Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Mihirà Amin’ny Fo ho An’i Jehovah

 HIRA 137

Vehivavy Manam-pinoana sy Tsy Mivadika

Mifidiana Raki-peo
Vehivavy Manam-pinoana sy Tsy Mivadika
FILAHARANY
Soratra
Sary

(Romanina 16:2)

  1. 1. Estera, Saraha, Rota, na i Maria

    Dia tsara toetra sy feno fahendrena.

    Vehivavy maro koa no nahafoy tena.

    Ny anarany na dia tsy nolazaina,

    Tsy hadinon’i Jehovah izy ’reo,

    Ary ny finoany dia tsy mba very maina.

  2. 2. Modely ho antsika rehetra izy ’reo,

    Satria tsara fanahy sy mahery fo.

    Ianareo anabavy ankehitriny koa,

    Sarobidy aminay ’zay ataonareo.

    Na ny toetra na ny fanompoana,

    Mendri-piderana, ka sambatra ianareo.

  3. 3. Ianareo reny, vady, na zanakay,

    ’Reo maty vady sy ’reo zatovovavy,

    Jehovah tia anareo, ry anabavy!

    Miasa mafy ianareo ary mankatò,

    Sady maotina, malemy paika.

    Mendrika anareo ny hahazo valisoa!