Isaia 40:1-31
40 “Ampionòny, ampionòny ny oloko!”, hoy ny Andriamanitrareo.+
2 “Manaova teny manohina ny fon’i Jerosalema.+ Manaova antso avo ka lazao aminy fa efa tapitra ny asa an-terivozona nataony,+ ary efa voaonitra ny fahadisoany.+ Efa azony tamin’i Jehovah daholo ny saziny noho ny fahotany rehetra.”+
3 Injay misy miantsoantso any an-tany efitra+ hoe: “Karakarao ny lalana halehan’i Jehovah!+ Ataovy mahitsy ilay lalambe ho an’Andriamanitsika, dia ilay lalana mamakivaky ny lemaka karakaina.+
4 Aoka hasondrotra ny lohasaha rehetra,+ fa haetry kosa ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra.+ Ataovy mitovy tantana ny tany feno dongona, ary ovao ho lemaka ny tany mikitoantoana.+
5 Dia hiharihary ny voninahitr’i Jehovah,+ ka hiara-mahita izany ny nofo rehetra.+ Fa ny vavan’i Jehovah no efa niteny.”+
6 Injay misy milaza hoe: “Miantsoantsoa!”+ Dia misy mamaly hoe: “Hiantso hoe ahoana?”
“Ahitra ihany ny nofo rehetra, ary toy ny voninkazo eny an-tsaha+ ny hatsaram-panahiny rehetra.
7 Maina ny ahitra ary malazo ny voninkazo,+ satria notsofin’ny fofonain’i Jehovah.+ Ahitra ihany tokoa ny olona.+
8 Maina ny ahitra ary malazo ny voninkazo,+ fa ny tenin’Andriamanitsika kosa haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra.”+
9 Miakara any an-tendrombohitra+ avo, ry vehivavy mitondra vaovao tsara ho an’i Ziona.+ Asandrato ny feonao ka ataovy mafy, ry vehivavy mitondra vaovao tsara ho an’i Jerosalema,+ eny, asandrato ny feonao. Aza matahotra!+ Lazao amin’ireo tanànan’i Joda hoe: “Indro ny Andriamanitrareo!”+
10 Ho avy toy ny mahery i Jehovah Tompo Fara Tampony, ary ny sandriny no hanjaka hisolo tena azy.+ Efa eny aminy ny valisoa omeny,+ ary efa eo anatrehany ny karama aloany.+
11 Toy ny mpiandry ondry izy ka handrasany ny andian’ondriny.+ Ny sandriny no hanangonany ny zanak’ondry,+ ka hotrotroiny eo an-tratrany ireny.+ Ary hotarihiny amim-pitandremana ireo mampinono.+
12 Iza no mahavita mamatra ny rano rehetra amin’ny felatanany,+ sy mandrefy ny lanitra amin’ny irain-jehy,+ sy mamatra ny vovoky ny tany+ amin’ny kapoaka,* na mandanja ny tendrombohitra amin’ny fandanjana, sy mandanja ny havoana amin’ny mizana?
13 Iza no mahavita mandrefy ny fanahin’i Jehovah, ary iza no mpanoro hevitra azy ka mampahafantatra azy ny zava-drehetra?+
14 Iza no nakany hevitra mba hanazava taminy? Ary iza no mampianatra azy ny lalan’ny rariny, na mampita fahalalana aminy,+ na mampahafantatra azy ny tena fahiratan-tsaina?+
15 Toy ny rano indray mitete avy amin’ny siny ireo firenena, ary toy ny vovoka manify eo amin’ny mizana no fiheverana azy.+ Manainga an’ireo nosy izy,+ toy ny manainga vovoka madinika.
16 Na ny hazon’i Libanona aza tsy ampy hatao kitay, ary na ny bibidia+ ao aza tsy ampy hatao fanatitra dorana.+
17 Ny firenena rehetra dia toy ny tsy misy eo anatrehany.+ Toy ny tsinontsinona sy zava-poana ireny aminy.+
18 Iza no azonareo ampitovina amin’Andriamanitra,+ ary inona no azonareo ampitovina aminy?+
19 Nandrendrika metaly ny mpanao asa tanana ka nanao sarivongana,+ ary mametaka takela-bolamena eo amin’ilay izy ny mpanefy,+ sady manefy rojo volafotsy.+
20 Mifidy hazo tsy lo ny olona+ mba hatao fanomezana. Dia mitady mpanao asa tanana mahay izy mba hanamboatra sary sokitra+ tsy mihilangilana.+
21 Tsy fantatrareo ve? Tsy renareo ve? Tsy nolazaina taminareo hatrany am-piandohana ve? Tsy nandinika mihitsy ve ianareo hatramin’ny nametrahana ny fototry ny tany?+
22 Izy Ilay mipetraka any amin’ny avo, any ambonin’ity tany boribory ity,+ ary toy ny valala ny mponina amin’ny tany. Izy no mamelatra ny lanitra toy ny lamba manify, sy mamelatra azy toy ny tranolay fonenana.+
23 Izy no mahatonga ny manam-pahefana ho tsinontsinona, sy manao ny mpitsaran’ny tany ho toy ny zava-poana.+
24 Mbola tsy nambolena mihitsy izy ireo, ary mbola tsy nafafy mihitsy, sady mbola tsy namaka tao anaty tany mihitsy ny fotony.+ Dia maina ireny raha vao tsofina,+ ary toy ny mololo ka hoentin’ny tafio-drivotra.+
25 “Iza anefa no azonareo ampitovina amiko, ka lasa hitovy aminy aho?”, hoy Ilay Masina.+
26 “Asandrato ny masonareo, ka mijere! Iza no nahary ireny zavatra ireny?+ Tsy iza fa Ilay toy ny mpitari-tafika izay mibaiko an’ireny araka ny isany, sy miantso azy rehetra amin’ny anarany avy.+ Noho Izy manana tanjaka sy hery lehibe,+ dia tsy misy banga ireny.
27 “Nahoana no miteny ianao, ry Jakoba, ary nahoana no milaza ianao, ry Israely, hoe: ‘Tsy hitan’i Jehovah ny manjo ahy,+ ary tsy hitan’Andriamanitro ny rariny tokony homena ahy’?+
28 Tsy fantatrao angaha sa tsy renao?+ Andriamanitra mandritra ny fotoana tsy voafetra i Jehovah,+ ilay Mpamorona ny faran’ny tany. Tsy mba reraka na sasatra izy.+ Tsy takatry ny saina ny fahalalany.+
29 Omeny hery ny reraka,+ ary ataony matanjaka be ny tsy manan-kery.+
30 Ho reraka sy ho sasatra ihany ny ankizilahy, ary ho tafintohina tokoa ny tovolahy,
31 fa izay manantena+ an’i Jehovah kosa hahazo hery+ indray. Hanidina izy ireo, toy ny hoe manana ela-boromahery.+ Hihazakazaka izy nefa tsy ho sasatra, ary handeha izy nefa tsy ho reraka.”+
Fanamarihana
^ A.b.t.: “ampahatelon’ny” famarana iray nampiasaina fahiny.