Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Mihirà Amin’ny Fo ho An’i Jehovah

 HIRA 122

Hatanjaho ny Finoanao!

Mifidiana Raki-peo
Hatanjaho ny Finoanao!
FILAHARANY
Soratra
Sary

(1 Korintianina 15:58)

  1. 1. Maro no kivy, manahy sady ory,

    Satria ny hoavy tsy fantany akory.

    F’isika kosa na inon-kidona,

    Tony fa manam-pinoana.

    (FIVERENANA)

    Arovy ny finoanao,

    Ialao ’zao tontolo izao.

    Ny fonao hatanjaho,

    Fa hotahina ianao.

  2. 2. ’Zay rehetra aleha ’zao dia fakam-panahy,

    Mandiniha tsara, mahaiza mandà.

    Tiavo izay tsara, ny ratsy halaviro,

    Ny finoanao no fikiro!

    (FIVERENANA)

    Arovy ny finoanao,

    Ialao ’zao tontolo izao.

    Ny fonao hatanjaho,

    Fa hotahina ianao.

  3. 3. Koa ankafizo àry ilay asantsika.

    Tandremo tsara tsy ho zara fa vita.

    Ny tena farany ho avy, tsy ho tara,

    Ka torio ny vaovao tsara!

    (FIVERENANA)

    Arovy ny finoanao,

    Ialao ’zao tontolo izao.

    Ny fonao hatanjaho,

    Fa hotahina ianao.

(Jereo koa ny Lioka 21:9; 1 Pet. 4:7.)