Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

 HIRA 42

Vavaky ny Mpanompon’Andriamanitra

Mifidiana Raki-peo
Vavaky ny Mpanompon’Andriamanitra
FILAHARANY

(Efesianina 6:18)

  1. 1. Jehovah ô, Ray any ambony any,

    Ny anaranao ho masina eran-tany.

    Mahatonga ianao, tsy toha, mahagaga,

    ’Zay kasainao dia tsy maintsy hitranga.

    Ary ilay Fanjakanao,

    Enga anie ho tonga izao!

  2. 2. Misaotra anao satria mbola miaina,

    Ary isan’andro omenao ’zay ilaina.

    Avy aminao koa ny fahendrena,

    Ny fahalalanao no tena harena.

    Koa misaotra anao satria

    Ianao, Ray ô, tena tia.

  3. 3. Ny fahoriana toa mahery fiavy;

    Mba mila anao, marefo ka miangavy.

    Ampaherezo anie f’aza afoy,

    Mba tsy ho kivy, fa mbola hanohy;

    Ampio ’zahay hanohy ny ady,

    Ary hanefa an’ilay voady.