Hijery ny anatiny

Fitsidihana Betela

Asainay ianao hitsidika ny biraon’ny sampanay, izay antsoina hoe Betela. Misy fampirantiana azo jerena any amin’ny sampana sasany.

Filazana Mifandray Amin’ny Coronavirus (COVID-19): Naato ny fitsidihana ny sampana any amin’ny tany maro. Raha mila fanazavana fanampiny dia mifandraisa amin’ny sampana tianao hotsidihina.

Guam

Famandrihana Fitsidihana

Tokony hanao famandrihana ve ianao alohan’ny hahatongavanao mitsidika? Eny. Tianay raha manao famandrihana mialoha daholo izay te hitsidika, na firy na firy izy ireo. Tsy ho be loatra, amin’izay, ny mpitsidika sady ho azo antoka hoe hankafy an’ilay fitsidihana ny rehetra.

Mbola afaka mitsidika ve ianao raha tsy nanao famandrihana? Raha tsy nanao famandrihana ianao, dia mety tsy ho afaka handray anao izahay. Voafetra mantsy ny isan’ny olona afaka mitsidika isan’andro.

Amin’ny firy ianao no tokony ho tonga? Tsara kokoa raha tsy tonga alohan’ny adiny iray mialoha an’ilay fitsidihana ianao, mba tsy ho be loatra ny olona mifamezivezy.

Ahoana no hanaovana famandrihana? Tsindrio ilay hoe “Hanao Famandrihana.”

Azo ovana na foanana ve ny famandrihana? Eny. Tsindrio ilay hoe “Hijery na Hanova Famandrihana.”

Ahoana raha efa feno ilay daty tena tianao hitsidihana? Tsidiho matetitetika ilay tranonkala. Mety halalaka ihany ilay fotoana rehefa misy olona manova na manafoana ny famandrihana nataony.

Fitsidihana

143 Jehovah St

BARRIGADA 96913

GUAM

+1 671-632-0429

Mampiavaka azy

Mandika boky ara-baiboly ho amin’ny fiteny enina any Mikronezia: Chuuk, kosrae, marshall, palau, ponape, ary yap.

Haka Bokikely Momba ny Betela