Hijery ny anatiny

Fitsidihana Betela

Asainay ianao hitsidika ny biraon’ny sampanay, izay antsoina hoe Betela. Misy fampirantiana azo jerena any amin’ny sampana sasany.

Filazana Mifandray Amin’ny Coronavirus (COVID-19): Naato ny fitsidihana ny sampana any amin’ny tany maro. Raha mila fanazavana fanampiny dia mifandraisa amin’ny sampana tianao hotsidihina.

Armenia

Famandrihana Fitsidihana

Tokony hanao famandrihana ve ianao alohan’ny hahatongavanao mitsidika? Eny. Iangavianay ny mpitsidika rehetra, na firy izy ireo na firy, mba hanao famandrihana telo andro alohan’ny hahatongavany, fara fahatarany, amin’izay dia tsy ho be loatra ny mpitsidika sady ho afa-po daholo.

Mbola afaka mitsidika ve ianao raha tsy nanao famandrihana? Raha tsy nanao famandrihana ianao, dia mety tsy ho afaka handray anao izahay. Voafetra ihany ny isan’ny olona afaka mitsidika isan’andro, satria izay no antonona ao amin’ilay toerana.

Amin’ny firy ianao no tokony ho tonga? Tsara kokoa raha 15 minitra alohan’ilay fitsidihana ianao no tonga fa tsy alohan’izay, mba tsy ho be loatra ny olona mifamezivezy.

Ahoana no fanaovana famandrihana? Tsindrio ilay hoe “Hanao Famandrihana.”

Azo ovana na foanana ve izay famandrihana natao? Eny. Tsindrio ilay hoe “Hijery na Hanova Famandrihana.”

Ahoana raha efa feno ny toerana amin’ilay daty saika hitsidihanao? Jereo matetika ilay tranonkala. Malalaka indray mantsy ny toerana raha misy olona manova na manafoana ny famandrihany.

Fitsidihana

38 Keri Street

0028 YEREVAN

ARMENIA

+374 12 708 200

Mampiavaka azy

Mandika boky ara-baiboly ho amin’ny teny armenianina, armenianina (tenim-paritra any atsinanana), soratra braille armenianina, ary tenin’ny tanana armenianina. Manara-maso ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah 10 924 any Armenia. Misy fanazavana momba ny tantara koa mandritra ny fitsidihana.

Haka Bokikely Momba ny Betela