Hijery ny anatiny

Fitsidihana Betela

Asainay ianao hitsidika ny biraon’ny sampanay, izay antsoina hoe Betela. Misy fampirantiana azo jerena any amin’ny sampana sasany.

Filazana Mifandray Amin’ny Coronavirus (COVID-19): Naato ny fitsidihana ny sampana any amin’ny tany maro. Raha mila fanazavana fanampiny dia mifandraisa amin’ny sampana tianao hotsidihina.

Belzika

Famandrihana Fitsidihana

Tokony hanao famandrihana ve ianao alohan’ny hahatongavanao mitsidika? Eny. Iangavianay ny mpitsidika rehetra, na firy izy ireo na firy, mba hanao famandrihana alohan’ny hahatongavany, amin’izay dia tsy ho be loatra ny mpitsidika sady ho afa-po daholo.

Mbola afaka mitsidika ve ianao raha tsy nanao famandrihana? Raha tsy nanao famandrihana ianao, dia mety tsy ho afaka handray anao izahay. Voafetra ihany ny isan’ny olona afaka mitsidika isan’andro, satria izay no antonona ao amin’ilay toerana.

Ahoana no fanaovana famandrihana? Tsindrio ilay hoe “Hanao Famandrihana.”

Azo ovana na foanana ve izay famandrihana natao? Eny. Tsindrio ilay hoe “Hijery na Hanova Famandrihana.”

Ahoana raha efa feno ilay daty tena tianao hitsidihana? Tsidiho matetitetika ilay tranonkala. Mety halalaka ihany ilay fotoana rehefa misy olona manova na manafoana ny famandrihana nataony.

Fitsidihana

Rue d’Argile-Potaardestraat 60

B-1950 KRAAINEM

BELGIUM

+32 2-782-00-15

Mampiavaka azy

Manara-maso ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Belzika. Hisy zavatra mifandray amin’ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah haseho mandritra ny fitsidihana.

Haka Bokikely Momba ny Betela