Hijery ny anatiny

Fitsidihana Betela

Asainay ianao hitsidika ny biraon’ny sampanay, izay antsoina hoe Betela. Misy fampirantiana azo jerena any amin’ny sampana sasany.

Filazana Mifandray Amin’ny Coronavirus (COVID-19): Naato ny fitsidihana ny sampana any amin’ny tany maro. Raha mila fanazavana fanampiny dia mifandraisa amin’ny sampana tianao hotsidihina.

Angola

Famandrihana Fitsidihana

Tokony hanao famandrihana ve ianao alohan’ny hahatongavanao mitsidika? Eny. Iangavianay ny mpitsidika rehetra, na firy izy ireo na firy, mba hanao famandrihana alohan’ny hahatongavany, amin’izay dia tsy ho be loatra ny mpitsidika sady ho afa-po daholo. Ataovy herinandro mialoha, fara fahakeliny, ny famandrihanao. Tokony hatao aloha be ny famandrihana raha andro fety ilay andro tianareo hitsidihana.

Mbola afaka mitsidika ve ianao raha tsy nanao famandrihana? Raha tsy nanao famandrihana ianao, dia mety tsy ho afaka handray anao izahay. Voafetra ihany ny isan’ny olona afaka mitsidika isan’andro, satria izay no antonona ao amin’ilay toerana.

Amin’ny firy ianao no tokony ho tonga? Tsara kokoa raha ao anatin’ny adiny iray alohan’ilay fitsidihana ianao no tonga fa tsy alohan’izay, mba tsy ho be loatra ny olona mifamezivezy.

Ahoana no fanaovana famandrihana? Tsindrio ilay hoe “Hamandrika Fitsidihana ho An’olona Latsaka ny 10”, raha tsy ampy 10 ny isanareo. Mandefasa kosa hafatra amin’ny InboxBTHLTourDesk.AO@jw.org raha te hamandrika ho an’olona 10 na 10 mahery ianao.

Azo ovana na foanana ve izay famandrihana natao? Eny. Tsindrio ilay hoe “Hijery na Hanova Famandrihana.”

Ahoana raha efa feno ny toerana amin’ilay daty saika hitsidihanao? Jereo matetika ilay tranonkala. Malalaka indray mantsy ny toerana raha misy olona manova na manafoana ny famandrihany.

Fitsidihana

Avenida Talatona No. 1

LUANDA

ANGOLA

+244 923 166 760

E-mail: InboxBTHLTourDesk.AO@jw.org

Mampiavaka azy

Manara-maso ny fandikana boky ara-baiboly ho amin’ny fiteny folo, anisan’izany ny tenin’ny tanana angoley. Miandraikitra ny fanorenana Efitrano Fanjakana sy mandefa boky sy gazety any amin’ny fiangonana 2 269 mahery any Angola.

Haka Bokikely Momba ny Betela