Hijery ny anatiny

Warwick: Tahirin-tsary 4 (Mey ka Hatramin’ny Aogositra 2015)

Warwick: Tahirin-tsary 4 (Mey ka Hatramin’ny Aogositra 2015)

Jereo ato amin’ity tahirin-tsary ity ny fandrosoan’ny fanorenana ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ho hitanao koa hoe ahoana no nanohanan’ireo mpiasa an-tsitrapo maro be an’ilay asa fanorenana, tamin’ny Mey ka hatramin’ny Aogositra 2015.

Toy izao ireo trano any Warwick rehefa vita:

  1. Trano fikojakojana fiara

  2. Parking ho an’ny mpitsidika

  3. Trano fikojakojana/Parking ho an’ny olona mipetraka ao amin’ilay foibe

  4. Trano fonenana B

  5. Trano fonenana D

  6. Trano fonenana C

  7. Trano fonenana A

  8. Trano misy ny birao sy sampan’asa samihafa

6 Mey 2015—Toeram-panorenana any Warwick

Mpiasa handeha hampidina fitaovana ao amin’ny Farihy Sterling Forest (Farihy Manga). Iny no manakana ny fako lehibe tsy ho lasa ao.

6 Mey 2015—Trano fikojakojana/Parking ho an’ny olona mipetraka ao amin’ilay foibe

Ekipa mampiasa teknika fametahana simenitra amin’ny arofanina, eny amin’ny tafon’ny trano fikojakojana. Haingana kokoa noho ilay teknika mahazatra fandrarahana simenitra izy io.

15 Mey 2015—Toeram-panorenana any Warwick

Maka sary ny asa atao amin’ilay fanorenana ny mpaka sary iray ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Firaketana. Mijery an’ireny sary ireny ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah isan-kerinandro mba hahitana ny fandrosoan’ny asa.

30 Mey 2015—Trano any Tuxedo

Mpiasa an-tsitrapo roa avy any amin’ny faritra atsimon’i Kalifornia tonga mba hiasa ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanamboarana Fantsona. An-jatony, tamin’io andro io, no tonga tao Tuxedo, izay toerana iaingan’ny asa fanorenana any Warwick. Tamin’ny 1 Aogositra no betsaka indrindra ny mpiasa vaovao tonga tao, satria nahatratra 707 be izao izy ireo.

9 Jona 2015—Trano fonenana B

Mpiasa karamaina mampiasa milina fibatana entana mba hametrahana ampahana rindrina. Ny Trano fonenana B no trano fonenana farany nametrahana varavarankely sy rindrina.

16 Jona 2015—Trano fonenana C sy D

Mpiasa karamaina mametraka ny tetezana mampitohy ny trano fonenana C sy D.

25 Jona 2015—Trano fonenana C

Mpanao zaridaina mametraka bozaka eo amin’ny faritra andrefan’ilay toerana.

2 Jolay 2015—Toeram-panorenana any Warwick

Havaozina ilay fivarinan’ny rano taloha, izay mifandray amin’ilay tohodrano. Talohan’ny 1960 ilay izy no namboarina. Mihabetsaka anefa ny tafio-drivotra sy ny orana any izao. Havaozina àry ilay izy mba tsy ho tratran’ny tondra-drano ilay toerana ao Warwick sy ny manodidina azy.

15 Jolay 2015—Trano fonenana A

Mitohy hatramin’ny alina ny asa atao any anatin’ny trano, ohatra hoe ny fandokoana sy ny famonosana fantsona, mba tsy ho be loatra ny olona indray mivezivezy eo amin’ilay toerana. An-jatony no nasaina niditra tamin’ny 3.00 hariva dia nirava tamin’ny 2.00 maraina.

20 Jolay 2015—Trano fonenana D

Fampiofanana momba ny famonosana fantsona.

21 Jolay 2015—Trano fonenana B

Lokoana ilay tetezana mampitohy ny trano fonenana B sy ny trano fikojakojana.

27 Jolay 2015—Trano any Tuxedo

Mpiasa maromaro eo amin’ny parking miandry ny fiara hitondra azy ireo any Warwick. Misy bisy maka sy manatitra azy ireo isan’andro.

27 Jolay 2015—Trano any Tuxedo

Mpiasa telo mihety volo. Misy fanetezam-bolo any Tuxedo sy any Warwick ary any amin’ny fanatobiana entana any Montgomery, ary mpiasa 400 mahery no mihety volo any isan-kerinandro.

3 Aogositra 2015—Toeram-panorenana any Warwick

Fanorenana toerana fitrandrahana angovo avy any ambanin’ny tany. Misy lavaka 120 eo amin’io toerana io ary 150 metatra eo ho eo ny halaliny. Ireo lavaka ireo no hitrandrahana angovo mba hanome hafanana bebe kokoa rehefa ririnina ary hanome hatsiaka rehefa mafana. Mampihena ny vola lany izany sady tsy dia manimba ny tontolo iainana.

7 Aogositra 2015—Montgomery, any New York

Eto no raisina ny entana novidina. Arafitra izy ireny avy eo mba ho lasa fitaovana vonona hampiasaina any Warwick.

14 Aogositra 2015—Tuxedo Park, any New York

Miara-misakafo amin’ny fianakaviana iray ny mpiasa roa any Warwick (faharoa sy fahatelo avy eo ankavanana). Fianakaviana Vavolombelon’i Jehovah maro no mampiantrano mpiasa an-tsitrapo mandray anjara amin’ilay fanorenana.

17 Aogositra 2015—Trano fikojakojana/Parking ho an’ny olona mipetraka ao amin’ilay foibe

Mpiasa iray mampiasa fitaovana mba hahitana hoe aiza no marin-tampona ary aiza no misolampy.

20 Aogositra 2015—Trano misy ny birao sy ny sampan’asa samihafa

Voapetaka ny fitaratra ao amin’ny efitra fandraisana ny mpitsidika.

26 Aogositra 2015—Toeram-panorenana any Warwick

Napetaka ny tafo sy ny rindrina tamin’ny trano fonenana B, tamin’ny volana Mey ka hatramin’ny Aogositra. Io no trano fonenana natao farany. Efa napetraka daholo koa ny tetezana mampifandray an’ireo trano, ary efa natomboka ny fanamboarana ny endrik’ilay toerana.