Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

5 Ny Teny hoe “Testamenta Taloha” sy “Testamenta Vaovao”

5 Ny Teny hoe “Testamenta Taloha” sy “Testamenta Vaovao”

 5 Ny Teny hoe “Testamenta Taloha” sy “Testamenta Vaovao”

2 Korintianina 3:14—Gr.: ἐπὶ τῇ ἀναγνώσει τῆς παλαιᾶς διαθήκης (epi tei anagnôsei tes palaias diatekes); lat.: in lectione veteris testamenti

1611 “eo am-pamakiana ny testamenta Dikan-tenin’ny

taloha” Mpanjaka Jacques

(anglisy).

1808 “rehefa vakina ilay fifanekena taloha” Ilay Fifanekena

Vaovao, Antsoina hoe

Testamenta Vaovao: Nadika

avy Tamin’ny Teny Grika

(anglisy), nataon’i Charles

Thomson, Philadelphie.

1835 “amy ny famakiany ny teny fanekena Fandikan-teny

taloha” Protestanta (malagasy).

1938 “raha mamaky ny tenin’ny fanekena Fandikan-teny

taloha izy” Katolika (malagasy).

1950 “rehefa vakina ilay fifanekena taloha” Ny Soratra Grika

Kristianina

—Fandikan-tenin’ny Tontolo

Vaovao (anglisy), Brooklyn.

1991 “raha mamaky ny boky mirakitra Dikanteny

ny Fanekempihavanana Taloha Iombonana Eto

izy ireo” Madagasikara.

 “Testamenta Taloha” no fiantsoan’ny olona ny ampahany amin’ny Soratra Masina, nosoratana tamin’ny teny hebreo sy aramianina. Izany dia avy amin’ny fomba nandikana ny 2 Korintianina 3:14, tao amin’ny Vulgate Latinina sy ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques. “Testamenta Vaovao” no fiantsoan’ny olona ny Soratra Grika Kristianina. Marihina fa midika hoe “fifanekena” ilay teny grika hoe diatekes ao amin’io andininy io, ary izay koa no dikany ao amin’ireo toerana 32 hafa ahitana azy ao amin’ny soratra grika.

Niresaka momba ny dikan’ilay teny latinina hoe testamentum (avy amin’ny hoe testamenti) i Edwin Hatch, ao amin’ilay bokiny hoe Famakafakana Teny Grika ao Amin’ny Baiboly (anglisy), Oxford, 1889, p. 48. Hoy izy: “Noho ny tsy fahafantarana ny fivoaran’ny fiteny latinina fampiasan’ny besinimaro, dia noheverina taloha fa ‘testamenta’ na ‘didim-pananana’ no dikan’ny hoe ‘testamentum.’ Io no nandikana ilay teny [diateke] ao amin’ireo fandikan-teny latinina voalohany sy ny Vulgate. Raha ny marina anefa dia midika koa izy io hoe ‘fifanekena’, ary mety ho izay ihany aza no tena dikany.” Mitovitovy amin’izany koa ny nolazain’i W. Moulton, ao amin’ny Fanazavana ny Baiboly Nataon’ny Mpanoratra Samihafa ho An’ny Mpamaky Anglisy (anglisy), natontan’i Charles Ellicott, New York, Boky Faha-8, p. 309. Hoy izy: “Nanjary nahazatra ny nandika ilay teny hoe [diateke] tamin’ny hoe testamentum, rehefa nadika tamin’ny fiteny latinina tranainy ny Soratra Masina. Any amin’ny toerana tsy ieritreretana mihitsy ny hoe didim-pananana anefa matetika no andikana azy io toy izany (ohatra: Sal. lxxxiii, 5. Tsy hisy mihitsy hieritreritra hoe ny tian’ilay Mpanao salamo holazaina eo, dia hoe ‘nanao didim-pananana mba hanoherana an’Andriamanitra’ ny fahavalony). Mazava àry fa nitarina ny hevitr’ilay teny latinina hoe testamentum, mba hifanaraka tamin’ilay teny grika izay manana heviny malalaka be.”

Araka izany àry, dia diso ilay teny hoe “testamenta taloha” ao amin’ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques, ao amin’ny 2 Korintianina 3:14. Araka ny marina kosa ny teny ampiasaina ao amin’ny fandikan-teny maoderina maro, dia ny hoe “fifanekena taloha.” Tsy ny Soratra Hebreo sy Aramianina manontolo no noresahin’ny apostoly Paoly tamin’io teny io. Tsy te hilaza koa izy hoe “testamenta (na fifanekena) vaovao” ireo asa soratra kristianina nampanoratin’Andriamanitra. Ny tiany horesahina kosa, dia ny fifanekena taloha momba ny Lalàna, izay nosoratan’i Mosesy tao amin’ireo Boky Dimy Voalohany. Ampahany kely monja amin’ny Soratra Masina nisy talohan’ny andro kristianina io fifanekena io. Izy io no noresahin’i Paoly, ka nahatonga azy hilaza eo amin’ny andininy manaraka hoe: “Isaky ny vakina izay nosoratan’i Mosesy.”

Tsy marim-pototra àry ny fiantsoana ny Soratra Hebreo sy Aramianina hoe “Testamenta Taloha” sy ny fiantsoana ny Soratra Grika Kristianina hoe “Testamenta Vaovao.” “Soratra Masina” no niantsoan’i Jesosy Kristy ny fitambaran’ireo asa soratra masina. (Matio 21:42; Marka 14:49; Jaona 5:39) Niantso azy ireny hoe “Soratra Masina” koa ny apostoly Paoly. (Romanina 1:2; 15:4; 2 Timoty 3:15) Hita ao amin’ny lohatenin’ny Baiboly Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao ny hoe “Soratra Masina”, araka ny Romanina 1:2 izay nosoratana tamin’ny herin’ny fanahy masina.