Hijery ny anatiny

Fitsidihana Betela

Asainay ianao hitsidika ny biraon’ny sampanay, izay antsoina hoe Betela. Misy fampirantiana azo jerena any amin’ny sampana sasany.

Filazana Mifandray Amin’ny Coronavirus (COVID-19): Naato ny fitsidihana ny sampana any amin’ny tany maro. Raha mila fanazavana fanampiny dia mifandraisa amin’ny sampana tianao hotsidihina.

Géorgie

Famandrihana Fitsidihana

Tokony hanao famandrihana ve ianao alohan’ny hahatongavanao mitsidika? Eny. Tianay raha manao famandrihana mialoha daholo izay te hitsidika, na firy na firy izy ireo. Tsy ho be olona loatra ny Betela, amin’izay, sady ho azo antoka hoe hisy olona afaka mitondra mpitsidika. Ataovy herinandro mialoha, fara fahakeliny, ny famandrihanao. Tsy misy fitsidihana ny asabotsy sy alahady ary aorian’ny ora fiasana.

Mbola afaka mitsidika ve ianao raha tsy nanao famandrihana? Raha tsy nanao famandrihana ianao, dia mety tsy ho afaka handray anao izahay.

Amin’ny firy ianao no tokony ho tonga? Tsara kokoa raha tsy tonga alohan’ny 15 minitra mialoha an’ilay fitsidihana ianao, mba tsy ho be loatra ny olona mifamezivezy.

Ahoana no hanaovana famandrihana? Tsindrio ilay hoe “Hanao Famandrihana.”

Azo ovana na foanana ve ny famandrihana? Eny. Tsindrio ilay hoe “Hijery na Hanova Famandrihana.”

Ahoana raha efa feno ilay daty tena tianao hitsidihana? Tsidiho matetitetika ilay tranonkala. Mety halalaka ihany ilay fotoana rehefa misy olona manova na manafoana ny famandrihana nataony.

Fitsidihana

10 Airport Settlement XIII St.

TBILISI, 0182

GEORGIA

+995 32-276-23-59

+995 597-71-00-00

Mampiavaka azy

Manara-maso ny asa fitoriana any Géorgie sy Azerbaïdjan. Mandika boky ara-baiboly ho amin’ny teny azerbaijaney, géorgien, kurde kurmanji (Caucase sy sirilika), ary mingrélien. Mamoaka ny boky géorgien ho amin’ny soratra Braille.

Haka Bokikely Momba ny Betela