Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

1D Ny Anaran’Andriamanitra ao Amin’ireo Dikan-teny Grika Tranainy

1D Ny Anaran’Andriamanitra ao Amin’ireo Dikan-teny Grika Tranainy

 1D Ny Anaran’Andriamanitra ao Amin’ireo Dikan-teny Grika Tranainy

 Nadika ho amin’ny teny grika ny Soratra Hebreo. Nisy sombiny maro tamin’izany dikan-teny izany hita, taona maro lasa izay, ary misy ny anaran’Andriamanitra amin’ny litera hebreo ao anatiny. Midika izany fa nampiasaina tao amin’ireo dikan-teny grika ny anaran’Andriamanitra, hatramin’ny taonjato fahasivy. Misy folo amin’izany sora-tanana izany ireto, ary misy fanazavana miaraka aminy:

1) LXXP. Fouad Inv. 266: Ny Litera Efatra amin’ny soratra hebreo () no andikana ilay anarana ao amin’ireto toerana ireto: De 18:5, 5, 7, 15, 16; De 19:8, 14; De 20:4, 13, 18; De 21:1, 8; De 23:5; De 24:4, 9; De 25:15, 16; De 26:2, 7, 8, 14; De 27:2, 3, 7, 10, 15; De 28:1, 1, 7, 8, 9, 13, 61, 62, 64, 65; De 29:4, 10, 20, 29; De 30:9, 20; De 31:3, 26, 27, 29; De 32:3, 6, 19. Miseho intelo koa ny Litera Efatra any amin’ny toerana hafa, ao amin’ny sombiny faha-116 sy 117 ary 123. Efa tamin’ny taonjato voalohany T.K. io horonana papyrus io, ary hita tany Ejipta.

Nisy sombiny tamin’izy io navoakan’i W. Waddell, tamin’ny 1944 tao amin’ny Gazetiboky Fianarana Teolojia (anglisy), Boky Faha-45, p. 158-161. Afaka naka sary ny sombiny 18 tamin’io horonana io ny misionera Vavolombelon’i Jehovah roa, tany Le Caire, any Ejipta, tamin’ny 1948. Nahazo alalana hampiely izany izy ireo. Nisy sombiny 12 tamin’ireo, navoaka tao amin’ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao (anglisy), 1950, p. 13-14. Ny sary tao amin’io Baiboly io no nahafahana namoaka an’ireto voka-pikarohana manaraka ireto: 1) A. Vaccari, “Papiro Fuad, Inv. 266. Analisi critica dei Frammenti pubblicati in: ‘New World Translation of the Christian Greek Scriptures.’ Brooklyn (N. Y.) 1950 p. 13s.”, nivoaka tao amin’ny Studia Patristica, Boky I, Fiz. I, navoakan’i Kurt Aland sy F. Cross, Berlin, 1957, p. 339-342; 2) W. Baars, “Papyrus Fouad Inv. No. 266”, nivoaka tao amin’ny Gazety Teolojikan’i Holandy, Boky Faha-13, Wageningen, 1959, p. 442-446; 3) George Howard, “Ny Deoteronomia Tranainy Indrindra Amin’ny Teny Grika” (anglisy), nivoaka tao amin’ny Hebrew Union College Annual, Boky Faha-42, Cincinnati, 1971, p. 125-131.

Niresaka momba an’io papyrus io i Paul Kahle ao amin’ny Studia Evangelica, navoakan’i Kurt Aland, F. Cross, Jean Danielou, Harald Riesenfeld sy W. van Unnik, Berlin, 1959, p. 614. Hoy izy: “Nisy sombiny hafa tamin’io papyrus io nalaina sary avy tamin’ny sary nasehon’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana tao amin’ny sasin-tenin’ny Testamenta Vaovao nadika amin’ny teny anglisy, Brooklyn, New York, 1950. Miavaka io papyrus io satria ahitana an’ireo Litera Efatra fanoratana ny anaran’Andriamanitra, amin’ny teny hebreo. Rehefa avy nasaiko nandinika tsara ny sombin’io papyrus io i Pater Vaccari, dia nanatsoaka hevitra fa io angamba no marina indrindra amin’ny bokin’ny Deoteronomia ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Fitopolo, izay tonga hatratỳ amintsika. Efa voasoratra 400 taona teo ho eo talohan’ny Kôdeksa B izy io.”

Nisy 117 ny fitambaran’ny sombin’ilay LXXP. Fouad Inv. 266 navoaka tao amin’ny Fandinihana Papyrus (frantsay), Boky Faha-9, Le Caire, 1971, p. 81-150, 227-228. Ny sarin’ny sombintsombiny rehetra tamin’io horonana papyrus io dia navoakan’i Zaki Aly sy Ludwig Koenen, teo ambanin’ny lohateny hoe Horonana Telon’ny Fandikan-tenin’ny Fitopolo Tany Am-boalohany: Genesisy sy Deoteronomia (alemà), tao amin’ny “Papyrologische Texte und Abhandlungen”, Boky Faha-27, Bonn, 1980.

2) LXXVTS 10a: Ny Litera Efatra amin’ny soratra hebreo tranainy () no nandikana ilay anarana ao amin’ny Jo 4:2; Mi 1:1, 3; Mi 4:4, 5, 7; Mi 5:4, 4; Ha 2:14, 16, 20; Ha 3:9; Ze 1:3, 14; Ze 2:10; Za 1:3, 3, 4; Za 3:5, 6, 7. Efa tamin’ny faran’ny taonjato voalohany io horonam-boky hoditra  io, ary hita tao anaty lava-bato tany Nahal Hever, tany an-tany efitr’i Jodia. Navoaka tao amin’ny Fanampin’ny Testamenta Taloha (latinina), Boky Faha-10, Leiden, 1963, p. 170-178, ny sombin’izy io.

3) LXXIEJ 12: Ny Litera Efatra amin’ny soratra hebreo tranainy () no andikana ilay anarana ao amin’ny Jo 3:3. Efa tamin’ny faran’ny taonjato voalohany io sombina hodi-biby fanoratana io, ary hita tao anaty lava-bato tany Nahal Hever, tany an-tany efitr’i Jodia. Navoaka tao amin’ny Gazety Momba ny Fizahana An’i Israely (anglisy), Boky Faha-12, 1962, p. 203, izy io.

4) LXXVTS 10b: Ny Litera Efatra amin’ny soratra hebreo tranainy () no nandikana ilay anarana, ao amin’ny Za 8:20; 9:1, 1, 4. Efa tany antenatenan’ny taonjato voalohany io horonam-boky vita tamin’ny hodi-biby io, ary hita tao anaty lava-bato tany Nahal Hever, tany an-tany efitr’i Jodia. Navoaka tao amin’ny Fanampin’ny Testamenta Taloha (latinina), Boky Faha-10, 1963, p. 178, izy io.

5) 4Q LXX Levb: Ny litera grika (IAO) no nandikana ilay anarana, ao amin’ny Le 3:12; 4:27. Efa tamin’ny taonjato voalohany T.K. io sora-tanana amin’ny papyrus io, ary hita tao amin’ny Lava-bato faha-4, any Qoumrân. Misy tatitra savaranonando momba azy io ao amin’ny Fanampin’ny Testamenta Taloha (latinina), Boky Faha-4, 1957, p. 157.

6) LXXP. Oxy. VII.1007: Yôda roa mitovy () no nandikana ilay anarana, ao amin’ny Ge 2:8, 18. Efa tamin’ny taonjato fahatelo io taratasy vita amin’ny hodi-biby tena malefaka io, ary navoaka tao amin’ny The Oxyrhynchus Papyri, misy fandikan-teny sy fanamarihana, Fiz. 7, natontan’i Arthur Hunt, Londres, 1910, p. 1-2.

7) AqBurkitt: Ny Litera Efatra amin’ny soratra hebreo tranainy () no andikana ilay anarana, ao amin’ny 1Mp 20:13, 13, 14; 2Mp 23:12, 16, 21, 23, 25, 26, 27. Efa tamin’ny faran’ny taonjato fahadimy na voalohandohan’ny taonjato fahenina io sora-tanana vita tamin’ny hodi-biby io, ary navoakan’i F. Burkitt tao amin’ilay bokiny hoe Sombin’ireo Bokin’ny Mpanjaka Araka ny Fandikan-tenin’i Aquila (anglisy), Cambridge, 1898, p. 3-8. Hita tao amin’ny fitehirizana entan’ny synagoga iray any Le Caire, Ejipta izy io.

8) AqTaylor: Ny Litera Efatra amin’ny soratra hebreo tranainy () no andikana ilay anarana, ao amin’ny Sl 91:2, 9; Sl 92:1, 4, 5, 8, 9; Sl 96:7, 7, 8, 9, 10, 13; Sl 97:1, 5, 9, 10, 12; Sl 102:15, 16, 19, 21; Sl 103:1, 2, 6, 8. Ireo sombin-taratasy misy soratra grika nataon’i Aquila, dia navoakan’i C. Taylor tao amin’ilay bokiny hoe Hebrew-Greek Cairo Genizah Palimpsests, Cambridge, 1900, p. 54-65. Efa tany amin’ny faramparan’ny taonjato fahadimy izy ireo, na tamin’ny fiandohan’ny taonjato fahenina, raha ela indrindra.

9) SymP. Vindob. G. 39777: Ny Litera Efatra amin’ny soratra hebreo efa tranainy be ( na ) no andikana ilay anarana, ao amin’ny Sl 69:13, 30, 31. Efa tamin’ny taonjato fahatelo na fahefatra io sombina horonana hodi-biby malefaka io. Voatahiry ao amin’ny Tranombokim-pirenen’i Aotrisy, any Vienne izy io sy ny ampahan’ny Sl 69 amin’ny dikan-tenin’i Symmaque (na Sl 68 ao amin’ny LXX). Navoakan’i Carl Wessely tao amin’ny Fandinihana ny Soratra Fahiny sy ny Papyrus (alemà), Boky Faha-11, Leipzig, 1911, p. 171, izy io.

Hita eto ambany ny sombin’io horonana misy ny anaran’Andriamanitra io.

(Jereo ny Baiboly)

 10) Ambrosian O 39 sup.: Ny Litera Efatra amin’ny soratra hebreo ( ) no andikana ilay anarana ao amin’ireo tsanganana dimy, ao amin’ny Sl 18:30, 31, 41, 46; Sl 28:6, 7, 8; Sl 29:1, 1, 2, 2, 3, 3; Sl 30:1, 2, 4, 7, 8, 10, 10, 12; Sl 31:1, 5, 6, 9, 21, 23, 23, 24; Sl 32:10, 11; Sl 35:1, 22, 24, 27; Sl 36:t.m., 5; Sl 46:7, 8, 11; Sl 89:49 (tsanganana 1, 2 ary 4) Sl 89:51, 52. Efa tamin’ny faran’ny taonjato fahasivy io kôdeksa misy tsanganana dimy io. Ny soratra hebreo natao litera grika no teo amin’ny tsanganana voalohany, ny dikan-teny grikan’i Aquila no teo amin’ny faharoa, ny dikan-teny grikan’i Symmaque no teo amin’ny fahatelo, ny LXX no teo amin’ny fahefatra, ary ny dikan-teny grika Quinta no teo amin’ny fahadimy. Navoakan’i Giovanni Mercati tany Roma tamin’ny 1958 ny fanontana nitovy tanteraka tamin’io kôdeksa io sy ny dika mitovy amin’izy io, teo ambanin’ilay lohateny hoe Psalterii Hexapli reliquiae ... Pars prima. Codex rescriptus Bybliothecae Ambrosianae O 39 sup. phototypice expressus et transcriptus.

Asehon’ireo sora-tanana folo ireo, fa rehefa nadika ho amin’ny teny grika ny soratra hebreo, dia nihazona ny anaran’Andriamanitra teo amin’ny toerana nisy azy tao amin’ny soratra hebreo ireo mpandika teny. Ankoatra izany, dia hita ao amin’ny Za 9:4 ny Litera Efatra. Porofoin’izany fa tena nosoloan’ireo Soferima jiosy tamin’ny hoe Adônai (Tompo Fara Tampony) izy io, tao amin’ny toerana 134 ao amin’ny soratra hebreo.—Jereo F.F. 1B.

[Sary, pejy 1854]

LXXP. Fouad Inv. 266 (fandikan-teny grika), taonjato voalohany: Nitana ny anaran’Andriamanitra (יהוה), ao amin’ny De 32:3, 6.

Kôdeksa Alexandrinus (A) (fandikan-teny grika), taonjato fahadimy: Nosoloana an’ilay fanafohezana ny hoe Kyriôs ny anaran’Andriamanitra (יהוה), ao amin’ny De 32:3, 6.

Aleppo Codex (Al) (hebreo), taonjato fahafolo: Nitana ilay anarana (יהוה), izay efa tao amin’ny soratra hebreo tany am-boalohany, ao amin’ny De 32:3, 6. *

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 22 Avy tao amin’ny Aleppo Codex, natontan’i Moshe H. Goshen-Gottstein (Jerosalema: Magnes Press, 1976). Copyright © Hebrew University Bible Project. Nahazoan-dalana hatao pirinty indray.