (w04 15/3 25 § 9)

    • Tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity, inona ny harena miafina hitanao momba an’i Jehovah, ny fanompoana, na zavatra hafa?

  • Famakiana Baiboly: (4 min. na latsaka) Ek 8:1-19 (th lesona 12)

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

  • Video Fitoriana: (4 min.) Fiaraha-midinika. Alefaso ilay video. Fanontaniana: Ahoana no nataon’ilay mpitory rehefa nanohitra ilay olona? Taiza ho aiza tamin’ilay resaka izy no afaka nanolotra boky na zavatra hafa, ary inona no azony nolazaina mba hanolorana an’ilay izy?

  • Fitoriana: (2 min. na latsaka) Ampiasao ilay hevitra azo resahina. (th lesona 6)

  • Fitoriana: (3 min. na latsaka) Atombohy amin’ilay hevitra azo resahina. Manohitra ilay olona, ary fanoherana fahita eny amin’ny faritaninareo ilay izy. Miezaka mamaly azy ianao. (th lesona 3)

  • Fitoriana: (3 min. na latsaka) Atombohy amin’ilay hevitra azo resahina. Manolora boky na bokikely fianarana Baiboly. (th lesona 12)

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA