Aza Miandry Ampitso Lava

Aza Miandry Ampitso Lava

Haka:

  1. 1. Mandalo, miserana avy eo dia tsy hita

    Toy ny aloka anie ny aina.

    Tsy aleo ve manao ’zay rehetra vita

    Satria voafetra ny fotoana ampiasaina?

    (FIVERENANA)

    Raha vao miandry ampitso lava aho, mbola hanenenako ihany.

    Ny fotoana rehefa lasa dia tsy tana.

    Ny olon-tiako aleo hampiako àry, androany dieny androany.

    Misy fetra ny aina, tsy hay ’zay hiafarany.

    Hiezaka aho hianatra hanisa ny andro sisa hiainako àry.

  2. 2. Tena tia anie Jehovah Ray,

    ’Zay nomeny, tonga lafatra erỳ.

    Mba tiako hoe ny androm-piainako indray

    No omeko azy sy atokako ho valim-pitia.

    (FIVERENANA)

    Raha vao miandry ampitso lava aho, mbola hanenenako ihany.

    Ny fotoana rehefa lasa dia tsy tana.

    Dia hidera an’i Jehovah aho, androany dieny androany;

    Misy fetra ny aina, tsy hay ’zay hiafarany.

    Hiezaka aho hianatra hanisa ny andro sisa hiainako àry.

    (TETEZANA)

    Koa satria tsy ho ela intsony dia ho avy

    ’Lay tontolo vaovao,

    Isan’ora, isan’andro aho hanompo azy,

    ’Zay no tena tiako hatao.

    (FIVERENANA)

    Raha vao miandry ampitso lava aho, mbola hanenenako ihany.

    Ny fotoana rehefa lasa dia tsy tana.

    Ny olon-tiako aleo hampiako àry, eny, androany dieny androany.

    Misy fetra ny aina, tsy hay ’zay hiafarany.

    Ka hiezaka aho hianatra hanisa ny andro sisa hiainako àry.