Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

‘Mandehana Amin’ny Finoana fa Tsy Amin’ny Hitan’ny Maso’

Niala tampoka tsy nanao fahirano an’i Jerosalema ny tafika romanina. Tsy maintsy nanao safidy ny fianakaviana kristianina roa. Hankatò an’i Jesosy ve izy ireo ka handao tanteraka ny fiainana nahazatra azy? Iankinan’ny ainy ny fanapahan-kevitr’izy ireo. Marina ara-tantara ireo zavatra tantarain’ny Baiboly ary aseho ato amin’ity video ity izany. Mba hahatonga an’ilay izy ho marina tsara, dia misy olona miady amin’ilay filma. Tsy manindrahindra ny herisetra anefa ity filma ity, fa natao hampisehoana ny zavatra niainan’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany fotsiny ny ady aseho ato.