Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HIRA 4

“Jehovah no Mpiandry Ahy”

“Jehovah no Mpiandry Ahy”

(Salamo 23)

  1. 1. Jehovah no Mpiandry ahy,

    Ka fantany izay ilaiko.

    Fa ondriny aho sady tena tiany,

    Izy ihany no antenaiko.

    Maka aina eny amoron-drano,

    ’Zay misy ahi-maitso ho ahy...

    Tena tia sy tsara fanahy izy,

    Dia tony aho fa tsy manahy.

    Fa tia sy tsara fanahy izy,

    Koa nahoana aho no hanahy?

  2. 2. Matoky anao aho, Jehovah,

    Toy ny ondry eo an-tratranao.

    Na dia mandalo haizim-pito aza aho,

    Ianao eo fa tsy mandao.

    Na hisy loza hitranga,

    Tsy matahotra aho satria

    Eo akaiky eo ianao ’lay Namako,

    ’Lay Mpiandry Ondry tena tia.

    Eo akaiky eo ilay Namako,

    ’Zay miahy sady tena tia.

  3. 3. Ianao koa manambitamby,

    Ny tehinao no itokiako.

    Ny lalan’ny fahamarinanao

    No lalana tena tiako.

    Fa noho ny anaranao kosa,

    Tariho aho mba tsy ho very.

    Dia hanampy ahy foana isan’andro ianao,

    Ka ’zaho tsy mahatsiaro ho irery.

    Manampy ahy foana isan’andro ianao,

    Ka tsy mamela ahy ho irery.

(Jereo koa ny Sal. 28:9; 80:1.)