Ao fa Kely Sisa!

Ao fa Kely Sisa!

Haka:

  1. 1. Nandalo ny andro, nandeha ny fotoana,

    Izao aho dia osa ary mandroso taona,

    Fa soa ihany, oh, fa kely sisa.

    Ny olona akaiky ahy, tsisy eo ’ntsony, indrisy!

    Dia mahatsiaro ho banga aho, ka manirery mihitsy.

    Fa soa ihany, oh, fa kely sisa.

    (FIVERENANA)

    “Maraim-baovao aho no hifoha-o, dia hay efa tonga!

    Ilay Fanjakana am’izay no mitondra, eran-tany paradisa.”

    Ao, kely sisa!

    Iny aho fa hitsena ireo nodimandry.

    ’Lay Ray hamaly soa ahy fa niandry.

    Ny ranomaso dia ho voafafa, ary ho to izay kinasa.

    Ao, kely sisa!

  2. 2. Raha ’zao fiainana izao tena hoe mazava:

    Tsy ho ela izao tontolo izao ho rava.

    Matoky aho, oh, fa kely sisa.

    Aleoko àry izao tsy ho variana intsony,

    Hanompo an’i Jehovah sy hampifaly ny fony

    Satria haiko, oh, fa kely sisa.

    (FIVERENANA)

    “Maraim-baovao aho no hifoha-o, dia hay efa tonga!

    Ilay Fanjakana am’izay no hitondra, eran-tany paradisa.”

    Ao, kely sisa!

    Iny aho fa hitsena ireo nodimandry.

    ’Lay Ray hamaly soa ahy fa niandry.

    Ny ranomaso dia ho voafafa, ary ho to izay kinasa.

    Ao, kely sisa!

    (TETEZANA)

    Na ataoko aza aho sanatria hoe lasa am’zao andro ’zao,

    Izy anie tsy hanadino, fa mbola hatsangany aho.

    (FIVERENANA)

    “Maraim-baovao aho no hifoha-o, dia hay efa tonga!

    Ilay Fanjakana am’izay no hitondra, eran-tany paradisa.”

    Ao, kely sisa!

    Iny aho fa hitsena ireo nodimandry.

    ’Lay Ray hamaly soa ahy fa niandry.

    Ny ranomaso dia ho voafafa, ary ho to izay kinasa,

    Dia hadino ireo lasa.

    Ao, kely sisa!