Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HIRA 109

Mifankatiava Amin’ny Fo

Mifankatiava Amin’ny Fo

(1 Petera 1:22)

  1. 1. Ny fitiavana avy ao am-po,

    Aseho amin’ny atao aloha,

    Tsy mba mitady tombontsoa;

    Mitondra fifaliana.

    Toetran’ilay Ray be fitia,

    ’Zay mampifankatia satria

    Tsy hoe mihatsaravelatsihy,

    Fa tena mba fiahiana.

    Raha mijaly izy aza afoy,

    ’Zay azo anampiana aloha karohy;

    Dia raha kivy mba henoy,

    Ny ao am-po no porofoy.

    Fa Jehovah anie tena tia;

    ’Zay koa no toetran’i Kristy.

    Tiany àry isika hifankatia,

    Dia fitiavana no hanjaka;

    Avelao ho lalim-paka.