Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

 HIRA 133

Tanora Manompo An’i Jehovah

Mifidiana Raki-peo
Tanora Manompo An’i Jehovah
FILAHARANY

(Mpitoriteny 12:1)

  1. 1. Jehovah miantso ahy hoe zanaka tiana,

    Raha manompo azy aho, handray fitahiana.

    Izy no hanampy ahy na mafy na mora.

    Tiako ny hanompo azy dieny tanora!

  2. 2. Dada sy Neny dia miahy ihany koa;

    Te hankasitraka aho, tena hankatò.

    Faly Jehovah ka hotadidiny,

    ’Zaho mba ho anisan’ny namana tiany.

  3. 3. Fa ’lay Mpamorona ihany no inoako,

    Ary isan’andro izy dia hotsaroako.

    ’Zay tsara indrindra sy ’zay tena ambony

    No tiako homena hampifaly ny fony.