Ataovy Namanao i Jehovah
Jereo na alaivo ato ireo video natao hampianarana ny ankizy lesona tena ilaina avy ao amin’ny Baiboly.
Te ho Lasa Mpisava Lalana ve Ianao?
Nieritreritra ny hanao mpisava lalana i Kaleba rehefa avy naheno fampandrenesana tany amin’ny Efitrano Fanjakana.
Inona no Tena Manaporofo hoe Tia Antsika i Jehovah?
Jereo ato hoe fa maninona no tsy misy fanomezana tsara noho ilay sorona nataon’i Jesosy.
Andriamanitra no Mampitombo
Mampatahotra anao ve ilay hoe hitarika fampianarana Baiboly? Ao fa hanampy anao i Jehovah!
Dadantsika i Jehovah
Hoatran’ny Dada tena tia anao i Jehovah dia mihaino sy mikarakara anao.
Tena Tian’i Jehovah Ianao!
Nianaran’i Zo hoe ho tia be azy i Jehovah raha manao hoatran’ny nataon’i Jesosy izy.
Ataovy Namanao i Jehovah (Video Fampahafantarana): Tena Tian’i Jehovah Ianao!
Lasa fantatr’i Zo hoe tsy voatery ho ratsy ny hoe tsy manao ny fanaon’ny ankizy.
Te Hatao Batisa ve Ianao?
Ampianarina an’i Sofia hoe inona avy no tokony hataony raha te hatao batisa izy.
Te ho Lasa Mpitory ve Ianao?
Natoron’ny dadany an’i Kaleba hoe ahoana no atao raha te ho lasa mpitory.
Lesona 47: Olona Hoatran’ny Ahoana no Tokony Hataoko Namana?
Tian’i Jehovah hanana namana ianao. Inona anefa no hanampy anao hahay hifidy namana?
Ataovy Namanao i Jehovah (Video Fampahafantarana): Olona Hoatran’ny Ahoana no Tokony Hataoko Namana?
Jereo ato hoe inona no nataon’i Sofia mba hahazoana namana.
Lesona 45: Tsy Maintsy Mankatò An’Andriamanitra ve Isika Nefa Izy Tsy Hitantsika?
Nahoana isika no tokony hankatò an’Andriamanitra na dia tsy hitantsika aza izy? Jereo ange ny valin-tenin’i Sofia e!
Lesona 44: Aza Mora Kivy fa Mitoria Foana
Kivy ve ianao rehefa misy olona tsy te hihaino ny vaovao tsara torinao? Efa kivy hoatr’izany koa i Kaleba sy Sofia, dia jereo ange ny nataony e!
Lesona 43: Mba Valian’i Jehovah ve ny Vavaka Ataoko?
Afaka mivavaka amin’i Jehovah ianao dia mangataka fanampiana aminy fa hohenoiny.
Ataovy Namanao i Jehovah (Video Fampahafantarana): Mba Valian’i Jehovah ve ny Vavaka Ataoko?
Jereo hoe ahoana ny namalian’i Jehovah ny vavak’i Sofia
Lesona 41: Mety ve ny Manao Aniversera?
Ahoana no hanazavanao amin’ny olona hoe nahoana ianao no tsy manao aniversera?
Lesona 40: Mamela Heloka i Jehovah
Tokony ho kivy ve isika raha nanao fahadisoana? Jereo izay nianaran’i Kaleba tamin’ny tantara iray ao amin’ny Baiboly.
Video Fampahafantarana: Ataovy Namanao i Jehovah: Mamela Heloka i Jehovah
Jereo hoe inona no nataon’i Kaleba rehefa niharam-pitsapana izy.
Lesona 38: Tiavo ny Namanao
Ahoana no hampisehoanao hoe tia namana hoatran’ilay Samaritanina tsara fanahy ianao?
Lesona 37: Miezaha Hahafoy Tena
Nahafoy tena ho an’ny hafa foana i Jesosy. Ahoana no azonao anahafana azy?
Lesona 36: Izay Tiana no Anarina
Nahoana no anarin’i Jehovah ny olona tiany?
Lesona 35: Ampiasao Tsara ny Fotoana
Fanomezana avy amin’i Jehovah ny fotoana ka tokony hampiasaina tsara.
Lesona 34: Ampio ny Hafa
Inona no azonao anampiana rehefa misy loza mitranga?
Lesona 33: Ampifalio ny Fon’i Jehovah
Mety hampifaly an’Andriamanitra izay ataonao isan’andro.
Lesona 32: Miomàna Tsara Aloha dia Hendre Tsara Koa!
Misy zavatra telo mila ataonao, alohan’ny handehananao mitory.
Lesona 31: Tiavo ny Tranon’i Jehovah
Manadio Efitrano Fanjakana ve ianao?
Lesona 30: Miezaha Hiaritra na dia Maty aza ny Olona Tena Tianao
Inona no manampy antsika hiaritra, raha maty ny olona iray tena tiantsika?
Lesona 29: Manetre Tena
Nampianarina an’i Kaleba hoe ahoana izany manetry tena izany.
Lesona 28: Miezaha Hiaritra na dia Iharan’ny Tsy Rariny Aza
Jereo ato fa afaka miaritra isika na dia iharan’ny tsy rariny aza, rehefa mandinika ny ohatr’i Josefa.
Lesona 27: Inona no Hataonao any Amin’ny Paradisa?
Efa nieritreritra ny zavatra tianao hatao any amin’ny Paradisa ve ianao?
Lesona 26: Ny Vidim-panavotana
Tena manampy antsika ny vidim-panavotana rehefa miatrika zava-tsarotra isika.
Lesona 25: Miezaha Hinamana Amin’ny Olona Tia An’i Jehovah
Iza avy ny namanao amin’ireo iray fiangonana aminao?
Lesona 24: Tena Mahay Mamorona i Jehovah
Namorona zavatra tsara be dia be Andriamanitra. Iza amin’ireny ny tena tianao?
Lesona 23: Ny Anaran’i Jehovah
Fantatrao ve ny dikan’ny anaran’Andriamanitra?
Lesona 22: Lehilahy Iray sy Vehivavy Iray
Lehilahy iray sy vehivavy iray no nataon’Andriamanitra ho mpivady voalohany. Nahoana no tokony ho hoatr’izany koa amin’izao?
Lesona 21: Mba Mahaiza Miandry!
Jereo ilay video dia ho hitanao hoe ahoana no nahatonga an’i Kaleba hahay hiandry.
Lesona 20: Milazà ny Marina
Nahoana ianao no tokony hilaza ny marina foana?
Lesona 19: Aoka Ianao Halala-tanana
Malala-tanana ny vahoakan’i Jehovah. Inona no zava-bita vokatr’izany?
Lesona 18: Hajao ny Tranon’i Jehovah
Inona avy ny zavatra tsy tokony hataonao rehefa any amin’ny Efitrano Fanjakana, raha manaja ny tranon’i Jehovah ianao?
Lesona 17: Arovy ny Zanakao
Nahazo torohevitra tsara afaka miaro azy i Sofia sy Kaleba.
Lesona 15: Mila Mihaino Tsara Isika any Am-pivoriana
Nahoana no tena ilaina ny mihaino tsara rehefa mivory?
Lesona 14: Omano ny Valin-teninao
Ireto misy soso-kevitra efatra afaka manampy anao hanomana valin-teny.
Lesona 13: Hanampy Anao ho Sahy Hitory i Jehovah
Inona no hanampy anao ho sahy hiresaka momba an’i Jehovah?
Lesona 12: Nitsidika Betela i Sofia sy Kaleba
Faly be i Sofia sy Kaleba mijery ny sariny tany amin’ny Betela. Fantaro hoe inona avy ny asa atao any amin’ny Betela.
Tantara Kely Tena Tian’ny Ankizy
Namoaka video kely ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hanampiana ny ankizy hampihatra ny toro lalan’ny Baiboly. Andao hijery ny fomba nanaovana azy ireny.
Lesona 11: Mahaiza Mamela Heloka
Inona no tokony hataonao raha nisy olona nanao zavatra tsy nety taminao?
Lesona 10: Mba Mahaiza Mizara
Jereo amin’ity video ity fa mahafinaritra kokoa an’i Kaleba sy Sofia ny milalao rehefa mifampizara ry zareo.
Lesona 9: ‘Namorona ny Zava-drehetra i Jehovah’
Fantatrao ve hoe inona no noforonin’Andriamanitra voalohany? Dia avy eo inona? Mianara miaraka amin’i Kaleba kely.
Lesona 8: Manaova Madio sy Milamina
Milamina daholo ny zavatra nataon’i Jehovah. Tianao koa ve ny mba hadio sy hilamina?
Lesona 7: Mahasambatra ny Manome
Misy fomba maro azonao atao mba hanaovana fanomezana ho an’ny hafa. Inona ohatra?
Lesona 6: Manaova Azafady dia Mahaiza Misaotra
Lasa hain’i Kaleba fa tena ilaina ireo teny ireo.
Lesona 5: Andao Handeha Hitory
Vonona handeha hitory ve i Sofia? Jereo ilay video, dia omano koa ny entanao mba ho vonona hitory ianao.
Lesona 4: Ratsy ny Mangalatra
Tsy mampaninona an’i Jehovah ve ny mangalatra? Vakio ny Eksodosy 20:15. Jereo ato amin’ity video ity izay nataon’i Kaleba.
Lesona 3: Mivavaha Foana
Mampianatra ny ankizy ity video ity hoe afaka mivavaka amin’i Jehovah foana izy ireo, na aiza na aiza ary na rahoviana na rahoviana.
Lesona 2: Ankatoavy i Jehovah
Tsy maninona ve izay kilalao lalaovinao? Jereo izay nataon’i Kaleba mba hahatonga azy ho naman’i Jehovah.
Lesona 1: Ankatoavy i Dada sy Neny
Nahoana ianao no tokony hankatò an’i Dada sy Neny? Jereo ny tantaran’i Kaleba dia ho fantatrao ny valiny.
Miala tsiny fa tsy misy teny mifanitsy amin’io nofidinao io.

