Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

 HIRA 95

Mihamazava ny Lalantsika

Mifidiana Raki-peo
Mihamazava ny Lalantsika
FILAHARANY

(Ohabolana 4:18)

  1. 1. Manjaka any an-danitra izao ny Mesia,

    Hanavotra ny zavaboary.

    Ny marina ’zay nolazain’ny fanahy,

    Nazava sy niharihary.

    Taloha ’nefa izany tsy mbola nambara,

    Tsy fantatr’ireo mpaminany.

    Koa sambatra isika satria mahalala;

    Ny anjely aza liana am’izany!

    (FIVERENANA)

    Mazava izao ny lalantsika.

    Ny rahona efa nisava;

    Ka toy ny masoandro baliaka,

    Fa Jehovah no manazava.

  2. 2. Dia nisy mpanompo nasaina hanome

    Sakafo tena ara-potoana.

    Ny marina toy ny hazavan’ny maraina,

    Vao mainka mazava eny foana.

    Tsy maizina intsony ny lalan-kaleha,

    Mamiratra tsara izy izao.

    I Jehovah no loharanon’izany,

    Ka izy no ankasitraho.

    (FIVERENANA)

    Mazava izao ny lalantsika.

    Ny rahona efa nisava;

    Ka toy ny masoandro baliaka,

    Fa Jehovah no manazava.