Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

 HIRA 41

Mba Henoy ny Vavaka Ataoko

Mifidiana Raki-peo
Mba Henoy ny Vavaka Ataoko
FILAHARANY

(Salamo 54)

  1. 1. Jehovah ô, ’zao hirako izao

    Vavaka ataoko, atolotro anao.

    Lehibe tokoa ny anaranao!

    (FIVERENANA)

    Ray ô, henoy aho fa mitalaho.

  2. 2. Misaotra anao satria velon’aina,

    Tantananao ka milamin-tsaina.

    Mamiko erỳ ny fitiavanao!

    (FIVERENANA)

    Ray ô, henoy aho fa mitalaho.

  3. 3. Ny tiako hatao dia ny tsara ihany.

    Ampio re aho, omeo hery hatrany,

    Fa mafy anie ny fiainako izao.

    (FIVERENANA)

    Ray ô, henoy aho fa mitalaho.