Boky Iray Feno Fitia
Haka:
1. Boky iray ’zay tena sarobidy nomenao, ry Ray tsy foiko,
Ahitako vatosoa maro, ’zay mampitombo ny finoako.
Vakiko izy io isan’andro dia vao mainka aho mihamatoky
Hoe tena hahasoa ahy daholo ny ao amin’ilay boky.
(FIVERENANA)
Fa ny Teninao ’nie toy ny ando,
Toy ny rano mangarahara,
Sy masoandro manafana,
Tsy misy diso anjara.
Toy ny ondana malemy tsara
Ilay bokinao satria
Mampionona ahy sy mampahery,
Mampahazo aina erỳ,
Fa feno fitia
Avy aminao.
2. Rehefa iny aho misaintsaina azy io, lasa akaiky anao kokoa, tsy mba manahy satria hoe mandalo izay manjo.
Dia ’zay voasoratra taloha fianarana ho ahy,
Mahatonga an’ahy hiandrandra hoavy iray tsy hisy ahiahy.
(FIVERENANA)
Fa ny Teninao ’nie toy ny ando,
Toy ny rano mangarahara,
Sy masoandro manafana,
Tsy misy diso anjara.
Toy ny ondana malemy tsara
Ilay bokinao satria
Mampionona ahy sy mampahery,
Mampahazo aina erỳ,
Fa feno fitia
Avy aminao.
(TETEZANA)
’Zaho ho toy ny hazo amoron-drano mitombo isan’andro,
Vonona hisetra izay ho avy.
Avy eo aho te hizara ilay fitia hita ao
Sy ny soa azo avy amin’ny Teninao.
3. Boky iray ’zay tena sarobidy nomenao, ry Ray tsy foiko,
Ahitako vatosoa maro ’zay mampitombo ny finoako.
Vakiko izy io isan’andro dia vao mainka aho mihamatoky
Hoe tena hahasoa ahy daholo ny ao amin’ilay boky.
(FIVERENANA)
Fa ny Teninao ’nie toy ny ando,
Toy ny rano mangarahara,
Sy masoandro manafana,
Tsy misy diso anjara.
Toy ny ondana malemy tsara
Ilay bokinao satria
Mampionona ahy sy mampahery,
Mampahazo aina erỳ,
Fa feno fitia
Avy aminao.

