Mametraka an’ity fanontaniana lehibe ity daholo ny tanora rehetra: ‘Inona no hataoko eo amin’ny fiainana?’ Eritrereto tsara ny tanjonao eo am-pandinihana ny tantaran’i Andry. Tanora izy ary niady saina satria tia karazam-piainana roa samy hafa. Iza amin’ireo no hofidiny? Iza amin’ireo no mahafa-po kokoa? Hisy fanadinadinana tanora any amin’ny tany samihafa koa ato. Hanampy anao handinika tsara izany.