Hijery ny anatiny

Fitsidihana Betela

Asainay ianao hitsidika ny biraon’ny sampanay, izay antsoina hoe Betela. Misy fampirantiana azo jerena any amin’ny sampana sasany.

Filazana Mifandray Amin’ny Coronavirus (COVID-19): Naato ny fitsidihana ny sampana any amin’ny tany maro. Raha mila fanazavana fanampiny dia mifandraisa amin’ny sampana tianao hotsidihina.

Grande-Bretagne

Famandrihana Fitsidihana

Tokony hanao famandrihana ve ianao alohan’ny hahatongavanao mitsidika? Eny. Iangavianay ny mpitsidika rehetra, na firy izy ireo na firy, mba hanao famandrihana alohan’ny hahatongavany, amin’izay dia tsy ho be loatra ny mpitsidika sady ho afa-po daholo.

Mbola afaka mitsidika ve ianao raha tsy nanao famandrihana? Raha tsy nanao famandrihana ianao, dia mety tsy ho afaka handray anao izahay. Voafetra ihany ny isan’ny olona afaka mitsidika isan’andro, satria izay no antonona ao amin’ilay toerana.

Amin’ny firy ianao no tokony ho tonga? Tsara kokoa raha ao anatin’ny adiny iray alohan’ilay fitsidihana ianao no tonga fa tsy alohan’izay, mba tsy ho be loatra ny olona mifamezivezy.

Ahoana no fanaovana famandrihana? Tsindrio ilay hoe “Hamandrika Fitsidihana ho An’olona Latsaka ny 20”, raha tsy ampy 20 ny isanareo. Miantsoa kosa raha hamandrika fitsidihana ho an’olona 20 na mihoatra ianareo.

Azo ovana na foanana ve izay famandrihana natao? Eny. Tsindrio ilay hoe “Hijery na Hanova Famandrihana.”

Ahoana raha efa feno ny toerana amin’ilay daty saika hitsidihanao? Jereo matetika ilay tranonkala. Malalaka indray mantsy ny toerana raha misy olona manova na manafoana ny famandrihany.

Fitsidihana

1 Kingdom Way

West Hanningfield

CHELMSFORD

CM2 8FW

ENGLAND

+44 20-8906-2211

Mampiavaka azy

Manara-maso ny fampianarana Baiboly ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny tany maromaro, ohatra hoe Grande-Bretagne, Irlandy, ary Malta. Mandrindra ny fandikana boky ara-baiboly ho amin’ny fiteny maromaro, anisan’izany ny teny gaelìka ekosey, galoà, irlandey, ary tenin’ny tanana britanika. Mamokatra raki-peo sy video koa.

Fijerena fampirantiana: Tsy misy mitarika

  1. “Ny Lovantsika”: Tantaran’ny asa fitoriana any Grande-Bretagne sy Irlandy.

  2. “Baiboly any Grande-Bretagne”: Misy Baiboly vitsy mpanana ao, ary hita ao koa ny tantaran’ny fandikana Baiboly nandritra ny taonjato maro.

  3. Sampan’asa ao Amin’ny Betelan’i Grande-Bretagne: Misy video sy tabilao manazava ny asa atao ao amin’ny Sampan’i Grande-Bretagne.

Haka Bokikely Momba ny Betela